Mpitsara
Toko 5
- 1[Ny fihirana nataon’i Debora noho ny nandresena an’i Sisera] Ary Debora sy Baraka, zanak’i Abinoama, dia nihira tamin’izany andro izany ka nanao hoe:
- 2Noho ny fitarihan*’ny lehibe tamin’ny Isiraely sy ny fahazotoan’ny vahoaka nanolotena, dia miderà an’i Jehovah.[Na: fitombadahin’]
- 3Mandrenesa ianareo, ry mpanjaka, mihainoa ianareo, ry mpanapaka! Izaho indrindra no hihira ho an’i Jehovah; hankalaza an’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho.
- 4Jehovah ô, fony nivoaka avy tany* Seïra Hianao ary nandeha avy tany amin’ny tany Edoma, dia nihorohoro ny tany, ary ny lanitra koa nitete; Eny, ny rahona matevina nitete rano.[Heb. tamin’ny saha]
- 5Ny tendrombohitra niempo teo anatrehan’i Jehovah. Eny, na dia iry Sinay iry aza teo anatrehan’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
- 6Tamin’ny andron’i Samgara, zanak’i Anata, sy tamin’ny andron’i Jaela dia tsy nodiavina ny lalambe, fa ny sakeli-dalana mivilivily no nalehan’ny mpandeha.
- 7Lao ny tany an-tsaha; eny, lao* tamin’ny Isiraely izany, Mandra-pitsangako, izaho Debora, eny, mandra-pitsangako ho reny teo amin’ny Isiraely.[Na: Tsy nisy mpanapaka; eny nitsahatra]
- 8Nifidy andriamani-baovao ny olona, Ary tamin’izay dia nisy ady hatrany am-bavahady. Moa nisy ampinga na lefona na dia iray akory aza hita va teo amin’ny olona efatra alina tamin’ny Isiraely?
- 9Ny foko mankasitraka ny mpanapaka amin’ny Isiraely, izay nazoto nanolo-tena teo amin’ny vahoaka, miderà an’i Jehovah ianareo.
- 10Hianareo izay mitaingina borikivavy fotsy, ianareo izay mipetraka amin’ny lamba fitoerana, ary ianareo koa izay mandeha amin’ny lalana, samia milaza.
- 11Lavitra ny feon’ny mpandefa zana-tsipìka, dia eo amin’ny fantsakan-drano, no hiresahany ny asa marina nataon’i Jehovah, dia ny fahamarinany tamin’ny tany* Isily; Tamin’izany dia nidina ny olon’i Jehovah ho any am-bavahady.[Na: tamin’ny fitondrany ny]
- 12Mifohaza, mifohaza, ry Debora; Mifohaza, mifohaza, ka mihirà! Mitsangana, ry Baraka; ento ny babonao, ry zanakalahin’i Abinoama.
- 13Tamin’izany dia nidina izay olo-malaza sisa mbamin’ny vahoaka, Jehovah nidina homba ahy koa hamely* ny olo-mahery.[Na: ho isan’]
- 14Ny avy amin’i Efraima, izay miorina amin’i Amaleka, dia nomba anao teo amin’ny firenenao, ry Benjamina; Avy tany Makira no nidinan’ny mpanao lalàna, ary avy tamin’i Zebolona ireo mitana ny tehin’ny mpifehy*.[Na: mpanoratra]
- 15Ary ny andrianan’Isakara niaraka tamin’i Debora, dia Isakara sy Baraka koa; Nampandehanina nanaraka azy any an-dohasaha izy. Lehibe ny fiheverana am-po teny amin’ny sakeli-dranon’i Robena!
- 16Nahoana ianao no nitoetra teo anelanelan’ny vala, hihainoanao ny feon-tsodina any amin’ny ondry? Lehibe ny fiheverana am-po teny amin’ny sakeli-dranon’i Robena!
- 17Gileada nitoetra tany an-dafin’i Jordana; Ary nahoana Dana no nitoetra tany an-tsambo? Asera nitoetra tany amoron-dranomasina, Ary teny amin’ny fitodiany no nipetrahany.
- 18Zebolona dia firenena nanao tsinontsinona ny ainy, na dia ho faty aza, Ary Naftaly koa teo amin’ny fitoerana avo any an-tsaha.
- 19Tonga ireo mpanjaka ka niady, eny, niady tao Tanaka ireo mpanjakan’i Kanana, dia teo anilan’ny ranon’i Megido; Tsy nisy volafotsy azony ho babo.
- 20Avy tany an-danitra no nisy ady: ny kintana tamin’ny nalehany niady tamin’i Sisera.
- 21Ny ony Kisona nipaoka azy, Izany ony ela* izany, dia ny ony Kisona. Mandrosoa amin-kery ianao, ry fanahiko![Na: ony be ady]
- 22Tamin’izany dia nikatrokatroka ny kitron-tsoavaly noho ny fihazakazaka, dia ny fihazakazaky ny maheriny.
- 23Ozony Meroza, hoy Ilay Anjelin’i Jehovah, Ozony dia ozòny ny mponina ao, Satria tsy mba tonga hanampy an’i Jehovah izy, eny, tsy nanampy an’i Jehovah hamely* ny mahery.[Na: isan’]
- 24Hotahina mihoatra noho ny vehivavy anie Jaela, vadin’i Hebera Kenita; Eny, hotahina mihoatra noho ny vehivavy mitoetra an-day anie izy.
- 25Rano no nangatahin-dralehilahy, fa ronono aza no nomeny azy; Teo an-dovian’andriana no nitondrany rononomandry.
- 26Ny tànany nandray ny tsima-day, Ary ny tànany ankavanana nandray ny tantanan’ny mpiasa, dia namely an’i Sisera tamin’ny tantanana izy ka nahavoa ny lohany; Namely mafy izy, dia nahaboroaka ny fihirifany.
- 27Teo amin’ny tongo-dravehivavy no niondrehany nahalavoany niamparany, eny, teo amin’ny tongony no niondrehany nahalavoany teo amin’izay niondrehany no niamparan’ny fatiny.
- 28Tao amin’ny varavarankely no nitsirihan’ny renin’i Sisera ka niantsoantsoany mafy; Eny, niantso tao amin’ny makarakara izy hoe: Nahoana no ela izato kalesiny vao tonga? Nahoana no mitaredretra ny kodian’ny kalesiny?
- 29Izay hendry tamin’ny andriambaviny no namaly azy, eny, ny tenany aza namaly hoe:
- 30Tsy efa mahita va izy? Tsy mizara babo va izy? Dia zazavavy iray na roa ho an’ny isan-dahy, Ary lamba samy hafa volo ho babon’i Sisera, Lamba roa samy hafa soratra ho eo am-bozon’ny nahazo babo.
- 31Ho levona tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra, Jehovah ô; Fa aoka izay tia Azy kosa ho tahaka ny masoandro, raha miposaka amin’ny heriny izy. Dia nandry ny tany efa-polo taona.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.