Mpitsara
Toko 12
- 1[Ny hatezeran’ny Efraima tamin’i Jefta, sy ny niadian’i Jefta taminy] Ary nivory ny lehilahy amin’ny Efraima, dia nandeha nianavaratra* ka nanao tamin’i Jefta hoe: Nahoana no nandeha niady tamin’ny taranak’i Amona ianao ka tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay amin’ny afo ny tranonao sy ianao. [Na: nankany Zafona]
- 2Fa hoy Jefta taminy: Izaho sy ny oloko efa nanana ady mafy tamin’ny taranak’i Amona; ary niantso anareo aho, fa tsy namonjy ahy tamin’ny tànany ianareo.
- 3Ary rehefa hitako fa tsy namonjy ahy ianareo, dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nandeha niady tamin’ny taranak’i Amona, ary natolotr’i Jehovah teo an-tanako izy, koa nahoana ianareo no miakatra atỳ amiko anio hila ady amiko?
- 4Ary Jefta dia namory ny lehilahy rehetra amin’ny Gileada ka niady tamin’ny Efraima; ary dia namely ny Efraima ny lehilahy amin’ny Gileada, satria hoy ireo: Hianareo Gileadita dia mpandositra avy amin’ny Efraima ao amin’ny taranak’i Efraima sy Manase.
- 5Dia novonjen’ny Gileada ny fitàna any Jordana mankany amin’ny Efraima; ary nony niteny ny mpandositra avy amin’ny Efraima nanao hoe: Aoka mba hita aho; dia hoy ny lehilahy amin’ny Gileada taminy: Efraimita va ianao? ary raha hoy izy: Tsia,
- 6dia hoy izy ireo taminy: Tonony ary ny hoe Shiboleta; fa hoy kosa izy: Siboleta, satria tsy nahay nanonona izany marina izy. Dia nisambotra azy ireo ka namono azy teo amin’ny fitàna ao Jordana; ary nahafatesana roa arivo sy efatra alina ny Efraimita tamin’izany andro izany.
- 7Dia nitsara ny Isiraely enin-taona Jefta. Ary maty Jefta Gileadita ka nalevina tao amin’ny tanana anankiray any Gileada.
- 8[Ny tantaran’Ibzana sy Elona ary Abdona] Ary Ibzana, avy any Betlehema, no nitsara ny Isiraely nandimby an’i Jefta.
- 9Ary izy nanana zanakalahy telo-polo sy zanakavavy telo-polo, izay nampanambadiny tany ivelany, ary zazavavy telo-polo kosa no nampidiriny ho an’ny zananilahy. Ary nitsara ny Isiraely fito taona izy.
- 10Dia maty Ibzana ka nalevina tany Betlehema.
- 11Ary Elona Zebolonita no nitsara ny Isiraely nandimby azy; ary nitsara ny Isiraely folo taona izy.
- 12Dia maty Elona Zebolonita ka nalevina tany Aialona ao amin’ny tanin’ny Zebolona.
- 13Ary Abdona, zanak’i Elela, avy any Piratona, no nitsara ny Isiraely nandimby azy.
- 14Ary nanana zanakalahy efa-polo sy zafy telo-polo izay nitaingina zana-boriky fito-polo izy, ary nitsara ny Isiraely valo taona.
- 15Dia maty Abdona, zanak’i Elela, avy any Piratona, ka nalevina tany Piratona, any amin’ny tanin’ny Efraima any amin’ny tany havoan’ny Amalekita.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.