Mpitsara
Toko 3
- 1Ary ny firenena navelan’i Jehovah ho entiny mizaha toetra ny Isiraely dia izay rehetra tsy mba nahita ny ady rehetra tany Kanana,
- 2mba ho fantatry ny taranaky ny Zanak’Isiraely izany amin’ny hampianarany azy hiady, indrindra fa izay tsy mbola nahalala izany akory teo aloha;
- 3dia ireo andriana dimy tamin’ny Filistina sy ny Kananita rehetra sy ny Sidoniana ary ny Hivita, izay nonina tany an-tendrombohitra Libanona, hatrao akaikin’i Bala-hermona ka hatramin’ny lalana mankany Hamata.
- 4Ary nentina hizaha toetra ny Isiraely ireo mba hahalalana na hihaino ny didin’i Jehovah, izay nasainy nandidian’i Mosesy ny razany, izy, na tsia.
- 5Ary ny Zanak’Isiraely nonina teo amin’ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.
- 6Ary naka ny zanakavavin’ireny ho vadiny izy sady nanome ny zananivavy ho vadin’ny zanakalahin’ireny ka nanompo ny andriamaniny.
- 7[Ny ratsy nataon’ny Isiraely, sy ny nanirahan’Andriamanitra mpitsara hamonjy azy. Ny tantaran’i Otniela sy Ehoda ary Samgara] Ary nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah ny Zanak’Isiraely ka nanadino an’i Jehovah Andriamaniny ary nanompo ireo Bala sy Aseraha*.[Anaran’andriamani-tsi-izy, na ny sariny]
- 8Dia nirehitra tamin’ny Isiraely ny fahatezeran’i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan’i Kosan-risataima, mpanjakan’i Mesopotamia*, Izy; dia nanompo an’i Kosan-risataima valo taona ny Zanak’Isiraely.[Arama-naharaima]
- 9Dia nitaraina tamin’i Jehovah ny Zanak’Isiraely, ary Jehovah nanangana mpamonjy ho an’ny Zanak’Isiraely, izay namonjy azy, dia Otniela, zanakalahin’i Kenaza, zandrin’i Kaleba.
- 10Ary ny Fanahin’i Jehovah no tao aminy, dia nitsara ny Isiraely izy sady nivoaka hiady; ary Kosan-risataima, mpanjakan’i Mesopotamia, dia natolotr’i Jehovah teo an-tànany; ary nahery ny tànany ka namely an’i Kosan-risataima.
- 11Dia nandry ny tany efa-polo taona. Ary maty Otniela, zanak’i Kenaza.
- 12Fa nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah indray ny zanak’Isiraely ary i Jehovah nampahery an’i Eglona, mpanjakan’i Moaba, hiady amin’ny Isiraely, satria nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah izy.
- 13Dia nampiangona ny taranak’i Amona sy Amaleka ho any aminy izy, ary nandeha izy ireo ka namely ny Isiraely, dia nahafaka ny tanàna be rofia*.[Palma]
- 14Dia nanompo an’i Eglona, mpanjakan’i Moaba, valo ambin’ny folo taona ny Zanak’Isiraely.
- 15Ary nitaraina tamin’i Jehovah izy, dia nanangana mpamonjy ho azy Jehovah, dia Ehoda, zanak’i Gera, avy amin’ny taranak’i Benjamina, lehilahy kavia; dia nampitondra azy fanomezana ho an’i Eglona, mpanjakan’i Moaba, ny Zanak’Isiraely.
- 16Ary nanao sabatra roa lela Ehoda, hakiho ny halavany; dia nataony tao amin’ny fehin-kibony ambanin’ny akanjo fiadiany izany, teny am-balahany ankavanana.
- 17Dia nitondra ny fanomezana ho an’i Eglona, mpanjakan’i Moaba, izy; ary lehilahy matavibe Eglona.
- 18Ary rehefa vitany ny nanolorana ny fanomezana, dia nampodiny ny olona izay nitondra izany.
- 19Fa nony tonga teo amin’ny fihadiam-bato* izay any Gilgala kosa izy, dia niverina ka nanao hoe: Misy teny holazaiko mangingina aminao, ry mpanjaka รด. Dia hoy kosa izy: Mialà kely ianareo, rizareo. Ary izay rehetra nitsangana teo anoloany dia niala teo aminy.[Na: sarin-javatra voasokitra]
- 20Ary Ehoda nanatona azy, raha nipetraka irery tao an-tilikambony fihatsiatsiahana izy. Dia hoy Ehoda: Misy teny avy amin’Andriamanitra holazaiko aminao. Dia nitsangana niala tamin’ny seza fiandrianana Eglona.
- 21Ary naninjitra ny tànany ankavia Ehoda ka nandray ny sabatra teny am-balahany ankavanana, dia natsatony tamin’ny kibon’i Eglona izany;
- 22ary difotra mbamin’ny zarany, ka voasaron’ny taviny ny lelan-tsabatra, ka dia tsy nanatsoaka ny sabatra tamin’ny kibony izy; ary niboroaka teo amin’ny vodiny izany.
- 23Dia nivoaka teo amin’ny lavarangana Ehoda ka nandrindrina ny varavaran’ny trano ka nanidy azy tao.
- 24Ary rehefa nivoaka izy, dia tonga teo kosa ny mpanompon’i Eglona; ary raha hitany fa, indro, voahidy ny varavaran’ny tilikambo, dia hoy izy: Miavela ato an-tilikambo fihatsiahana izy aloha.
- 25Dia niandry mandra-pahaveri-heviny izy ireo, kanjo tsy namoha ny varavaran’ny trano izy; ka dia naka ny fanalahidy izy ireo ka namoha azy; ary, indro, maty niampatra tamin’ny rihana ny tompony
- 26Fa Ehoda efa nandositra, raha mbola nitaredretra izy ireo, ka efa nihoatra ny fihadiam-bato, dia nandositra ho any Seirata.
- 27Ary rehefa tonga teo izy, dia nitsoka ny anjomara tany amin’ny tany havoan’i Efraima, dia nidina nanaraka azy avy tany amin’ny tany havoana ny Zanak’Isiraely, ary izy no nitarika azy.
- 28Ary hoy izy taminy: Manaraha ahy, fa efa natolotr’i Jehovah eo an-tananareo ny Moabita fahavalonareo. Dia nidina nanaraka azy ny olona, ka azony ny fitàna any Jordana hankany Moaba, ary tsy nisy navelany hita na dia iray akory aza.
- 29Dia namono ny Moabita tokony ho iray alin-dahy tamin’izany andro izany izy, samy olona vaventy sady mahery izy rehetra; ary tsy nisy afaka nandositra na dia iray akory aza.
- 30Dia resin’ny tanan’ny Isiraely ny Moabita tamin’izany andro izany. Ary nandry valo-polo taona ny tany.
- 31Ary nanarakaraka azy Samgara, zanak’i Anata, izay namely ny Filistina enin-jato lahy tamin’ny fanindronan-omby; dia namonjy ny Isiraely koa izy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.