Mpitsara
Toko 8
- 1Ary hoy ny lehilahy amin’ny Efraima tamin’i Gideona: Ahoana izao zavatra nataonao taminay izao, no tsy nantsoinao izahay, raha nandeha hiady tamin’ny Midiana ianao? Dia nanome tsiny azy mafy ireo.
- 2Fa hoy Gideona taminy: Zinona izao nataoko izao. raha oharina amin’izay nataonareo? Tsy tsara va ny fitsimponam-boalobok’i Efraima noho ny fiotazam-boalobok’i Abiezera?
- 3Teo an-tananareo no nanoloran’Andriamanitra ny andrianan’ny Midiana, dia Oreba sy Zeba; ary inona no azoko atao, raha oharina amin’ny nataonareo? Ary rehefa nilaza izany teny izany Gideona, dia nitony ny fahatezeran’ireo taminy.
- 4Ary Gideona nankany Jordana, ka nita izy sy ny telon-jato lahy teo aminy, na dia efa reraka aza, mbola nanenjika ihany.
- 5Ary hoy izy tamin’ny mponina tao Sokota: Masìna ianareo, mba omeo mofo ny olona manaraka ahy, fa reraka izy, ary izaho manenjika an’i Zebaha sy Zalmona, mpanjakan’ny Midiana.
- 6Fa hoy ireo andrianan’i Sokota: Moa efa voahazon’ny tananao ankehitriny va ny tànan’i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny miaramilamao?
- 7Dia hoy Gideona: Rehefa voatolotr’i Jehovah eo an-tanako Zehaba sy Zalmona, dia handalasiko amin’ny tsilo avy any an-efitra sy ny sampivato ny tenanareo*.[Heb. nofonareo]
- 8Ary niakatra avy teo izy ka nankany Penoela, dia nanao teny tahaka izany koa tamin’ny olona tao; ary ny mponina tao Penoela koa dia namaly azy tahaka ny navalin’ny mponina tao Sokota ihany.
- 9Dia niteny tamin’ny mponina tao Penoela izy ka nanao hoe: Raha tafaverina soa aman-tsara aho, dia horavako ity tilikambo ity.
- 10Ary Zebaha sy Zalmona dia tonga tao Karkora mbamin’ny miaramila teo aminy tokony ho dimy arivo sy iray alin-dahy, dia izay sisa rehetra tamin’ny miaramila rehetra an’ny zanaky ny atsinanana; ary ny maty kosa dia roa alina sy iray hetsy, samy lehilahy mpitan-tsabatra* avokoa ireo.[Heb. mpanatsoaka sabatra]
- 11Ary Gideona niakatra tamin’ny lalan’ny mpitoetra an-day, atsinanan’i Noha sy Jogbeha, ka dia namely ny toby, raha mbola ilay tsy nanampo iny ny olona.
- 12Dia nandositra Zebaha sy Zalmona, ary nanenjika azy ny Isiraely ka nisambotra ny mpanjaka roa tamin’ny Midiana, dia Zebaha sy Zalmona, fa efa nampihorohoroiny avokoa ny toby rehetra.
- 13Dia niverina avy tamin’ny ady Gideona, zanak’i Joasy, avy teo amin’ny fiakarana Heresa;
- 14ary nisambotra zatovo tamin’ny mponina tao Sokota izy ka nanontany azy; dia nosoratan’ilay zatovo ny anaran’ireo andrianan’i Sokota sy ny loholona tao, ka fito amby fito-polo lahy izy.
- 15Ary Gideona dia nankany amin’ny mponina tao Sokota ka nanao hoe: Indreo Zebaha sy Zalmona, izay efa nandatsanareo ahy hoe: Moa efa voahazon’ny tananao ankehitriny va ny tànan’i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny olonao efa reraka?
- 16Dia naka ny loholona tao an-tanàna izy ary tsilo avy tany an-efitra sy sampivato, ka ireny no namaizany ny mponina tao Sokota.
- 17Ary nandrava ny tilikambo tao Penoela koa izy ka namono ny lehilahy tao an-tanàna.
- 18Dia hoy izy tamin’i Zebaha sy Zalmona: Lehilahy toy inona ange izay novonoinareo tany Tabara? Ary hoy izy roa lahy: Tahaka anao ihany izy. Nitarehin-janak’andriana avokoa izy rehetra.
- 19Ary hoy izy: Rahalahiko, zanaky ny reniko ireo. Raha velona koa Jehovah, dia tsy mba hovonoiko ianareo, raha novelominareo ireo.
- 20Ary hoy izy tamin’i Jatera lahimatoany: Mitsangàna, ka vonoy izy roa lahy. Fa ilay zatovo tsy nanatsoaka ny sabany, fa natahotra, satria mbola tanora fanahy izy.
- 21Ary hoy Zebaha sy Zalmona: Aoka ianao no hitsangana hamely anay; fa araka ny toetry ny olona ihany ny heriny. Dia nitsangana Gideona ka namono an’i Zebaha sy Zalmona ary naka ny ravaka sarim-bolan-tsinana, izay teo amin’ny vozon’ny ramevany.
- 22Dia hoy ny lehilahy amin’ny Isiraely tamin’i Gideona: Manapaha anay ianao sy ny zanakao ary ny zafinao; fa efa namonjy anay tamin’ny tanan’ny Midiana ianao.
- 23Fa hoy Gideona taminy: Tsy hanapaka anareo aho, ary tsy hanapaka anareo koa ny zanako; Jehovah ihany no hanapaka anareo.
- 24Ary hoy koa Gideona taminy: Zavatra iray loha monja no hany mba angatahiko aminareo; aoka samy hanome ahy ny kavina izay avy amin’ny babony avy ianareo (fa nanana kavim-bolamena ireny, satria Isimaelita).
- 25Dia hoy kosa ny olona: Eny, fa homenay tokoa izany. Dia namelatra lamba ny olona, ka samy nanipy ny kavina izay avy tamin’ny babony teo.
- 26Ary ny lanjan’ny kavim-bolamena nangatahiny dia sekely volamena fiton-jato amby arivo, afa-tsy ny ravaka sarim-bolan-tsinana sy ny kavina voavola sy ny lamba volomparasy, izay teny amin’ireo mpanjakan’ny Midiana, ary ny rojo, izay teny amin’ny vozon’ny ramevany.
- 27Dia nataon’i Gideona efoda ireo, ka nataony tao an-tanànany, dia tao Ofra; ary ny Isiraely rehetra nankany nijangajanga nanaraka izany efoda izany; ary tonga fandrika tamin’i Gideona sy ny ankohonany izany.
- 28Dia resy teo anoloan’ny Zanak’Isiraely ny Midiana ka tsy nahatraka ny lohany intsony. Dia nandry efa-polo taona ny tany tamin’ny andron’i Gideona.
- 29Dia nandeha Jerobala, zanak’i Joasy, ka nitoetra tao an-tranony.
- 30Ary Gideona nanan-janaka fito-polo lahy izay naterany: fa maro vady izy.
- 31Ary ny vaditsindranony, izay tany Sekema, dia niteraka zazalahy taminy koa, ka ny anarany nataony hoe Abimeleka.
- 32Dia maty Gideona. zanak’i Joasy, rehefa tratrantitra tsara, ka nalevina tao amin’ny fasan’i Joasy rainy tao Ofran’ny Abiezrita izy.
- 33Ary rehefa maty Gideona, dia nijangajanga nanaraka ireo Bala indray ny Zanak’Isiraely ka nanao an’i Bala-berita ho andriamaniny.
- 34Ary ny Zanak’Isiraely tsy nahatsiaro an’i Jehovah Andriamaniny, Izay efa namonjy azy tamin’ny tanan’ny fahavalony rehetra nanodidina,
- 35sady tsy nanao soa tamin’ny taranak’i Jerobala (na Gideona), araka izay soa rehetra nataon’i Gideona tamin’ny Isiraely, izy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.