Rota
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
Toko 1
- 1[Ny nanjo an’i Naomy, sy ny niarahan’i Rota taminy, rehefa niverina ho any Betlehema izy] Ary tamin’ny andro nitsaran’ny mpitsara dia nisy mosary teo amin’ny tany. Ary nisy lehilahy avy any Betlehema-joda nandeha nivahiny tany amin’ny tany Moaba, dia izy sy ny vadiny mbamin’ny zanany roa lahy;
- 2Elimeleka no anaran-dralehilahy, ary Naomy no anaran’ny vadiny, ary ny anaran’ny zanany roa lahy dia Malona sy Kiliona, Efratita avy any Betlehema-joda izy ireo. Dia tonga tany amin’ny tany Moaba izy ka nitoetra tany.
- 3Ary maty Elimeleka, vadin’i Naomy ka izy sy ny zanany roa lahy ihany no sisa.
- 4Ary naka vady tamin’ny vehivavy Moabita izy roa lahy: Orpa no anaran’ny anankiray, ary Rota no anaran’ny anankiray; dia nitoetra tany Moaba tokony ho folo taona izy.
- 5Ary maty koa izy mirahalahy, dia Malona sy Kiliona, ka dia namoy ny zanany roa lahy sy ny vadiny ravehivavy.
- 6Dia niainga izy sy ny vinantoni-vavy ka nody avy tany amin’ny tany Moaba; fa efa reny tany amin’ny tany Moaba fa novangian’i Jehovah ny olony ka nomeny hanina.
- 7Dia niala tamin’izay nitoerany izy, ary ny vinantony roa vavy niaraka taminy; ary nandeha teny an-dalana izy hiverina any amin’ny tanin’ny Joda.
- 8Ary hoy Naomy tamin’ny vinantony roa vavy: Andeha, samy mody any amin’ny tranon-dreninareo avy ianareo; mba hohasoavin’i Jehovah anie ianareo araka izay efa nataonareo tamin’ny maty sy tamiko koa.
- 9Homen’i Jehovah tokan-trano anie ianareo ka hahita fiadanana amin’izay tranon’ny vadinareo avy. Dia nanoroka azy Naomy; ary izy roa vavy dia samy nanandratra ny feony ka nitomany.
- 10Dia hoy izy roa vavy taminy: Hiara-miverina aminao tokoa izahay ho any amin’ny firenenao.
- 11Fa hoy Naomy: Miverena ihany ianareo, anaka; nahoana no hiara-mandeha amiko ianareo? Mbola misy zazalahy va ato an-kiboko mba ho vadinareo?
- 12Miverena ihany ianareo, anaka, ka mandehana; fa efa antitra aho ka tsy hahazo vady intsony tsy akory. Raha hoy izaho: Manantena ihany aho, eny, na dia hanam-bady anio alina aza aho ka hiteraka zazalahy,
- 13moa hahandry azy mandra-pahalehibeny va ianareo ka hijanona tsy hanam-bady? Tsia, anaka, fa mangidy lavitra ny nanjo ahy noho ny nanjo anareo; fa ny tànan’i Jehovah efa nahinjiny hamely ahy.
- 14Dia samy nanandratra ny feony indray izy roa vavy ka nitomany; ary Orpa dia nanoroka ny rafozani-vavy, fa Rota kosa nifikitra taminy ihany.
- 15Ary hoy izy: Indro ny rahavavinao lasa nody ho any amin’ny fireneny sy ny andriamaniny ka mba miverena ianao koa hanaraka ny rahavavinao.
- 16Fa hoy Rota: Aza manery ahy handao anao sy hiala amin’ny fanarahana anao; fa izay alehanao no halehako ary izay itoeranao no hitoerako, ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro;
- 17izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy; hataon’i Jehovah amiko anie izany, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka antsika.
- 18Ary rehefa hitany fa mbola mikikitra homba azy ihany Rota, dia nitsahatra tsy niteny taminy intsony izy.
- 19Dia nandeha izy mianaka mandra-pahatongany tany Betlehema. Ary rehefa tonga tany Betlehema izy, dia taitra taminy ny tanàna rehetra, ka hoy ny vehivavy hoe: Naomy va re ity?
- 20Fa hoy izy taminy: Aza atao hoe Naomy* intsony aho, fa ataovy hoe Mara*, satria mangidy indrindra ny nataon’ny Tsitoha amiko. [Naomy = Mahafinaritra][Mara = Mangidy]
- 21Nivoaka nanam-be aho, fa ampodin’i Jehovah tsy manana na inona na inona. Nahoana aho no ataonareo hoe Naomy, fa Jehovah efa nitsangan-ko fahavaloko, ary ny Tsitoha efa nampahory ahy?
- 22Dia niverina Naomy, ary Rota, vehivavy Moabita, vinantoni-vavy. nomba azy tamin’izy niverina avy tany amin’ny tany Moaba; dia tonga tao Betlehema izy tamin’ny niandohan’ny taom-pijinjana ny vary hordea.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.