Rota
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
Toko 4
- 1[Ny nampakaran’i Boaza an’i Rota, sy ny nahaterahan’i Obeda, ary ny filazam-pirazanana hatramin’i Fareza ka hatramin’i Davida] Ary rehefa tafakatra teo am-bavahady Boaza ka nipetraka teo, dia, indro, nandalo ilay havana mahavotra voalazany, dia hoy Boaza: Ranona iry รด! maitia kely ange; mipetraha eto. Dia nanatona izy ka nipetraka.
- 2Dia naka folo lahy tamin’ny loholona tao an-tanàna Boaza ka nanao hoe: Mipetraha eto ianareo. Dia nipetraka ireo.
- 3Dia niteny tamin’Ilay havana akaiky izy ka nanao hoe: Naomy, izay niverina avy tany amin’ny tany Moaba, dia mivarotra ny tany izay an’i Elimeleka rahalahintsika.
- 4Ary izaho nikasa hampandre anao hoe: Vidio eto anatrehan’izay mipetraka eto sy eto anatrehan’ny loholona amin’ny fireneko izany. Raha hanavotra ianao, dia avoty; fa raha tàhiny tsy hanavotra ianao, dia lazao amiko mba ho fantatro; fa tsy misy tokony hanavotra afa-tsy ianao, ary izaho no manarakaraka anao. Ary hoy izy: Hanavotra ihany aho.
- 5Dia hoy Boaza: Amin’izay andro ividiananao ny tany amin’ny tànan’i Naomy, dia amin’i Rota koa, vehivavy Moabita, vadin’ny maty, no hividiananao azy, mba hamelo-maso ny anaran’ny maty ao amin’ny lovany ianao.
- 6Fa hoy ilay havana mahavotra: Tsia, tsy mahazo manavotra ho an’ny tenako aho, fandrao mahasimba ny lovako; avoty ihany ho anao ny ahy, fa tsy mahavotra aho.
- 7Ary ny amin’ny fanavotana sy ny fanakalozana teo amin’ny Isiraely fahiny hahamafy ny teny rehetra dia izao: nesorin’ny lehilahy ny kirarony ka nomeny ho an’ny namany; dia vavolombelona teo amin’ny Isiraely izany.
- 8Ary hoy ilay havana mahavotra tamin’i Boaza: Vidio ho anao izany. Dia nanaisotra ny kirarony izy.
- 9Ary hoy Boaza tamin’ny loholona sy ny vahoaka rehetra: Hianareo no vavolombelona androany fa efa novidiko tamin’ny tànan’i Naomy izay rehetra an’i Elimeleka sy izay rehetra an’i Kiliona sy Malona.
- 10Ary Rota koa, vehivavy Moabita, vadin’i Malona, dia lasako ho vadiko hamelo-maso ny anaran’ny maty ao amin’ny lovany, mba tsy ho faty maso ny anaran’ny maty eo amin’ny rahalahiny sy eo amin’ny vavahadin’ny fonenany; ianareo no vavolombelona androany.
- 11Dia hoy ny vahoaka rehetra izay teo amin’ny vavahady sy ny loholona: Eny, vavolombelona izahay; hataon’i Jehovah tahaka an’i Rahely sy tahaka an’i Lea anie izay vehivavy efa ho tonga ao an-tranonao; fa izy roa vavy no nanangana ny tranon’ny Isiraely; ary aoka ho lehibe any Efrata anie ianao, ary halaza any Betlehema anie ny anaranao;
- 12ary ho tahaka ny taranak’i Fareza, izay naterak’i Tamara tamin’i Joda, anie ny taranakao avy amin’ny zanaka izay homen’i Jehovah anao amin’ity vehivavy ity.
- 13Ary Boaza dia nampakatra an’i Rota ka nanambady azy; ary Jehovah nampanan’anaka azy, ka niteraka zazalahy izy.
- 14Ary hoy ireo vehivavy tamin’i Naomy: Isaorana anie Jehovah, Izay tsy namela anao androany tsy hanan-kavana mahavotra, ary aoka halaza ny anarany eo amin’ny Isiraely.
- 15Dia hamelona ny ainao sy hitaiza anao izy, rehefa antitra ianao; fa niteraka azy ny vinantonaovavy, izay tia anao, ilay tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka fito lahy.
- 16Dia nandray ny zaza Naomy ka nitrotro azy, dia tonga mpitaiza azy.
- 17Ary ny vehivavy namany nifidy ny anarany ka nanao hoe: Misy zazalahy teraka ho an’i Naomy; ary ny anarany nataony hoe Obeda; izy no rain’i Jese, rain’i Davida.
- 18Ary izao no taranak’i Fareza: Fareza niteraka an’i Hezrona;
- 19ary Hezrona niteraka an’i Rama; ary Rama niteraka an’i Aminadaba;
- 20ary Aminadaba niteraka an’i Nasona; ary Nasona niteraka an’i Salmona;
- 21ary Salmona niteraka an’i Boaza; ary Boaza niteraka an’i Obeda;
- 22ary Obeda niteraka an’i Jese; ary Jese niteraka an’i Davida.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.