Hebreo
Toko 13
- 1[Anatra sy fanaovam-beloma] Aoka haharitra ny fitiavana ny rahalahy.
- 2Aza manadino ny fampiantranoam-bahiny; fa tamin’izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany.
- 3Tsarovy izay mifatotra, ho toy ny miara-mifatotra aminy ianareo, ary izay ampahorina, satria mbola eo amin’ny tena koa ianareo.
- 4Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra.
- 5Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianina amin’izay anananareo; fa hoy Izy: "Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory" (Jos. 1.5).
- 6Ka dia sahy manao hoe isika: "Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho; Inona no azon’ny olona atao amiko?" (Sal 118. 6).
- 7Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo; hevero ny niafaran’ny fiainany, ka araho ny finoany.
- 8Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.
- 9Aza mety havilin’izay fampianarana maro hafahafa ianareo. Fa tsara raha ampiorenina amin’ny fahasoavana ny fo, fa tsy amin’ny hanina, izay tsy mahasoa ny mahavatra azy.
- 10Isika manana alitara, izay tsy ananan’ny mpanompo ny tabernakely fahefana hihinanana.
- 11Fa rehefa nentin’ny mpisoronabe niditra ho ao amin’ny fitoerana masina ho fanatitra noho ny ota ny ran’ny biby, dia nodorana teny ivelan’ny toby ny fatiny.
- 12Ary amin’izany Jesosy koa dia niaritra teny ivelan’ny vavahady mba hahamasina ny olona amin’ny ràny.
- 13Koa aoka isika hivoaka hankeo aminy eo ivelan’ny toby, mitondra ny latsa izay nentiny.
- 14Fa etỳ isika tsy manana tanàna maharitra, fa mitady ny ho avy.
- 15Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin’ny alalany ho an’Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany.
- 16Fa aza manadino hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak’Andriamanitra.
- 17ManekÈ ny mpitondra anareo, ka manoava azy; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon’ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin’ny fifaliana, ta tsy amin’ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany.
- 18Mivavaha ho anay; fa matoky izahay fa manana fieritreretana tsara ka te-hitondra tena tsara amin’ny zavatra rehetra.
- 19Nefa mainka mangataka anareo hanao izany aho, mba hampodina faingampaingana kokoa ho aminareo.
- 20Ary Andriamanitry ny fiadanana, Izay nitondra an’i Jesosy Tompontsika, Mpiandry ondry lehibe, hiala amin’ny maty, mitondra ny ran’ny fanekena mandrakizay*, [* Na: Mpiandry ondry lehibe amin’ny ran’ny fanekena mandrakizay hiala amin’ny maty]
- 21Izy anie hahatanteraka anareo amin’ny tsara* rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo** izay ankasitrahana eo imasony amin’ny alalan’i Jesosy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. [* Na: asa tsara] [**Na: (anatintsika)]
- 22Ary mangataka aminareo aho, ry rahalahy, zakao ny teny fananarana; fa efa nanoratra epistily fohifohy ihany ho aminareo aho.
- 23Aoka ho fantatrareo fa efa afaka Timoty rahalahintsika; koa raha tàhiny handeha faingana izy, dia hiaraka aminy hamangy anareo aho.
- 24Manaova veloma amin’izay rehetra mpitondra anareo sy ny olona masina rehetra. Izay an’Italia dia manao veloma anareo.
- 25Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana. Amena.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.