Hebreo
Toko 8
- 1[Fampitahana ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny tabernakely araka ny lalàn’i Mosesy sy ny any an-danitra] Ary amin’izany zavatra lazainay izany dia izao no fotony: Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny seza fiandrianan’ny Avo Indrindra any an-danitra,
- 2Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina sy ny tena tabernakely, izay naorin’ny Tompo, fa tsy olona.
- 3Fa ny mpisoronabe rehetra dia tendrena hanatitra fanomezana sy fanatitra; ary amin’izany dia tsy maintsy mba manan-katerina koa Izy.
- 4Koa raha etỳ ambonin’ny tany dia tsy mba ho mpisorona akory Izy, satria misy rahateo ireo manatitra ny fanomezana araka ny lalàna,
- 5dia ireo manao fanompoam-pivavahana amin’izay endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra, tahaka ny natoron’Andriamanitra an’i Mosesy, rehefa hanao ny tabernakely izy; fa hoy Izy: "Tandremo mba hataonao araka ny endrika izay naseho taminao tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra" (Eks. 25.40).
- 6Fa ankehitriny efa mahazo fanompoam-pivavahana tsara noho ny an’ireny Izy, dia araka ny nanaovana Azy ho Mpanalalana amin’ny fanekena tsara lavitra, izay natao tamin’ny teny fikasana tsara lavitra.
- 7Fa raha tsy nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany, dia tsy mba nisy fitoerana hotadiavina ho an’ny faharoa.
- 8Fa manome tsiny ny olona Izy manao hoe: "Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin’ny taranak’isiraely sy ny taranak’i Joda,
- 9Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin’ny razany Tamin’ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta; Fa izy ireny tsy nitoetra tamin’ny fanekeko, Ary Izaho kosa dia tsy nitandrina azy, hoy Jehovah.
- 10Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko;
- 11Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy izy, Na hanao hoe: Mahalalà an’i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra Hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra;
- 12Fa hamindra fo amin’ny tsi-fahamarinany Aho, Ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany" (Jer. 31. 31-34).
- 13Amin’ny anaovany hoe "vaovao" dia nataony fa efa ela ny voalohany. Fa izay tratra ela sy mihantitra dia efa madiva ho levona.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.