Hebreo
Toko 1
- 1[Fampitahana an’i Kristy sy ny anjely] Rehefa nampitenenin’Andriamanitra tamin’ny razana fahiny ny mpaminany tamin’ny andro samy hafa sy ny fanao samy hafa;
- 2dia amin’izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao,
- 3Izy koa no famirapiratan’ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny; ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin’ny tanana ankavanan’ny Lehibe any amin’ny avo
- 4ka natao tsara noho ny anjely, araka ny nandovany anarana tsara noho ireny.
- 5Fa anjely iza no mba nilazany hoe: "Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany"? (Sal.2.7). Ary koa: "Izaho ho Rainy, Ary Izy ho Zanako"? (2 Sam. 7.14.)
- 6Ary raha mitondra ny Lahimatoa ho amin’izao fiainana izao indray, dia hoy Izy: "Ary aoka ny anjelin’Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anoloany" (Sal. 97.7).
- 7Ary ny anjely dia ilazany hoe: "Izy manao ny anjeliny ho rivotra, Ary ny mpanompony ho lelafo" (Sal.104. 4).
- 8Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: "Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; Ary ny tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao;
- 9Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; Koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana Anao Mihoatra noho ny namanao" (Sal. 45.6, 7).
- 10Ary izao koa: "Hianao, Jehovah ô, tany aloha no nanorenanao ny tany, Ary asan’ny tananao ny lanitra;
- 11Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Ary izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana,
- 12Ary toy ny lamba no hamalonanao azy, Dia toy ny fitafiana, ka hovana izy; Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra" (Sal 102.25-27).
- 13Fa anjely iza no mba nilazany hoe: "Mipetraha eo an-tanako ankavanana, Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao"? (Sal. 110. 1.)
- 14Tsy fanahy manompo* va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an’izay handova famonjena? [*Na: manao fanompoam-pivavahana]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.