Hebreo
Toko 3
- 1[Fampitahana an’i Kristy sy Mosesy] Koa amin’izany, ry rahalahy masina, mpiombona ny fiantsoana avy any an-danitra, hevero ny Apostoly sy Mpisoronabe Izay ekentsika, dia Jesosy,
- 2Izay mahatoky ny nanendry Ary, tahaka an’i Mosesy koa tao amin’ny tranon’Andriamanitra rehetra*. [Izahao Nom. 12. 7]
- 3Fa Izy dia natao miendrika hanam-boninahitra noho Mosesy, araka ny ananan’ny mpanao trano voninahitra bebe kokoa noho ny trano nataony.
- 4Fa ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy; fa Izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra.
- 5Ary Mosesy dia mpanompo nahatoky tao amin’ny tranon’Andriamanitra rehetra, ho fanambarana izay zavatra mbola holazaina;
- 6fa Kristy kosa dia Zanaka manapaka ny tranon’Andriamanitra; ary isika no tranony, raha hazonintsika mafy hatramin’ny farany ny fahasahiana sy ny firavoravoana momba ny fanantenana.
- 7Koa araka izay lazain’ny Fanahy Masina hoe: "Anio, raha hihaino ny feony ianareo,
- 8Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin’ny fahasosorana, tamin’ny andro fakam-panahy tany an-efitra,
- 9Izay nakan’ny razanareo fanahy Ahy tamin’ny nizahany toetra Ahy, Ary nahita ny asako efa-polo taona izy.
- 10Koa tezitra tamin’izany taranaka izany Aho Ka nanao hoe: Ireo dia maniasia amin’ny fony mandrakariva Ka tsy nahalala ny lalako;
- 11Ary araka izany no nianianako tamin’ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin’ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95.7-11).
- 12Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin’Andriamanitra velona;
- 13fa mifananara isan’andro, raha mbola atao hoe "Anio"; fandrao hisy aminareo ho tonga mafy fo noho ny famitahan’ny ota.
- 14Fa efa tonga mpiombona amin’i Kristy isika, raha mihazona mafy ny fiandohan’ny fahatokiantsika hatramin’ny farany;
- 15raha atao hoe: "Anio, raha hihaino ny feony ianareo, Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin’ny fahasosorana." (Sal. 95 7, 8).
- 16Fa iza moa no nahatezitra Azy, rehefa nandre? Tsy izay rehetra nentin’i Mosesy niala tany Egypta va?
- 17Ary iza no nahatezitra Azy efa-polo taona? Tsy izay nanota va, ka dia niampatrampatra tany an-efitra ny fatiny?
- 18Ary iza no nianianany fa tsy hiditra any amin’ny fitsaharany, afa-tsy izay tsy nanaiky?
- 19Ka dia hitantsika fa tsy nahazo niditra izy ireo noho ny tsi-finoany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.