Hebreo
Toko 5
- 1Fa ny mpisoronabe rehetra dia alaina amin’ny olona ka tendrena ho solon’ny olona hanao ny raharahan’Andriamanitra, hanatitra fanomezana sy fanatitra hanafaka ota,
- 2dia olona izay mahay mitondra mora ny tsy mahalala sy ny mania, satria ny tenany koa dia mba hodidinin’ny fahalemena ihany;
- 3ary noho izany dia tsy maintsy hanao fanatitra hanafaka ota ho an’ny tenany koa izy, toy ny ataony ho an’ny olona ihany.
- 4Ary tsy misy maka izany voninahitra izany ho an’ny tenany afa-tsy izay antsoin’Andriamanitra, tahaka an’i Arona.
- 5Dia toy izany koa Kristy: tsy Izy no nanandratra ny tenany ho Mpisoronabe, fa Ilay nanao taminy hoe: "Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany" (Sal.2.7);
- 6ary toy ny lazainy eo amin’ny teny hafa koa hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon’i Melkizedeka" (Sal.110.4).
- 7Tamin’ny andron’ny nofony, raha nanao* fivavahana sy fangatahana nomban’ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin’izay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana Izy, sady voahaino noho ny fahatahorany an’Andriamanitra**, [* Gr. nanatitra] [** Na: voahaino ka afaka tamin’ny fahatahorany]
- 8dia nianatra fanarahana tamin’izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza;
- 9ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon’ny famonjena mandrakizay ho an’izay rehetra manaraka Azy,
- 10fa notononin’Andriamanitra hoe Mpisoronabe "araka ny fanaon’i Melkizedeka."
- 11[Anatra sy famporisihana hampandroso tsara ny olona] Ny amin’izany dia manana teny maro izahay sady sarotra ambara, satria lalodalovana ny sofinareo.
- 12Fa na dia tokony ho efa mpampianatra aza ianareo noho ny fahelan’ny andro, dia mbola mila izay hampianatra anareo ny abidim-pianaran’ny tenin’Andriamanitra indray; ary efa toy izay tokony homen-dronono ianareo, fa tsy ventin-kanina.
- 13Fa izay rehetra mivelona amin’ny ronono dia tsy zatra amin’ny tenin’ny fahamarinana, satria mbola zaza-bodo.
- 14Fa ho an’izay efa lehibe* ny ventin-kanina, dia ho an’izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy. [* Na: tanteraka]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.