Hebreo
Toko 9
- 1Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia nisy fitsipika ny amin’ny fanompoam-pivavahana, ary nisy ny fitoerany masina momba ny etỳ an-tany.
- 2Fa nisy tabernakely voavoatra: ny efitra voalohany, ilay atao hoe "ny fitoerana masina", izay nisy ny fanaovan-jiro sy ny latabatra ary ny mofo aseho.
- 3Ary ao anatin’ny efitra lamba faharoa no nisy ny tabernakely izay atao hoe "ny fitoerana masina indrindra,"
- 4izay nisy lovia* volamena fandoroana ditin-kazo manitra sy ny fiaran’ny fanekena, izay voapetaka takela-bolamena avokoa; ary tao anatin’io nisy ny vilany volamena, izay nitoeran’ny mana, sy ny tehin’i Arona izay nitsimoka, ary ny vato fisaky ny fanekena; [* Na: alitara]
- 5ary teo ambonin’io koa ny kerobima nisy ny voninahitra, izay nanaloka ny rakotra fanaovam-panavotana,- tsy azonay lazaina tsirairay ireo ankehitriny.
- 6Ary rehefa voavoatra toy izany ireo zavatra ireo, dia miditra mandrakariva eo amin’ny tabernakely voalohany ny mpisorona hanefa ny fanompoam-pivavahana.
- 7Fa ny faharoa kosa no idiran’ny mpisoronabe irery ihany indray mandeha isan-taona; ary izy aza dia tsy miditra, raha tsy mitondra rà, izay ateriny noho ny amin’ny tenany sy ny fahadisoana nataon’ny olona amin’ny tsi-fahalalana;
- 8koa izany no anambaran’ny Fanahy Masina fa tsy mbola voaseho ny lalana mankany amin’ny fitoerana masina indrindra, raha mbola ao ihany ny tabernakely voalohany;
- 9fanoharana izany amin’izao andro ankehitriny izao, ary araka izany no anaterana fanomezana sy fanatitra, izay tsy mahatanteraka ny mpivavaka ny amin’ny fieritreretana
- 10(fa naman’ny zavatra hohanina sy ny zavatra hosotroina sy ny fanasana samy hafa), dia fitsipika araka ny nofo, voatendrv hatao mandra-pihavin’ny andro fanovana.
- 11Fa Kristy kosa, rehefa tonga ho Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy, dia namaky teo amin’ny tabernakely lehibe lavitra sady tsara lavitra, izay tsy nataon-tanana, izany hoe, tsy isan’izao zavatra ary izao,
- 12ary tsy mba nitondra ran’osilahy sy ran-janak’omby Izy, fa ny ran’ny tenany, dia niditra indray mandeha ho any amin’ny fitoerana masina ka nahazo fanavotana mandrakizay.
- 13Fa raha ny ran’osilahy sy ny ran’ombilahy ary ny lavenom-bantotr’ombivavy afafy amin’izay voaloto no manamasina hatramin’ny fanadiovana ny nofo,
- 14mainka fa ny ran i Kristy, Izay nanatitra ny tenany tsy manan-tsiny ho an’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay, no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin’ny asa maty mba hanompoanareo an’Andriamanitra velona.
- 15Ary noho izany dia Mpanalalana amin’izay fanekena vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin’ny fahotana natao tamin’ny fanekena voalohany, mba hahazoan’izay voantso ny teny fikasana, dia ny lova mandrakizay.
- 16Fa raha misy didim-pananana*, dia teny foana izany, raha tsy efa maty izay nanao azy. [* Na: fanekena]
- 17Fa mafy ny didim-pananana*, rehefa tonga ny fahafatesana; fa tsy mafy akory izany, raha mbola velona ilay nanao azy. [* Na: fanekena]
- 18Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia tsy nohamasinina raha tsy nisy rà.
- 19Fa rehefa voalazan’i Mosesy tamin’ny vahoaka rehetra ny didy rehetra araka ny lalàna, dia nalainy ny ran-janak’omby sy ny ran’osilahy mbamin’ny rano sy ny volon’ondry jaky sy ny hysopa ka nafafiny tamin’ny boky sy ny vahoaka rehetra;
- 20dia hoy izy; Ity no ran’ny fanekena izay nandidian’Andriamanitra anareo (Eks. 24. 8).
- 21Ary ny tabernakely sy ny fanaka rehetra enti-manao fanompoam-pivavahana dia nofafazany rà toy izany koa.
- 22Ary saiky diovina amin’ny rà avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy misy rà alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka.
- 23Koa dia tsy maintsy nodiovina tamin’ireny ny tandindon’ny zavatra any an-danitra, fa ny tenan’ny zavatra any an-danitra kosa dia tamin’izay fanatitra tsara noho ireny.
- 24Fa Kristy tsy mba niditra tao amin’izay fitoerana masina nataon-tanana, izay tandindon’ny tena fitoerana masina, fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ankehitriny ho antsika;
- 25ary tsy niditra Izy mba hanatitra ny tenany matetika, tahaka ny mpisoronabe miditra ao amin’ny fitoerana masina isan-taona mitondra ny ran’ny zavatra hafa;
- 26fa raha izany, dia tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa ankehitriny dia efa naseho indray mandeha tamin’izao andro farany izao Izy raha hanafaka ny ota tamin’ny nanaterany ny tenany.
- 27Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana,
- 28dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan’ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin’ota, amin’izay miandry Azy, ho famonjena.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.