Hebreo
Toko 11
- 1[Filazan-tantara mampiseho ny herin’ny finoana sy ny valiny] Ary ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.
- 2Fa izany no nahatsara laza ny ntaolo.
- 3Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao.
- 4Finoana no nanateran’i Abela ho an’Andriamanitra fanatitra tsara noho ny an’i Kaina, ka izany no nanambarana azy fa marina, satria Andriamanitra no nanambara ny amin’ny fanatitra nataony: ary amin’izany, na dia maty aza izy, dia mbola miteny ihany.
- 5Finoana no namindrana an’i Enoka tsy hiharan’ny fahafatesana; ka dia tsy hita izy, satria nafindran’Andriamanitra; fa talohan’ny namindrana azy dia nambara fa nankasitrahan’Andriamanitra izy.
- 6Fa raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.
- 7Finoana no nanamboaran’i Noa sambo fiara hamonjena ny ankohonany, fa natahotra izy, rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra ny amin’ny zavatra tsy mbola hita; koa izany no nanamelohany izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araka ny finoana.
- 8Finoana no naneken’i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin’izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany.
- 9Finoana no nivahiniany tany amin’ny tany nolazain’ny teny fikasana, toy ny any an-tanin’olona, mitoetra an-day, mbamin’isaka sy Jakoba, mpiara-mandova izany teny fikasana izany aminy;
- 10fa nanantena hahazo ny tanàna misy fanorenana izy, Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany.
- 11Ary na Saraha aza, dia finoana koa no nandraisany hery hanan’anaka, rehefa nitsaha-jaza izy, satria nataony fa mahatoky Ilay efa nanome ny teny fikasana.
- 12Koa dia avy tamin’ny anankiray, izay efa toy ny maty, no nihavian’ny maro toy ny kintana eny amin’ny lanitra sy toy ny fasika eny amoron-dranomasina, izay tsy hita isa.
- 13Ireo rehetra ireo dia maty tamin’ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin’ny tany izy.
- 14Fa izay milaza izany zavatra izany dia maneho marimarina fa mitady izay ho taniny izy.
- 15Ary raha tàhiny nahatsiaro ny tany nialany izy, dia ho nahita andro hiverenany.
- 16Fa amin’izany ny tsara lavitra no iriny, dia ny any an-danitra; ary noho izany Andriamanitra dia tsy menatra hatao hoe Andriamaniny, satria efa nanamboatra tanàna ho an’ireo Izy.
- 17Finoana no nanateran i Abrahama an’isaka, raha nizahan-toetra izy; eny, ny zananilahy tokana no naterin’ilay efa nandray tsara ny teny fikasana,
- 18dia ilay nilazana hoe: "Avy amin’Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao" (Gen. 21.12).
- 19Fa nihevitra izy fa Andriamanitra dia mahay manangana ny maty aza; ary hoatra ny avy tamin’izany no nandraisany azy.
- 20Finoana no nitsofan’isaka rano an’i Jakoba sy Esao ny amin’ny zavatra ho avy.
- 21Finoana no nitsofan’i Jakoba rano ny zanak’i Josefa roa lahy, rehefa ho faty izy, ka nivavaka izy, niankina tamin’ny lohan’ny tehiny.
- 22Finoana no nilazan’i Josefa ny fialan’ny Zanak’isiraely, rehefa ho faty izy, sy nanafarany ny amin’ny taolany.
- 23Finoana no nanafenan’ny ray aman-drenin’i Mosesy azy telo volana, raha vao teraka izy, satria hitany fa zaza tsara izy, ary tsy natahorany ny didin’ny mpanjaka.
- 24Finoana no nandavan’i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin’i Farao, rehefa lehibe izy,-
- 25nifidy mantsy hiara-mitondra fahoriana amin’ny olon’Andriamanitra toy izay hanana fifaliana vetivety amin’ny fahotana,
- 26nanao ny fanaratsiana an’i Kristy ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan’i Egypta, satria nijery ny famalian-tsoa izy.
- 27Finoana no nandaovany an’i Egypta, ka tsy natahorany ny fahatezeran’ny mpanjaka; fa naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy.
- 28Finoana no nitandremany* ny Paska sy ny famafazana ny rà, fandrao hahatratra ny azy ilay nandringana ny lahimatoa. [* Na: nanendreny]
- 29Finoana no nitana ny Ranomasina Mena toy ny mandia tany maina, izay mba nandraman’ny Egyptiana, ka dia voatelina izy.
- 30Finoana no nampirodana ny màndan’i Jeriko, rehefa nohodidinina hafitoana.
- 31Finoana no tsy nahafaty an-dRahaba janga niaraka tamin’ny tsy nino, satria nandray ny mpisafo-tany tamin’ny fihavanana izy.
- 32Ary inona koa no holazaiko? Fa ho lany ny andro, raha milaza an’i Gideona sy Baraka sy Samsona ary Jefta aho, Davida koa sy Samoela ary ny mpaminany,
- 33izay nandresy fanjakana tamin’ny finoana, niasa fahamarinana; nahazo teny fikasana, nanakombona ny vavan’ny liona,
- 34namono ny fidedadedan’afo, afaka tamin’ny lelan-tsabatra, raha nalemy dia nampahatanjahina, tonga nahery tamin’ny ady, dia nampandositra ny miaramilan’ny firenena hafa.
- 35Ny vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray; ary ny sasany nampijalijalina ho faty, nefa tsy mety nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra;
- 36ary ny sasany niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy tranomaizina koa;
- 37notoraham-bato izy, notsofana, nalaim-panahy, novonoina tamin’ny sabatra, dia nirenireny nitafy hoditr’ondry sy hoditr’osy; efa lao, ory, fadiranovana
- 38(nefa izao tontolo izao tsy miendrika ho nitoerany akory) dia nirenireny tany an-efitra sy tany an’tendrombohitra sy tany an-johy ary tao an-dava-tany izy.
- 39Ary ireo rehetra ireo, na dia efa nahazo laza tsara noho ny finoana aza, dia tsy mba nandray ny teny fikasana,
- 40fa Andriamanitra efa namboatra izay tsara lavitra ho antsika, mba tsy hatao tanteraka ireo raha tsy efa mby eo koa isika.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.