Hebreo
Toko 6
- 1Koa aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin’i Kristy, fa aoka handroso ho amin’ny tanteraka isika ka tsy hanao fanorenana indray, dia fibebahana hahafahana amin’ny asa maty sy finoana an’Andriamanitra,
- 2ary fampianarana ny amin’ny fisasana maro sy ny fametrahan-tanana, ary ny fitsanganan’ny maty sy ny fitsarana mandrakizay.
- 3Ary izany no hataontsika, raha avelan’Andriamanitra.
- 4Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masina
- 5ary efa nanandrana ny teny tsaran’Andriamanitra sy ny herin’ny fiainana ho avy,
- 6nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin’ny fibebahana, satria manombo ny Zanak’Andriamanitra indray amin’ny hazo fijaliana ka manao Azy ho fahamenarana.
- 7Fa izay tany mifoka ny ranonorana milatsaka aminy matetika ka maniry anana tsara ho an’ny olona iasana azy dia mahazo fitahiana avy amin’Andriamanitra;
- 8fa izay maniry tsilo sy songosongo kosa dia lavina sady akaikin’ny ozona, ary ny hiafarany dia ny hodorana.
- 9Nefa, ry malala, na dia miteny izany aza izahay, dia manantena zavatra tsara ny aminareo, dia izay momba ny famonjena.
- 10Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany.
- 11Ary mbola irinay ianareo rehetra samy haneho izany fahazotoana izany mba hahazo ny fahatokiana be ny amin’ny fanantenana hatramin’ny farany;
- 12mba tsy hiketraka ianareo, fa hanahaka ireo mandova araka ny teny fikasana amin’ny finoana sy ny faharetana.
- 13Fa Andriamanitra nanao teny fikasana tamin’i Abrahama ary satria tsy nisy lehibe noho ny tenany izay azony nianianana, dia nianiana tamin’ny tenany Izy
- 14ka nanao hoe: "Hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro anao" (Gen. 22.17).
- 15Ary araka izany, rehefa naharitra tsara Abrahama, dia nahazo ny teny fikasana.
- 16Fa ny olona dia mianiana amin’izay lehibe noho ny tenany; ary ny fianianana dia ataony mba hahamafy ny teny hampitsahatra ny fifandirana rehetra.
- 17Ary amin’izany, raha Andriamanitra ta-haneho kokoa amin’ny mpandova araka ny teny fikasana ny tsi-fiovan’ny sitrapony, dia nataony mafy tamin’ny fianianana izany,
- 18mba ho zavatra roa loha tsy mety miova, izay tsy hain’Andriamanitra andaingana, no hahazoantsika famporisihana mafy, dia isika izay nandositra hihazona ny fanantenana napetraka eo anoloantsika,
- 19izay ananantsika ho vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika ary miditra any anatin’ny efitra lamba;
- 20tany no nidiran’i Jesosy ho Mpialoha antsika, rehefa tonga Mpisoronabe "mandrakizay araka ny fanaon’i Melkizedeka" Izy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.