Jakoba
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
Toko 1
- 1[Ny amin’ny fakam-panahy, sy ny fandraisana ny tenin’Andriamanitra] Jakoba, mpanompon’Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo, mamangy ny firenena roa ambin’ny folo monina any am-pielezana.
- 2Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan’ny fakam-panahy* samy hafa ianareo, [* Na: fizahan-toetra]
- 3satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.
- 4Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona.
- 5Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena*, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany. [* Na: kely fahendrena]
- 6Nefa aoka hangataka amin’ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany.
- 7Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin’ny Tompo izany olona izany:
- 8olona miroa saina izy, miovaova amin’ny alehany rehetra.
- 9Aoka ny rahalahy izay ambany hanao ny fisandratany ho reharehany;
- 10fa ny manan-karena kosa ny fietreny, satria ho levona tahaka ny vonin’ny ahitra izy.
- 11Fa miposaka ny masoandro mbamin’ny hainandro mahamay, dia mampahalazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny, ary levona ny hatsaran-tarehiny; dia toy izany koa no fahalazon’ny manan-karena amin’ny alehany.
- 12Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitra fiainana, izay nolazain’ny Tompo homena izay tia Azy.
- 13Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azon’ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy;
- 14fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ny filany sy fitahiny izy.
- 15Ary ny filàna, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.
- 16Aza mety hofitahina ianareo, sy rahalahy malalako.
- 17Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin’ny Rain’ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin’ny fihodinana.
- 18Tamin’ny sitrapony no niterahany antsika tamin’ny teny fahamarinana, mba ho santatry ny zavatra noforoniny isika.
- 19Fantatrareo izany, sy rahalahy malalako. Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra;
- 20fa ny fahatezeran’ny olona tsy ahefana izay marina eo imason’Andriamanitra.
- 21Koa ario ny fahalotoana sy ny lolompo rehetra, ary ekeo amin’ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo.
- 22Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.
- 23Fa raha misy mpihaino ny teny, nefa tsy mpankatò, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin’ny fitaratra izy;
- 24fa mijery ny tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin’izay dia hadinony ny tarehiny.
- 25Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn’ny fahafahana, ka maharitra amin’izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin’ny asany izany olona izany.
- 26Raha misy manao azy ho mpivavaka, nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan’izany olona izany.
- 27Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.