Jakoba
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
Toko 3
- 1[Anatra ny amin’izay mety hataon’ny mpampianatra, indrindra fa ny tsy hanotany amin’ny lelany, ary ny toetry ny fahendrena avy any ambony] Ry rahalahiko, aza dia samy ho mpampianatra be ihany ianareo, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa no hitsarana anay mpampianatra.
- 2Fa tafintohina amin’ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin’ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa.
- 3Ary raha asiantsika lamboridy amin’ny vavan’ny soavaly mba hanarahany antsika, dia mitondra ny tenany rehetra isika.
- 4Indreo koa ny sambo, na dia lehibe aza ireny ka entin’ny rivotra mahery, dia ahodin’ny familiana kely foana izy ho any amin’izay tian’ny mpitondra.
- 5Dia toy izany koa ny lela, rantsana kely izy, kanefa mirehareha fatratra. Indro, ny fiavovon’ny antontan-kazo* arehitry ny afo kely! [* Na: ala]
- 6Ary afo ny lela, dia faharatsiana tsy hita lany; eo amin’ny momba ny tenantsika dia ny lela no mampipentimpentina ny tena rehetra ka mampirehitra izao zavatra ary rehetra izao, sady arehitry ny helo* izy; [* Gr. Gehena]
- 7Fa folaka avokoa ny karazan*’ny bibi-dia rehetra sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka mbamin’ny any an-dranomasina, eny, voafolaky ny olombelona ireny; [* Gr. fomban’]
- 8fa tsy misy olona mahafolaka ny lela; zava-dratsy tsy manam-pijanonana izy sady feno ody mahafaty.
- 9Izy no isaorantsika ny Tompo, dia ny Ray; ary izy ihany koa no anozonantsika ny olona, izay natao araka ny endrik’Andriamanitra.
- 10Ny vava iray ihany no ivoahan’ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany.
- 11Moa ny loharano va mamoaka rano mamy sy mangidy eo amin’ny vavany iray ihany?
- 12Ry rahalahiko, ny aviavy va mety mamoa voan’oliva, na ny voaloboka mamoa voan’aviavy? Toy izany ny rano masirasira tsy mba ivoahan’ny mamy.
- 13Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin’ny fitondran-tena tsara ny asany amin’ny fahalemem-panahin’ny fahendrena.
- 14Fa raha misy fialonana mirehitra* sy fifampiandaniana ao am-ponareo, aza mirehareha na mandainga manohitra ny marina. [* Gr. mangidy]
- 15Izany fahendrena izany dia tsy ny avy any ambony, fa araka ny etỳ an-tany ihany, araka ny nofo, araka ny an’ny demonia.
- 16Fa izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin izay asa ratsy rehetra.
- 17Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindram-po sy be voka-tsoa, tsy miahanahana* na mihatsaravelatsihy. [* Na: miangatra]
- 18Ary ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin’ny fihavanana ho an’izay mampandroso ny fihavanana*. [* Na: Izay mampandroso ny fihavanana no mamafy ny vokatry ny fahamarinana amin’ny fihavanana]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.