Jakoba
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
Toko 2
- 1[Ny tsy mahamety ny fizahan-tavan’olona] Ry rahalahiko, aoka tsy hasiana fizahan-tavan’olona ny finoanareo ny Tompontsika, dia Jesosy Kristy, Tompon’ny voninahitra.
- 2Fa raha misy olona miditra eo amin’ny synagoganareo misy peratra volamena amin’ny rantsan-tànany sady miakanjo tsara, ary mba miditra kosa izay olona malahelo miakanjo ratsy,
- 3koa mijery ilay miakanjo tsara ianareo ka manao hoe: Mipetraha eto amin’ny fitoerana aloha ianao; ary manao amin’ilay malahelo kosa hoe: Mitoera eroa ianao, na: Mipetraha etsy amin’ny fitoeran-tongotro,-
- 4moa tsy miangatra* va ianareo amin’izany ka efa mpitsara manan-kevi-dratsy? [* Na: miahanahana]
- 5Mihainoa, ry rahalahy malalako: Tsy efa nofidin’Andriamanitra va ny malahelo amin’izao fiainana izao ho mpanankarena amin’ny finoana sy ho mpandova ny fanjakana nolazainy homena izay tia Azy?
- 6Fa ianareo efa nanala-baraka ny malahelo. Moa tsy ny mpanankarena va no mampahory anareo? Ary tsy izy va no mitarika anareo ho eo amin’ny fitsarana?
- 7Tsy izy koa va no miteny ratsy* ny anarana tsara izay niantsoana anareo? [* Gr. manao blasfemia; izahao Mat.9.3]
- 8Kanefa raha mankatò ilay didy ambony indrindra* ianareo, araka ny Soratra Masina hoe: "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao" (Lev. 29.18), dia manao tsara ianareo. [* Gr. andriana]
- 9Fa raha mizaha tavan’olona kosa ianareo, dia manota ka helohin’ny lalàna ho mpanota.
- 10Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin’ny iray loha dia meloka amin’izy rehetra.
- 11Fa Ilay nanao hoe: "Aza mijangajanga" no nanao hoe koa: "Aza mamono olona" (Eks. 20.13, 14). Fa raha tahìny tsy mijangajanga ianao, kanefa mamono olona ihany, dia mpandika ny lalàna ianao.
- 12Aoka ianareo hiteny sy hanao araka izay mahamendrika anareo, izay olona hotsarain’ny lalàn’ny fahafahana.
- 13Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran’izay tsy mamindra fo; ary ny famindram-po kosa dia faly, fa tsy mba matahotra ny fitsarana.
- 14[Ny fahafoanan’ny finoana tsy misy asa] Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy, nefa tsy manana asa? Ny finoana va mahavonjy azy?
- 15Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isan’andro,
- 16ka misy aminareo manao aminy hoe: Mandehana amin’ny fiadanana, mamindroa, mivokisa, kanefa tsy omenareo azy tsinona izay tandrifiny ho an’ny tenany, inona moa no soa azo amin’izany?
- 17Ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.
- 18Fa angamba hisy hanao hoe: Hianao manam-pinoana, ary izaho manana asa; asehoy amiko tsy amin’ny asa ny finoanao, ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ny asako.
- 19Hianao manao fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany,- ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra.
- 20Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa?
- 21Tsy nohamarinina tamin’ny asa va Abrahama razantsika tamin’ny nanaterany an’isaka zanany teo ambonin’ny alitara?
- 22Hitanao fa niara-niasa tamin’ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin’ny asa;
- 23ary tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: "Ary Abrahama nino an’Andriamanitra, ka nisaina ho fahamarinany izany" (Gen. 25.6), ary natao hoe "Sakaizan’Andriamanitra" izy (Isa. 41.8).
- 24Koa dia hitanareo fa hamarinina amin’ny asa ny olona, fa tsy amin’ny finoana ihany.
- 25Ary toy izany koa Rahaba janga, tsy nohamarinina tamin’ny asa va izy tamin’ny nandraisany ireny iraka ireny sy ny nampandehanany azy tamin’ny lalan-kafa?
- 26Fa maty ny tena, raha tsy misy fanahy, ary maty toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.