Jakoba
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
Toko 4
- 1[Fananarana ny tia ady sy ny mpisintaka sy ny manendrikendrika ary ny tsy manaiky ny fitondran’Andriamanitra] Avy aiza ny ady, ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo? Tsy izao va no ihaviany, dia ny filanareo izay miady ao anatin’ny momba ny tenanareo?
- 2Mila ianareo, nefa tsy manana ihany; mamono sy mitsiriritra* ianareo, nefa tsy mahazo ihany; mifanditra sy miady ianareo; tsy manana ianareo, satria tsy mangataka. [*Na: mialona]
- 3Mangataka ianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka, mba holaninareo amin’ny filanareo.
- 4Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan’izao tontolo izao, dia fahavalon’Andriamanitra izy.
- 5Ary ataonareo va fa miteny foana ny Soratra Masina*? Ny fanahy, izay nampitoeriny ato anatintsika** dia iriny amin’ny fahasaro-piaro***. [* Na: ny Soratra Masina hoe] [** Na: izay mitoetra ato anatintsika] [*** Na: Ny Fanahy, Izay nampitoeriny ato anatintsika, dia maniry amin’ny fahasaro-piaro; na: Ny fanahy, izay nampitoeriny ato anatintsika, dia maniry amin’ny fialonana]
- 6Nefa manome fahasoavana bebe kokoa Izy. Koa hoy izy: "Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena" (Oha. 3.34].
- 7Ka dia maneke an Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.
- 8Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina.
- 9Oria, sy mitomania, ary midradradradrà; aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo, ary hody fanjoretana ny fifalianareo.
- 10Manetre tena eo anatrehan’ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy.
- 11Aza mifanaratsy, ry rahalahy. Izay manaratsy rahalahy na mitsara ny rahalahiny dia manaratsy ny lalàna sy mitsara ny lalàna; fa raha mitsara ny lalàna ianao, dia tsy mpankatò ny lalàna, fa mpitsara.
- 12Iray ihany no Mpanome lalàna sy Mpitsara, dia Ilay mahavonjy sy mahavery; fa iza moa ianao, no mitsara ny namanao?
- 13He! ianareo izay manao hoe: Anio na ampitso dia hankany Ananona izahay ary hitoetra any herintaona ka hividy sy hivarotra ary hahazo tombom-barotra,
- 14kanefa tsy mahalala ny ho ampitso ianareo. Inona moa ny ainareo? Fa zavona ihany ianareo, izay miseho vetivety, dia levona.
- 15Fa aleo manao izao: Raha sitrapon’ny Tompo, ka velona izahay, dia hataonay izao na izany.
- 16Fa izao dia mirehareha amin’ny fahasahianareo ianareo; ratsy ny fireharehana rehetra toy izany.
- 17Koa izay mahalala hanao soa, nefa tsy manao, dia heloka ho azy izany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.