Jakoba
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
Toko 5
- 1[Fanamelohana ny mpanankarena ratsy fanahy] He! ianareo manan-karena, mitomania sy midradradradrà noho ny fahoriana izay efa manjo anareo.
- 2Ny harenareo efa simba, ary ny fitafianareo efa lanin’ny kalalao.
- 3Ny volamena sy ny volafotsinareo dia efa harafesina; ary ny harafesiny dia ho vavolombelona hiampanga anareo sady handany ny nofonareo tahaka ny afo. Efa namory harena amin’ny andro farany ianareo.
- 4Indro, ny karaman’ny mpiasa nijinja ny taninareo, izay hazoninareo, dia mitaraina; ary ny fitarainan’ny mpijinja dia efa tafiditra amin’ny sofin’ny Tompon’ny maro.
- 5Efa velona tamin’ny fy tetỳ ambonin’ny tany ianareo sady nanaram-po tamin’ny fahafinaretana; efa namahy ny fonareo tamin’ny andro hamonoana ianareo.
- 6Efa nanameloka namono ny marina* ianareo; fa tsy manohitra anareo izy. [* Na. Ilay marina . . . Izy]
- 7[Toky ho an’ny Kristiana azom-pahoriana, sy anatra samy hafa] Ary amin’izany dia mahareta tsara, ry rahalahy, mandra-pihavin’ny Tompo. Indro, ny mpiasa tany miandry ny voka-tsoa amin’ny tany ka maharitra amin’izany mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana.
- 8Mahareta koa ianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fihavian’ny Tompo.
- 9Aza mifampimonomonona, ry rahalahy, fandrao hohelohina ianareo; Indro, ny Mpitsara efa mitsangana eo anoloan’ny varavarana.
- 10Ry rahalahiko, aoka ny mpaminany izay niteny tamin’ny anaran’ny Tompo no halainareo ho fianarana ny fandeferam-pahoriana sy ny faharetana.
- 11Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan’i Joba ary efa hitanareo ny faran’ny nataon’ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindram-po.
- 12Fa mihoatra noho ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin’ny lanitra, na amin’ny tany, na amin’izay fianianana hafa akory aza; fa aoka ny fanaikinareo ho "Eny", ary ny fandànareo ho "Tsia", fandrao hiharan’ny fitsarana ianareo.
- 13Misy azom-pahoriana va eo aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy faly va? Aoka izy hihira fiderana.
- 14Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon*’ny fiangonana**; ary aoka hanosotra diloilo azy amin’ny anaran’ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy; [* Gr. presbytera] [** Gr. eklesia]
- 15ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota izy, dia havela ny helony.
- 16Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Ny fiàsan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra.
- 17Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary izy nahery nivavaka mba tsy hilatsahan’ny ranonorana; dia tsy nilatsaka tamin’ny tany ny ranonorana telo taona sy enim-bolana.
- 18Ary nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany.
- 19Ry rahalahiko, raha misy eo aminareo miala amin’ny fahamarinana, ary misy anankiray mampibebaka azy,
- 20aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin’ny lalan’ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.