1 Tantara
Toko 9
- 1[Ny amin’ny mponina tany Jerosalema talohan’ny namaboana azy] Dia nisaina araka ny firazanany avy ny Isiraely rehetra; ary, indro, efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’ny Isiraely izany. Ary ny Joda dia nentina ho babo tany Babylona noho ny fahotany.
- 2Ary ny mponina taloha tamin’ny taniny sy ny tanànany avy dia ny Isiraely sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny Netinima.
- 3Ary tany Jerosalema no nonenan’ny sasany amin’ny taranak’i Joda sy Benjamina sy Efraima sy Manase:
- 4dia Otahy, zanak’i Amihoda, zanak’i Omry, zanak’Imry, zanak’i Bany, avy amin’ny taranak’i Fareza, zanak’i Joda.
- 5Ary tamin’ny Silonita dia Asay, lahimatoa, sy ny zanany.
- 6Ary tamin’ny taranak’i Zera dia Jeoela sy ny rahalahiny, dia sivi-folo amby enin-jato.
- 7Ary tamin’ny taranak’i Benjamina dia Salo, zanak’i Mesolama, zanak’i Hodavia, zanak’i Hasenoa,
- 8sy Jibnia, zanak’i Jerohama, sy Elaha, zanak’i Ozy, zanak’i Mikry, sy Mesolama, zanak’i Sefatia, zanak’i Regoela, zanak’i Jibnia;
- 9ary ny isan’ny rahalahiny araka ny firazanany dia enina amby dimam-polo sy sivin-jato. Ireo lehilahy rehetra ireo dia samy lohan’ny fianakaviany avy.
- 10Ary tamin’ny mpisorona dia Jedaia sy Joiariba sy Jatina
- 11sy Azaria, zanak’i Hilkia, zanak’i Mesolama, zanak’i Zadoka, zanak’i Meraiota, zanak’i Ahitoba, mpanapaka ny tranon’Andriamanitra,
- 12ary Adaia, zanak’i Jerohama, zanak’i Pasora, zanak’i Malkia, ary Masay, zanak’i Adiela, zanak’i Jazera, zanak’i Mesolama, zanak’i Mesilemita, zanak’Imera.
- 13Ary ny rahalahin’ireo, izay samy lohan’ny fianakaviany avy, dia enim-polo amby fiton-jato amby arivo; lehilahy mahery amin’ny fanaovana ny fanompoana ao an-tranon’Andriamanitra ireo.
- 14Ary tamin’ny Levita dia Semaia, zanak’i Hasoba, zanak’i Azrikama, zanak’i Hasabia, tamin’ny taranak’i Merary,
- 15ary Bakbakara sy Haresy sy Galala sy Matania, zanak’i Mika, zanak’i Zikry, zanak’i Asafa,
- 16ary Obadia, zanak’i Semaia, zanak’i Galala, zanak’i Jedotona, ary Berekia, zanak’i Asa, zanak’i Elkana, izay nonina tamin’ny vohitry ny Netotatita.
- 17Ary ny mpiandry varavarana dia Saloma sy Akoba sy Talmona sy Ahimana ary ny rahalahiny; fa Saloma no lohany;
- 18ambaraka ankehitriny dia ao amin’ny vavahadin’ny mpanjaka atsinanana izy; ireo no mpiandry varavarana tamin’ny tobin’ny taranak’i Levy.
- 19Ary Saloma, zanak’i Kore, zanak’i Abiasafa, zanak’i Kora, sy ny Koraita rahalahiny araka ny fianakaviany avy no mpanao ny fanompoana amin’ny fiandrasana ny varavaran’ny lay; ary ny razany koa dia mpiambina ny vavahady tao amin’ny tobin’i Jehovah.
- 20Ary Finehasa, zanak’i Eleazara, no mpanapaka ireo taloha, ary Jehovah nomba azy.
- 21Ary Zakaria, zanak’i Meselemia, no mpiandry ny varavaran’ny trano-lay fihaonana.
- 22Ary ny isan’ireo voafidy ho mpiandry varavarana ireo dia roa ambin’ny folo amby roan-jato. Ireo dia voasoratra araka ny firazanany tany amin’ny vohiny avy; ary notendren’i Davida sy Samoela mpahita izy noho ny fahamarinany.
- 23Ka dia ireo sy ny taranany no niandry varavarana tao amin’ny tranon’i Jehovah, dia ny trano-lay.
- 24Teo amin’ny lafiny efatra no nitoeran’ny mpiandry varavarana, dia teo atsinanana sy andrefana sy avaratra ary atsimo.
- 25Ary ny rahalahiny izay nonina teo amin’ny vohiny dia nasaina ho avy isan-kafitoana ho eo aminy.
- 26Fa nanao tamin’ny fahamarinany ireo Levita efa-dahy, lohan’ny mpiandry varavarana, ireo, ary tonian’ny efi-trano fitehirizana sy ny rakitry ny tranon’Andriamanitra koa izy ireo.
- 27Ary manodidina ny tranon’Andriamanitra no nandriany; fa izy ireo no mpiambina azy sady adidiny ny famohana ny trano isa-maraina.
- 28Ary ny sasany aminy nitandrina ny fanaka momba ny fanompoana; fa an-isany no nitondrany azy miditra sy mivoaka.
- 29Ary ny sasany aminy koa notendrena hitandrina ny fanaka, dia ny fanaka masina rehetra, sy ny koba tsara toto sy ny divay sy ny diloilo sy ny ditin-kazo manitra ary ny zava-manitra.
- 30Ary ny sasany tamin’ny zanaky ny mpisorona nangaroharo ny zava-manitra fanosorana.
- 31Ary Matatia, anankiray tamin’ny Levita, lahimatoan’i Saloma Koraita, no tonian’ny zavatra izay natao tamin’ny fanendasana.
- 32Ary ny sasany tamin’ny rahalahiny, tamin’ny taranaky ny Kehatita, no tonian’ny mofo aseho hamboatra azy isan-tSabata.
- 33Ary ireo ihany koa no mpihira, lohan’ny fianakaviana amin’ny Levita, izay mitoetra tsy manan-draharaha hafa ao amin’ireo efi-trano; fa tsy maintsy ho amin’izany raharaha izany andro aman’alina izy.
- 34Ireo dia lohan’ny fianakaviana tamin’ny Levita araka ny firazanany avy, dia samy loholona. Ireo no nonina tany Jerosalema.
- 35[Ny amin’ny fianakavian’i Saoly] Ary tao Gibeona no nonenan’i Jeiela, razamben’ny an’i Gibeona, ary ny anaran’ny vadiny dia Imaka;
- 36ary ny zanany lahimatoa dia Abdona, dia Zora, dia Kisy, dia Bala, dia Nera, dia Nadaba,
- 37dia Gedora, dia Ahio, dia Zakaria, dia Miklota.
- 38Ary Miklota niteraka an’i Simeama. Ary ireo koa niara-nonina tamin’ny rahalahiny tany Jerosalema nifanandrify fonenana taminy.
- 39Ary Nera niteraka an’i Kisy; ary Kisy niteraka an’i Saoly; ary Saoly niteraka an’i Jonatana sy Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala.
- 40Ary ny zanakalahin’i Jonatana dia Meribala, ary Meribala niteraka an’i Mika.
- 41Ary ny zanakalahin’i Mika dia Pitona sy Maleka sy Tarea ary Ahaza*.[Izahao viii. 35]
- 42Ary Ahaza niteraka an’i Jara; ary Jara niteraka an’i Alemeta sy Azmaveta ary Zimry; ary Zimry niteraka an’i Moza;
- 43ary Moza niteraka an’i Binea; ary Refaia no zanakalahin’i Binea, Elasa no zanakalahin’i Refaia, Azela no zanakalahin’i Elasa.
- 44Ary Azela nanana zanaka enina mirahalahy ka izao no anarany avy: Azrikama sy Bokero sy Isimaela sy Searia sy Obadia ary Hanana; ireo no zanakalahin’i Azela.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.