1 Tantara
Toko 23
- 1[Ny nanendrena an’i Solomona ho mpanjaka, sy ny nandaminana ny raharahan’ny Levita] Ary nony efa ela niainana sy tratrantitra tsara* Davida, dia Solomona zanany no nataony mpanjaka tamin’ny Isiraely.[Heb. voky andro, na afa-pon’ny miaina]
- 2Ary novoriny ny lehiben’ny Isiraely rehetra mbamin’ny mpisorona sy ny Levita.
- 3Ary nisaina ny Levita hatramin’ny telo-polo taona no ho miakatra, ka valo arivo amby telo alina no isan’ny lehilahy.
- 4Ary hoy Davida: Ny efatra arivo amby roa alina amin’ireo dia ataoko ho tonian’ny asa ao an-tranon’i Jehovah, ary ny enina arivo ataoko mpifehy sy mpitsara,
- 5ary ny efatra arivo ho mpiandry varavarana, ary ny efatra arivo ho mpidera an’i Jehovah amin’ny zavatra namboariko hiderana Azy.
- 6Ary nozarazarain’i Davida ho antokony ireo araka ny zanakalahin’i Levy, dia Gersona sy Kehata sy Merary:
- 7Tamin’ny Gersonita dia Ladana sy Simey.
- 8Ny zanakalahin’i Ladana dia Jehiela lohany sy Zetama ary Joela; telo izy.
- 9Ny zanakalahin’i Simey dia Selomota sy Haziela ary Harana; telo izy. Ireo no lohany tamin’ny fianakavian’i Ladana.
- 10Ary ny zanakalahin’i Simey dia Jahata sy Zina sy Jeosy ary Beria; izy efa-dahy ireo no zanakalahin’i Simey.
- 11Ary Jahata no lohany, ary Ziza no faharoany; fa Jeosy sy Beria tsy nanana zanakalahy maro, ka dia nisaina ho fianakaviana iray sy antokony iray izy.
- 12Ny zanakalahin’i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela; efatra izy.
- 13Ny zanakalahin’i Amrama dia Arona sy Mosesy. Ary Arona natokana ka nohamasinina ho masina indrindra, dia izy sy ny taranany mandrakizay, handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan’i Jehovah sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy ary hitso-drano amin’ny anarany mandrakizay.
- 14Nefa ny amin’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra, dia nisaina tamin’ny firenen’i Levy ihany ny zanany.
- 15Ny zanakalahin’i Mosesy dia Gersona sy Eliezera.
- 16Tamin’ny zanakalahin’i Gersona dia Seboela no lohany.
- 17Ary tamin’ny zanakalahin’i Eliezera dia Rehabia no lohany (Eliezera anefa tsy nanan-janaka hafa); fa ny zanak’i Rehabia dia maro indrindra.
- 18Tamin’ny zanakalahin’i Jizara dia Selomota no lohany.
- 19Ny zanakalahin’i Hebrona, dia Jeria no lahimatoa, Amaria no lahiaivo, Jahaziela no fahatelo, ary Jekameama no faralahy.
- 20Ny zanakalahin’i Oziela, dia Mita no lahimatoa, ary Jisia no faralahy.
- 21Ny zanakalahin’i Merary dia Maly sy Mosy. Ny zanakalahin’i Maly dia Eleazara sy Kisy.
- 22Ary maty Eleazara ka tsy nanan-janakalahy, fa vavy avokoa; ary ireny zanakalahin’i Kisy havany no nanambady ireo.
- 23Ny zanakalahin’i Mosy dia Maly sy Edera ary Jeremota; telo izy.
- 24Ireo no zanakalahin’i Levy araka ny fianakaviany, dia ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny antokony avy araka ny nanisana ny anarany tsirairay, dia izay nanao ny fanompoana tao an-tranon’i Jehovah, hatramin’ny roa-polo taona no ho miakatra.
- 25Fa hoy Davida: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, efa nanome fitsaharana ho an’ny olony sady mitoetra eto Jerosalema mandrakizay.
- 26Ary ny Levita kosa dia tsy hitondra ny tabernakely na ny fanaka enti-manompo ao aminy intsony.
- 27Fa araka ny fara-tenin’i Davida dia nisaina hatramin’ny roa-polo taona no ho miakatra ny Levita.
- 28Ary ny raharahany dia ny hanampy ny taranak’i Arona amin’ny fanompoana ao an-tranon’i Jehovah amin’ireo kianja sy efi-trano tao ary amin’ny fanadiovana ny zavatra masina rehetra sy ny fanompoana ao an-tranon’Andriamanitra,
- 29ary amin’ny mofo aseho sy ny koba tsara toto ho fanatitra hohanina sy amin’ny mofo manify tsy misy masirasira sy amin’izay endasina amin’ny lapoely sy amin’izay vonton-diloilo ary amin’ny famarana sy ny fandrefesana rehetra,
- 30ary ny hitsangana isa-maraina hisaotra sy hidera an’i Jehovah, ary toy izany koa amin’ny hariva,
- 31ary ny hanatitra ny fanatitra dorana rehetra ho an’i Jehovah na amin’ny Sabata, na amin’ny voaloham-bolana, na amin’ny fotoam-pivavahana hafa dia araka ny isany avy, sy araka ny fanao voatendry hanaovana azy mandrakariva eo anatrehan’i Jehovah.
- 32Aoka ho toy izany no hitandremany ny anjara-raharahany ny amin’ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahany ny amin’ny fitoerana masina ary ny anjara-raharahany ny amin’ny taranak’i Arona rahalahiny ho fanompoana ao an-tranon’i Jehovah.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.