1 Tantara
Toko 3
- 1[Ny taranak’i Davida] Ary izao no zanakalahin’i Davida, izay naterany tao Hebrona: Amnona, zanak’i Ahinoama Jezirelita, no lahimatoa; ary Daniela, zanak’i Abigaila Karmelita, no lahiaivo;
- 2Absaloma, zanak’i Maka, zanakavavin’i Talmay, mpanjakan’i Gesora, no fahatelo; Adonia, zanak’i Hagita, no fahefatra;
- 3Sefatia, zanak’i Abitala, no fahadimy; Jitreama, zanak’i Egla vadiny, no fahenina.
- 4Ireo enina ireo no naterany tao Hebrona; fa tao no nanjakany fito taona sy enim-bolana; ary tany Jerosalema kosa no nanjakany telo amby telo-polo taona.
- 5Ary izao no naterany tany Jerosalema: Simea sy Sobaba sy Natana ary Solomona (ireo efa-dahy ireo no naterak’i Batsoa, zanakavavin’i Amiela)
- 6sy Jibara sy Elisama sy Elifeleta
- 7sy Noga sy Nafega sy Jafia
- 8sy Elisama sy Eliada ary Elifeleta; dia sivy kosa ireo.
- 9Ireo rehetra ireo no zanakalahin’i Davida, afa-tsy ny zanaky ny vaditsindranony sy Tamara, anabavin’ireo.
- 10Ary ny zanakalahin’i Solomona dia Rehoboama, Abia no zanakalahin-dRehoboama, Asa no zanakalahin’i Abia, Josafata no zanakalahin’i Asa,
- 11Jehorama no zanakalahin’i Josafata, Ahazia no zanakalahin’i Jehorama. Joasy no zanakalahin’i Ahazia,
- 12Amazia no zanakalahin’i Joasy, Azaria no zanakalahin’Amazia, Jotama no zanakalahin i Azaria,
- 13Ahaza no zanakalahin’i Jotama Hezekia no zanakalahin’i Ahaza, Manase no zanakalahin’i Hezetia,
- 14Amona no zanakalahin’i Manase, Josia no zanakalahin’i Amona.
- 15Ary izao no zanakalahin’i Josia: Johanana, lahimatoa, Joiakima, lahiaivo, Zedekia, fahatelo, Saloma, faralahy.
- 16Ary ny zanakalahin’i Joiakima dia Jekonia, ary Zedekia no zanak’i Jekonia.
- 17Ary ny zanakalahin’Jekonia dia Asira*, Sealtiela no zanak’i Asira,[Na: Jekonia mpifatotra]
- 18ary Malkirama koa sy Pedaia sy Senazara sy Jekamia sy Hosama ary Nedabia.
- 19Ary ny zanakalahin’i Pedaia dia Zerobabela sy simey. Ary ny zanakalahin’i Zerobabela dia Mesolama sy Hanania ary Selomita, anabaviny,
- 20ary Hasoba sy Ohela sy Berekia sy Hasadia ary Josaba-heseda; dimy izy.
- 21Ary ny zanakalahin’i Hanania dia Pelatia sy Jisaia sy ny zanakalahin’i Rafaia sy ny zanakalahin’i Arnana sy ny zanakalahin’i Obadia ary ny zanakalahin’i Sekania.
- 22Ary ny zanakalahin’i Sekania dia Semaia. Ary ny zanakalahin’i Semaia dia Hatosy sy Jigala sy Baria sy Nearia ary Safata; enina izy.
- 23Ary ny zanakalahin’i Nearia dia Elioenay sy Hezekia ary Azrikama; telo izy.
- 24Ary ny zanakalahin’i Elioenay dia Hodaia sy Eliasiba sy Pelaia sy Akoba sy Johanana sy Delaia ary Anany; fito izy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.