1 Tantara
Toko 14
- 1[Ny lapa nataon’i Davida, sy ny anaran’ny zanany] Ary Hirama, mpanjakan’i Tyro, naniraka olona tany amin’i Davida sady nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpanao trano vato sy mpandrafitra hanao trano ho azy.
- 2Dia fantatr’i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan’ny Isiraely, ka voasandratra ny fanjakany noho ny amin’ny Isiraely olony.
- 3Ary Davida nampaka-bady koa tany Jerosalema ka niteraka zazalahy sy zazavavy.
- 4Ary izao no anaran’ny zanany naterany tany Jerosalema: Samoa sy Sobaba sy Natana sy Solomona
- 5sy Jibara sy Elisoa sy Elipeleta
- 6sy Noga sy Nafega sy Jafia
- 7sy Elisama sy Seliada ary Elifeleta.
- 8[Ny nandresen’i Davida ny Filistina] Koa nony ren’ny Filistina fa efa nohosorana ho mpanjakan’ny Isiraely rehetra Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra. Koa raha ren’i Davida izany, dia nivoaka hiady taminy izy.
- 9Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin’ny Lohasahan’ny Refaita.
- 10Ary Davida nanontany tamin’Andriamanitra hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao izy.
- 11Dia niakatra nankao Bala-perazima Davida ka namely azy teo; dia hoy izy: Ny tanako no namakian’Andriamanitra ny fahavaloko hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran’izany tany izany hoe Bala-perazima*.[Bala-perazima = Tany nahavakiana]
- 12Dia nilaozan’ireny teo ireo andriamaniny, ka dia nasain’i Davida nodorana tamin’ny afo.
- 13Ary tonga indray ny Filistina ka nihahakahaka teny an-dohasaha indray.
- 14Dia nanontany tamin’Andriamanitra indray Davida ka novaliany hoe: Aza mandeha hanenjika azy; fa mivilia azy, dia mandehana, fa ho tonga eo aminy ianao eo amin’ny tandrifin’ny hazo balsama.
- 15Ary raha toa mahare fingadongadon’olona eny amin’ny tendron’ny hazo balsama ianao, dia miaingà amin’izay hiady; fa amin’izay no efa miainga mialoha anao Andriamanitra hamely ny miaramilan’ny Filistina.
- 16Ary dia nanao araka izay nandidian’Andriamanitra azy Davida, ka dia namely ny miaramilan’ny Filistina hatrany Gibeona ka hatrany Gazera izy.
- 17Ary ny lazan’i Davida niely teny amin’ny tany rehetra; ary nataon’i Jehovah nahazo ny firenena rehetra ny tahotra an’i Davida.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.