1 Tantara
Toko 4
- 1[Ny amin’ny taranak’i Joda sisa] Ny zanakalahin’i Joda dia Fareza sy Hezrona sy Karmy sy Hora ary Sobala.
- 2Ary Reaia, zanakalahin’i Sobala, niteraka an’i Jahata; ary Jahata niteraka an’i Ahomay sy Lahada. Ireo no fokon’ny Zoraita.
- 3Ary izao no avy amin’ny rain’i Etama: Jezirela sy Jisma ary Jidbasy, ary Hazelelpony no anaran’ny anabaviny,
- 4ary Penoela, rain’i Gedora, sy Ezera, rain’i Hosa. Ireo no zanak’i Hora, lahimatoan’i Efrata, razamben’ny any Betlehema.
- 5Ary Asora, razamben’ny any Tekoa, namporafy, dia Hela sy Nara.
- 6Ary Nara niteraka an’i Ahozama sy Hafera sy Temeny ary Hahastary. Ireo no zanakalahin’i Nara.
- 7Ary ny zanakalahin’i Hela dia Zareta sy Jizara ary Etnana.
- 8Ary Hakoza niteraka an’i Anoba sy Zobeba ary ny fokon’i Aharela, zanakalahin’i Haroma.
- 9Ary Jabeza dia nalaza noho ny rahalahiny; ary ny reniny nanao ny anarany hoe Jabeza, fa hoy izy: Ory aho, raha niteraka azy.
- 10Ary Jabeza niantso an’Andriamanitry ny Isiraely hoe: Enga anie ka hotahinao tokoa aho, ka hohalalahinao ny fari-taniko, ary ho amiko ny tananao, ka harovanao amin’ny ratsy aho, mba tsy hampahory ahy izany. Ary dia nomen’Andriamanitra azy ny nangatahiny.
- 11Ary Keloba, rahalahin’i Soha, niteraka an’i Mehira, rain’i Estona;
- 12ary Estona niteraka an’i Betirafa sy Pasea ary Tehina, rain’Ir-nahasa. Ireo dia mponina tao Reka.
- 13Ary ny zanakalahin’i Kenaza dia Otniela sy Seraia; ary ny zanakalahin’i Otniela dia Hatata.
- 14Ary Meonotahy niteraka an’i Ofra; ary Seraia niteraka an’i Joaba, razamben’ny ao an-dohasahan’ny mpiasa; fa mpiasa ireo.
- 15Ary ny zanakalahin’i Kaleba, zanakalahin’i Jefone, dia Iro sy Elaha sy Nama; ary ny zanakalahin’i Elaha dia Kenaza.
- 16Ary ny zanakalahin’i Jehalalila dia Zifa sy Zifaha sy Tiria ary Asarela.
- 17Ary ny zanakalahin’i Ezra dia Jatera sy Mareda sy Efera ary Jalona; ary izy niteraka an’i Miriama sy Samay ary Jisba, razamben’ny any Estemoa.
- 18Ary Jehodia vadiny niteraka an’i Jareda, razamben’ny any Gedora, sy Hebera, razamben’ny any Soko, ary Jakotiela, razamben’ny any Zanoa. Ireo no zanakalahin’i Bitia, zanakavavin’i Farao, izay novadin’i Mareda.
- 19Ary ny zanakalahin’i Hodia vadiny, izay anabavin’i Nahama, dia ny razamben’ny an’i Keila Garmita sy Estemoa Makatita.
- 20Ary ny zanakalahin’i Simona dia Amnona sy Rina sy Ben-hanana ary Tilona. Ary ny zanakalahin’i Jisy dia Zoheta sy Ben-zoheta.
- 21Ary ny zanakalahin’i Sela, zanak’i Joda, dia Era, rain’i Leka, sy Lada, rain’i Maresa, sy ny fokon’ny mpanao rongony fotsy madinika amin’ny ankohonan’i Asbea;
- 22ary Jokima sy ny mponina tao Kozeba ary Joasy sy Sarafa, izay samy nanapaka tany Moaba, ary Jasobi-lehema. Ary efa ela izany zavatra izany.
- 23Ireo no mpanefy vilany sy mponina tany Netaima sy Gadera; tany no nitoerany tamin’ny mpanjaka hanao ny asany.
- 24[Ny taranak’i Simeona sy ny fonenany] Ny zanakalahin’i Simeona dia Nemoela sy Jamina sy Jariba sy Zera ary Saoly,
- 25dia Saloma no zanakalahin’i Saoly, Mibsama no zanakalahin’i Saloma, Misma no zanakalahin’i Mibsama.
- 26Ary ny zanakalahin’i Misma dia Hamoela, ary Zakora no zanakalahin’i Hamoela, Simey no zanakalahin’i Zakora.
- 27Ary Simey nanan-janaka enina ambin’ny folo lahy sy enim-bavy; fa ny rahalahiny tsy nanan-janaka maro, sady tsy nihamaro tahaka ny taranak’i Joda ny fokony rehetra.
- 28Ary izy nonina tao Beri-sheba sy Molada sy Hazara-soala
- 29sy Bila sy Ezema sy Tolada
- 30sy Betoela sy Horma sy Ziklaga
- 31sy Beti-markabota sy Hazora-sosima sy Beti-biry ary Saraima. Ireo no tanàna nonenany mandra-panjakan’i Davida.
- 32Ary ny zana-bohiny dia Etama sy Aina sy Rimona sy Tokena ary Asana, tanana dimy ireo,
- 33ary ny zana-bohiny rehetra koa izay manodina izany tanàna izany hatrany Bala. Ireo no fonenany sady nanana fitantaram-pirazanana manokana izy.
- 34Ary Mesobaba sy Jamleka sy Josa, zanak’i Amazia,
- 35ary Joela sy Jeho, zanak’i Josibia, zanak’i Seraia, zanak’i Asiela,
- 36ary Elioenay sy Jakoba sy Jesohaia sy Asaia sy Adiela sy Jesimiela sy Benaia
- 37sy Ziza, zanak’i Sify, zanak’i Alona, zanak’i Jedaia, zanak’i Simry, zanak’i Semaia;
- 38ireo voalaza anarana ireo dia samy lohany tamin’ny fotony avy; ary efa nihamaro indrindra ny fianakaviany.
- 39Ary nankany amin’ny fidirana ho any Gedora izy, dia hatramin’ny ilany atsinanana amin’ny lohasaha, hitady ahitra ho an’ny ondriny aman’osiny.
- 40Ary nahita ahitra maitso sady tsara izy, ary malalaka ny tany sady nandry fahizay; nefa ny taranak’i Hama no nonina tany taloha.
- 41Ary ireo voasoratra anarana ireo dia tonga tao tamin’ny andron’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, ka namely ny lay sy ny fonenana* hitany tao sy nandringana** azy rehetra mandraka ankehitriny, dia nonina nisolo azy; fa nisy ahitra ho an’ny ondriny aman’osiny tany.[*Na: sy ny Meonita][**Heb. nanao azy ho herema]
- 42Ary nisy lehilahy dimam-jato tamin’ny taranak’i Simeona nankany amin’ny tendrombohitra Seira ka nanana an’i Peletia sy Nearia sy Refaia ary Oziela, zanakalahin’i Jisy, ho mpifehy azy.
- 43Ary namely ny sisa afaka tamin’ny Amalekita izy, ka dia monina ao mandraka androany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.