1 Tantara
Toko 8
- 1[Ny amin’ny taranak’i Benjamina sy ny firazanan’i Saoly] Ary Benjamina niteraka an’i Bela, lahimatoa, sy Asbela, lahiaivo, sy Ahara, fahatelo,
- 2sy Noha, fahefatra, ary Rafa, faralahy.
- 3Ary ny zanakalahin’i Bela dia Adara sy Gera sy Abihoda
- 4sy Abisoa sy Namana sy Ahoa
- 5sy Gera sy Sefofana ary Horama.
- 6Ary izao no zanakalahin’i Ehoda (izao no lohan’ny fianakavian’ny mponina any Geba; ary nitondra azy ho babo tany Manahata,
- 7Namana sy Ahia ary Gera; izy no nitondra azy ho babo), niteraka an’i Oza sy Ahihoda izy.
- 8Ary Saharaima niteraka tao amin’ny tany Moaba taorian’ny nisaorany an’i Hosima sy Bara vadiny.
- 9Ary Hodesy vadiny no niterahany an’i Jobaba sy Ziba sy Mesa sy Malkama
- 10sy Jeoza sy Sakia ary Mirma. Ireo no zananilahy, samy lohan’ny fianakaviany avy.
- 11Ary Hosima no niterahany an’i Abitoba sy Elpala.
- 12Ary ny zanakalahin’i Elpala dia Ebera sy Misama ary Samera, izay nanorina an’i Ono sy Loda sy ny zana-bohiny;
- 13Beria koa sy Sema, izay lohan’ny fianakavian’ny mponina ao Aialona sady nandroaka ny mponina tao Gata;
- 14ary Ahio sy Sasaka sy Jeremota
- 15sy Zebadia sy Arada sy Adera
- 16sy Mikaela sy Jispa sy Joha (zanakalahin’i Beria ireo),
- 17ary Zebadia sy Mesolama sy Hizky sy Hebera
- 18sy Jismeray sy Jizlia sy Jobaba (zanakalahin’i Elpala ireo),
- 19ary Jakima sy Zikry sy Zabdy
- 20sy Elienay sy Ziletahy sy Eliala
- 21sy Adaia sy Beraia sy Simrata (zanakalahin’i Simey ireo),
- 22ary Jispana sy Hebera sy Eliala
- 23sy Abdona sy Zikry sy Hanana
- 24sy Hanania sy Elama sy Antotia
- 25sy Jifdia sy Penoela (zanakalahin’i Sasaka ireo),
- 26ary Samseray sy Seharia sy Atalia
- 27sy Jaresia sy Elia sy Zitry (zanakalahin’i Jerohama ireo).
- 28Ireo no lohan’ny fianakaviany araka ny firazanany, dia samy loholona. Ireo no nonina tany Jerosalema.
- 29Ary tao Gibeona no nonenan’ny razamben’ny an’i Gibeona, ary ny anaran’ny vadiny dia Imaka,
- 30ary Abdona no lahimatoany, dia Zora, dia Kisy, dia Bala, dia Nadaba,
- 31dia Gedora, dia Ahio, dia Zakera.
- 32Ary Miklota niteraka an’i Simea. Ireo koa dia niara-nonina tamin’ny rahalahiny tany Jerosalema nifanandrify fonenana taminy.
- 33Ary Nera niteraka an’i Kisy; ary Kisy niteraka an’i Saoly; ary Saoly niteraka an’i Jonatana sy Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala.
- 34Ary ny zanakalahin’i Jonatana dia Meribala; ary Meribala niteraka an’i Mika.
- 35Ary ny zanakalahin’i Mika dia Pitona sy Maleka sy Tarea ary Ahaza.
- 36Ary Ahaza niteraka an’i Joada; ary Joada niteraka an’i Alemeta sy Azmaveta ary Zimry; ary Zimry niteraka an’i Moza;
- 37ary Moza niteraka an’i Binea; Rafa no zanakalahin’i Binea, Elasa no zanakalahin’i Rafa, Azela no zanakalahin’i Elasa
- 38Ary Azela nanana zanaka enina mirahalahy, ka izao no anarany: Azrikama sy Bokero sy Isimaela sy Searia sy Obadia ary Hanana. Ireo rehetra ireo no zanakalahin’i Azela.
- 39Ary ny zanakalahin’i Eseka rahalahiny dia Olama, lahimatoa, sy Jeosy, lahiaivo, ary Elifeleta, faralahy.
- 40Ary ny zanakalahin’i Olama dia lehilahy mahery sady mpandefa zana-tsipìka, ary nanana zanakalahy sy zafy maro izy, dia dimam-polo amby zato. Ireo rehetra ireo no taranak’i Benjamina.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.