1 Tantara
Toko 16
- 1Ary nampiditra ny Fiaran’Andriamanitra ny olona ka nametraka azy tao afovoan’ny lay izay naorin’i Davida ho azy; ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan’Andriamanitra izy.
- 2Ary nony voatitr’i Davida ny fanatitra odorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny olona tamin’ny anaran’i Jehovah izy.
- 3Dia nizara mofo iray avy sy hena iray didy* ary ampempam-boaloboka ho an’ny Isiraely rehetra na lahy na vavy izy.[Na: divay eran’ny kapoaka]
- 4[Ny nandaminan’i Davida ny fanompoam-pivavahana, sy ny salamo natao ho fisaorana an’i Jehovah] Ary ny Levita sasany notendren’i Davida ho mpanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan’ny fiaran’i Jehovah mba hankalaza sy hisaotra ary hidera an’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely:
- 5Asafa no lohany, ary Zakaria no nanarakaraka, dia Jeiela sy Semiramota sy Jehiela sy Matitia sy Eliaba sy Benaia sy Obed-edoma ary Jeiela no nitendry ny valiha sy ny lokanga; fa Asafa no nampaneno ny kipantsona;
- 6Benaia sy Jahaziela mpisorona kosa no mpitsoka ny trompetra mandrakariva eo anoloan’ny fiaran’ny faneken’Andriamanitra.
- 7Tamin’izay andro izay no voalohan’ny nanendren’i Davida an’i Asafa sy ny rahalahiny hidera an’i Jehovah.
- 8Miderà an’i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ampahafantaro ny firenena ny asany.
- 9Mihira ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.
- 10Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina; Aoka hifaly ny fon’izay mitady an’i Jehovah.
- 11Mitadiava an’i Jehovah sy ny heriny, Katsaho mandrakariva ny tavany.
- 12Mahatsiarova ny asa mahagaga izay nataony, dia ny fahagagany sy ny fitsaran’ny vavany,
- 13Hianareo taranak’Isiraely mpanompony, Hianareo olom-boafidiny, taranak’i Jakoba.
- 14Jehovah, Izy no Andriamanitsika, manerana ny tany rehetra ny fitsarany.
- 15Tsarovy mandrakizay ny fanekeny. Dia ilay teny voadidiny ho an’ny taranaka arivo mandimby,
- 16Eny, dia ilay nataony tamin’i Abrahama sy ny fianianany tamin’Isaka,
- 17Izay naoriny ho lalàna ho an’i Jakoba sy ho fanekena mandrakizay ho an’Isiraely,
- 18Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana ho lovanareo voazara amin’ny famolaina;
- 19Fony mbola olom-bitsy ianareo, Eny, Vitsy sady vahiny tao,
- 20Ary nifindrafindra tany amin’ny firenena, sy nifindrafindra fanjakana ho amin’ny firenen-kafa,
- 21Tsy nisy navelany hampahory azy; Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin’ireo hoe:
- 22Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy Ireo mpaminaniko.
- 23Mihira ho an’i Jehovah, ry tany rehetra; Lazao isan’andro isan’andro ny famonjeny mahafaly.
- 24Ambarao any amin’ny jentilisa ny voninahiny, ary any amin’ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.
- 25Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, sady mahatahotra, fa ambonin’ny andriamanitra rehetra.
- 26Fa ny andriamanitry ny firenena rehetra dia tsinontsinona, fa Jehovah no nanao ny lanitra.
- 27Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany, Hery sy hafaliana no ao amin’ny fitoerany.
- 28Ry firenena, manomeza an’i Jehovah, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an’i Jehovah.
- 29Manomeza an’i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo anatrehany; Miankohofa eo anatrehan’i Jehovah amin’ny fihaingoana masina
- 30Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra; Izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika.
- 31Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravo ny tany; Ary aoka holazaina any amin’ny firenena hoe: Jehovah no Mpanjaka.
- 32Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy; Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra ao aminy.
- 33Dia hihoby eo anatrehan’i Jehovah amin’izay ny hazo an’ala; Fa avy hitsara ny tany Izy.
- 34Miderà an’i Jehovah, fa tsara Izy: Fa mandrakizay ny famindram-pony.
- 35Ary manaova hoe: Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ary angòny izahay, ka vonjeo tsy ho azon’ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masina, ka ho reharehanay ny fiderana Anao.
- 36Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Ary ny olona rehetra nanao hoe: Amena, sady nidera an’i Jehovah.
- 37Ary Asafa sy ny rahalahiny dia navelan’i Davida teo anoloan’ny fiaran’ny faneken’Jehovah hanao fanompoam-pivavahana ao mandrakariva araka ny raharaha tokony hatao isan’andro,
- 38ary Obed-edoma sy ny rahalahiny valo amby enim-polo sy Obed-edoma, zanak’i Jedotona, ary Hosa ho mpiandry varavarana kosa.
- 39Ary Zadoka mpisorona sy ny mpisorona rahalahiny dia navelany teo anoloan’ny tabernakelin’i Jehovah teo amin’ny fitoerana avo any Gibeona,
- 40hanatitra fanatitra dorana ho an’i Jehovah marain-tsy hariva eo amin’ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mandrakariva, ary hanao araka izay rehetra voasoratra ao amin’ny lalàn’i Jehovah, izay nandidiany ny Isiraely,
- 41ary naman’ireo koa Hemana sy Jedotona ary ny sisa amin’ny olona voafidy izay voatonona anarana hidera an’i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony.
- 42Ary tao amin’i Hemana sy Jedotona nisy trompetra sy kipantsona ho an’izay mampaneno ary ny fomban’ny zava-manenon’Andriamanitra. Ary ny zanak’i Jedotona no mpiandry varavarana.
- 43Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra, ary Davida koa lasa nody mba hitso-drano ny ankohonany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.