1 Tantara
Toko 1
- 1[Filaharan’ny firazanana hatramin’i Adama ka hatramin’i Abrahama] Adama, Seta, Enosy,
- 2Kenana, Mahalalila, Jareda,
- 3Enoka, Metosela, Lameka,
- 4Noa, Sema, Hama ary Jafeta.
- 5Ny zanakalahin’i Jafeta dia Gomera sy Magoga sy Maday sy Javana sy Tobala sy Maseta ary Tirasa.
- 6Ary ny zanakalahin’i Gomera dia Askenaza sy Rifata ary Togarma.
- 7Ary ny zanakalahin’i Javana dia Elisaha sy Tarsisy sy ny Kitima ary ny Dodanita.
- 8Ny zanakalahin’i Hama dia Kosy sy Mizraima sy Pota ary Kanana.
- 9Ary ny zanakalahin’i Kosy dia Seba sy Havila sy Sabta sy Ragarna ary Sabteka. Ary ny zanakalahin’i Ragama dia Seba sy Dedana.
- 10Ary Kosy niteraka an’i Nimroda; izy no voalohany izay tonga olona mahery teo ambonin’ny tany.
- 11Ary Mizraima niteraka ny Lodita sy ny Anamita sy ny Lehabita sy ny Naftohita
- 12sy ny Patrosita sy ny Kaslohita (izay nihavian’ny Filistina) ary ny Kaftorita.
- 13Ary Kanana niteraka an’i Sidona, lahimatoany, sy Heta
- 14ary ny Jebosita sy ny Amorita sy ny Girgasita
- 15sy ny Hivita sy ny Arkita sy ny Sinita
- 16sy ny Arvadita sy ny Zemarita ary ny Harnatita.
- 17Ny zanakalahin’i Sema dia Elama sy Asyra sy Arpahada sy Loda sy Arama sy Oza sy Hola sy Gatera ary Maseka.
- 18Ary Arpaksada niteraka an’i Sela; ary Sela niteraka an’i Ebera.
- 19Ary Ebera niteraka roa lahy: ny anaran’ny iray natao hoe Palega*, satria tamin’ny androny no nizarana ny tany; ary Joktana no anaran’ny rahalahiny.[Palega = Fizarana]
- 20Ary Joktana niteraka an’i Almodada sy Salefa sy Hazarmaveta sy Jera
- 21sy Hadorama sy Ozala sy Dikla
- 22sy Ebala sy Abimaela sy Sheba
- 23sy Ofira sy Havila ary Jobaba; ireo rehetra ireo no zanakalahin’i Joktana.
- 24Sema, Arpaksada, Sela,
- 25Ebera, Palega, Reo,
- 26Seroga, Nahora, Tera,
- 27Abrama (dia Abrahama izany).
- 28[Ny taranak’i Abrahama sy Isaka ary Esao sy Jakoba] Ny zanakalahin’i Abrahama dia Isaka sy Isimaela.
- 29Izao no taranany: Nebaiota, lahimatoan’Isimaela, dia Kedara sy Abdela sy Mibsama
- 30sy Misma sy Doma sy Masa sy Hadada sy Tema
- 31sy Jetora sy Nafisy ary Kedma. Ireo no zanakalahin’Isimaela.
- 32Ary ny zanakalahin’i Ketora, vaditsindranon’i Abrahama. Izy no niteraka an’i Zimrama sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha. Ary ny zanakalahin’i Joksana dia Sheba sy Dedana.
- 33Ary ny zanakalahin’i Midiana dia Efaha sy Efera sy Hanoka sy Abida ary Eldaha. Ireo rehetra ireo no zanakalahin’i Ketora.
- 34Ary Abrahama niteraka an’Isaka. Ny zanakalahin’i Isaka dia Esao sy Isiraely.
- 35Ny zanakalahin’i Esao dia Elifaza sy Regoela sy Jeosy sy Jalama ary Kora.
- 36Ny zanak’i Elifaza dia Temana sy Omara sy Zefo sy Gatama sy Kenaza sy Timna ary Amaleka.
- 37Ny zanakalahin’i Regoela dia Nahata sy Zera sy Sama ary Miza.
- 38Ary ny zanakalahin’i Seira dia Lotana sy Sobala sy Zibona sy Ana sy Disona sy Ezera ary Disana.
- 39Ary ny zanakalahin’i Lotana dia Hory sy Homama; ary Timna no anabavin’i Lotana.
- 40Ary ny zanakalahin’i Sobala dia Aliana sy Manahata sy Ebala sy Sefy ary Onama. Ary ny zanakalahin’i Zibona dia Aia sy Ana.
- 41Ary ny zanakalahin’i Ana dia Disona. Ary ny zanakalahin’i Disona dia Hamrana sy Esbana sa Jitrana ary Kerana.
- 42Ary ny zanakalahin i Ezera dia Bilana sy Zavana ary Jakana. Ny zanakalahin’i Disana dia Oza sy Arana.
- 43Ary izao no mpanjaka izay nanjaka tany amin’ny tany Edoma, fony tsy mbola nisy mpanjaka nanjaka tamin’ny Zanak’Isiraely: Bela, zanak’i Beora; ary Dinaba no anaran’ny tanànany.
- 44Ary maty Bela, dia nanjaka nandimby azy Jobaba, zanak’i Zera, avy any Bozra.
- 45 Ary maty Jobaba, dia nanjaka nandimby azy Hosama, avy any amin’ny tanin’ny Temanita.
- 46Ary maty Hosama, dia nanjaka nandimby azy Hadada, zanak’i Bedada, izay namely ny Midianita tany amin’ny tany Moaba; ary Avita no anaran’ny tanànany.
- 47Ary maty Hadada, dia nanjaka nandimby azy Samla avy any Masreka.
- 48Ary maty Samla, dia nanjaka nandimby azy Saoly avy any Rehobota eo amoron’ny Ony.
- 49Ary maty Saoly, dia nanjaka nandimby azy Bala-hanana, zanak’i Akbora.
- 50Ary maty Bala-hanana, dia nanjaka nandimby azy Hadada; ary Pao no anaran’ny tanànany; ary ny anaran’ny vadiny dia Mehetabela, zanakavavin’i Matreda, zanakavavin’i Me-zahaba.
- 51Dia maty koa Hadada. Ary ny loham-pirenen’i Edoma dia Timna loham-pireneny, Alva loham-pireneny, Jetata loham-pireneny,
- 52Oholibama loham-pireneny, Elaha loham-pireneny, Pinona loham-pireneny,
- 53Kenaza loham-pireneny, Temana loham-pireneny, Mibzara loham-pireneny,
- 54Magdiela loham-pireneny, Irama loham-pireneny. Ireo no loham-pirenen’i Edoma.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.