1 Tantara
Toko 25
- 1[Ny nizarana ny mpihira ho efatra amby roa-polo toko] Ary ny* taranak’i Asafa sy Hemana ary Jedotona dia natokan’i Davida sy ireo komandin’ny miaramila ho amin’ny fanompoana mba haminany amin’ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ary izao no isan’ny mpanao araka ny fanompoany avy:[Na: ny asany amin’ny]
- 2Tamin’ny zanakalahin’i Asafa dia Zakora sy Josefa sy Netania ary Asarela, zanak’i Asafa, nofehezin’i Asafa, izay naminany araka izay nifehezan’ny mpanjaka azy.
- 3Tamin’i Jedotona, ny zanany dia Gedalia sy Zery sy Jesaia sy Hasabia ary Matitia, enin-dahy ireo ka nofehezin’i Jedotona rainy, izay naminany tamin’ny lokanga hidera sy hisaotra an’i Jehovah.
- 4Tamin’i Hemana, ny zanany dia Bokia, Matania, Oziela, Seboela sy Jerimota, Hanania, Hanany, Eliata, Gidalty sy Romamti-ezera sy Josbekasa sy Maloty sy Hotira ary Mahaziota.
- 5Ireo rehetra ireo no zanak’i Hemana, mpahitan’ny mpanjaka ny amin’ny tenin’Andriamanitra, hanandratra ny tandroka. Ary Hemana dia efa nomen’Andriamanitra zazalahy efatra ambin’ny folo sy zazavavy telo.
- 6Ireo rehetra ireo no fehin’ny rainy tamin’ny hira natao tao an-tranon’i Jehovah tamin’ny kipantsona sy ny valiha sy ny lokanga hanaovana ny fanompoana ao an-tranon’Andriamanitra; Asafa sy Jedotona ary Hemana dia nofezehin’ny mpanjaka.
- 7Ary ny isany mbamin’ny rahalahiny, izay efa nianatra ny hira ho an’i Jehovah izay rehetra nahay dia valo amby valo-polo amby roan-jato.
- 8Ary nanao filokana ny amin’ny anjara-raharahany avy izy, na ny kely na ny lehibe, na ny mpampianatra na ny mpianatra.
- 9Ary ny loka voalohany dia azon’i Josefa avy amin’ny taranak’i Asafa; ny faharoa an’i Gedalia, izy mbamin’ny rahalahiny sy ny zanany, dia roa ambin’ny folo;
- 10ny fahatelo an’i Zakora, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ny folo;
- 11ny fahefatra an’i Jizry, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ny folo;
- 12ny fahadimy an’i Netania, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ny folo;
- 13ny fahenina an’i Bokia, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ny folo;
- 14ny fahafito an’i Jesarela, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ny folo;
- 15ny fahavalo an’i Jesaia, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ny folo;
- 16ny fahasivy an’i Matania, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ny folo;
- 17ny fahafolo an’i Simey, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ny folo;
- 18ny fahiraika ambin’ny folo an’i Azarela, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ny folo;
- 19ny faharoa ambin’ny folo an’i Hasabia, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ny folo;
- 20ny fahatelo ambin’ny folo an’i Sobaela, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ny folo;
- 21ny fahefatra ambin’ny folo an’i Matitia, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny dia roa ambin’ny folo;
- 22ny fahadimy ambin’ny folo an’i Jeremota, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny dia roa ambin’ny folo;
- 23ny fahenina ambin’ny folo an’i Hanania, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ny folo;
- 24ny fahafito ambin’ny folo an’i Josbekasa, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ny folo;
- 25ny fahavalo ambin’ny folo an’i Hanany, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ny folo;
- 26ny fahasivy ambin’ny folo an’i Maloty, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ny folo;
- 27ny faharoa-polo an’i Eliata, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ny folo;
- 28ny fahiraika amby roa-polo an’i Hotira, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ny folo;
- 29ny faharoa amby roa-polo an’i Gidalty, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ny folo;
- 30ny fahatelo amby roa-polo an’i Mahaziota, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ny folo;
- 31ny fahefatra amby roa-polo an’i Romamti-ezera, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ny folo.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.