1 Korintiana
Toko 8
- 1[Ny amin’ny hena izay efa natao fanatitra tamin’ny sampy] Ary ny amin’ny hena aterina amin’ny sampy, dia fantatsika fa manana fahalalana isika rehetra. Ny fahalalana mampieboebo; fa ny fitiavana no mampandroso.
- 2Fa raha misy manao azy hahalala, dia tsy mbola mahalala araka izay tokony ho fantany akory izy.
- 3Fa raha misy tia an’Andriamanitra, dia izy no fantany.
- 4Ary ny amin’ny mihinana ny hena aterina amin’ny sampy, dia fantatsika fa tsinontsinona akory ny sampy amin’izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Iray ihany.
- 5Fa na dia misy aza atao hoe andriamanitra, na any an-danitra, na etỳ an-tany (toy ny misy andriamanitra maro sy tompo maro);
- 6nefa amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, Izay nihavian’ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy, Izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa.
- 7Kanefa tsy ary manana izany fahalalana izany avokoa ny olona rehetra; fa ny sasany, satria zatra amin’ny sampy mandraka ankehitriny izao, dia homana ny hena ka mahatsiaro azy ho zavatra naterina tamin’ny sampy; ka dia voaloto ny fieritreretany, satria malemy.
- 8Fa ny hanina tsy hampaninona antsika amin’Andriamanitra; fa na dia tsy homana aza isika, dia tsy matiantoka, ary na dia homana kosa aza isika, dia tsy mahazo tombony.
- 9Nefa tandremo, fandrao izany fahafahanareo izany ho tonga fahatafintohinana ho an’ny malemy.
- 10Fa raha misy mahita anao izay manam-pahalalana mipetraka mihinana ao amin’ny tempolin’ny sampy, tsy hampahasahy ny fieritreretan’ny malemy hihinana izay hena aterina amin’ny sampy koa va izany?
- 11Fa verin’ny fahalalanao ny malemy, dia ny rahalahy izay navotan’i Kristy tamin’ny fahafatesana?
- 12Fa raha manota toy izany amin’ny rahalahy ianareo ka manimba ny fieritreretan’ny malemy, dia manota amin’i Kristy ianareo.
- 13Koa raha ny hanina no mahatafintohina ny rahalahiko, dia tsy hihinan-kena akory aho mandrakizay, fandrao mahatafintohina ny rahalahiko.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.