1 Korintiana
Toko 4
- 1Aoka hataon’ny olona ho mpanompon’i Kristy sy mpitandrina’ny zava-miafina izay an’Andriamanitra izahay.
- 2Ary raha izany, dia fantatrareo fa ny mpitandrina* dia tokony ho olona mahatoky. [* Gr: mpitandrina fananana]
- 3Fa raha ny amiko, dia ataoko ho zavatra kely foana, na hotsarainareo aho, na hotsarain’olona* fa ny tenako aza tsy mitsara ahy. [* Gr. andron’olona]
- 4Fa tsy hitako izay tsiniko, nefa tsy mahamarina ahy izany; fa ny Tompo no Mpitsara ahy:
- 5koa amin’izany aza mitsara na inona na inona alohan’ny fotoana, dia ny fihavian’ny Tompo, Izay hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ny maizina ka hampiseho ny fikasan’ny fo; dia samy hahazo izay derany avy amin’Andriamanitra izy rehetra.
- 6[Anatra noho ny fiavonavonan’ny Korintiana] Ary izany zavatra izany, ry rahalahy, nataoko oha-teny hilaza ahy sy Apolosy noho ny aminareo, mba hianaranareo aminay ny tsy hihoatra noho ny voasoratra, mba tsy hisy hireharehanareo hankalaza ny anankiray, fa hanevateva ny anankiray kosa.
- 7Fa iza no mampihoatra anao? Ary inona no anananao, izay tsy noraisinao? Fa raha nandray ihany ianao, nahoana no mirehareha hoatra ny tsy nandray?
- 8Efa afa-po sahady ianareo, efa manan-karena sahady ianareo, efa manjaka ianareo; kanefa hay! tsy izahay tsy akory no nahazoanareo izany! Enga anie ka manjaka tokoa ianareo, hiarahanay sy ianareo manjaka.
- 9Fa ataoko fa nasehon’Andriamanitra ho faraidina izahay Apostoly, dia toy izay voaheloka hovonoina; fa izahay dia natao ho fizàhan’izao rehetra izao, na anjely na olona.
- 10Izahay dia adala noho ny amin’i Kristy, fa ianareo no hendry ao amin’i Kristy! izahay malemy, fa ianareo no mahery! ianareo manandaza, fa izahay mavomavo!
- 11Mandraka ankehitriny izao dia noana sy mangetaheta sy tsy manan-kitafy sy asiana totohondry ary tsy manana antom-ponenana izahay;
- 12Ary misasatra miasa amin’ny tananay izahay; raha tevatevaina izahay, dia misaotra; raha enjehina, dia miaritra;
- 13raha tenenina mafy, dia mamaly teny moramora kosa; atao toy ny faditr’izao tontolo izao izahay, dia faikan’ny olona rehetra, mandraka ankehitriny.
- 14Tsy ny hahamenatra anareo anefa no anoratako izany zavatra izany, fa mananatra anareo toy ny zanako malalako aho.
- 15Fa na dia manana mpampianatra iray alina ao amin’i Kristy aza ianareo, dia tsy maro ray ianareo; fa izaho no niteraka anareo ao amin’i Kristy Jesosy tamin’ny filazantsara.
- 16Koa mananatra anareo aho: manahafa ahy ianareo.
- 17Ary noho izany dia nirahiko ho any aminareo Timoty, zanako malalako sy mahatoky ao amin’ny Tompo, ka izy no hampahatsiaro anareo ny fanaoko* ao amin’i Kristy, tahaka ny ampianariko ao amin’ny fiangonana rehetra eny tontolo eny. [* Gr. lalako]
- 18Fa ny sasany mirehareha hoatra ilay tsy mikasa ho avy any aminareo iny aho.
- 19Fa ho avy any aminareo faingana aho, raha sitrapon’ny Tompo, dia ho fantatro izay herin’ireo mpirehareha ireo, fa tsy ny fiteniny.
- 20Fa ny fanjakan’Andriamanitra tsy amin’ny teny, fa amin’ny hery.
- 21Inona ary no tianareo? Ho avy aminareo mitondra tsorakazo va aho, sa amin’ny fitiavana sy ny fahalemem-panahy?
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.