1 Korintiana
Toko 6
- 1[Ny tsy mahamety ny miady eo anatrehan’ny tsy mino] Misy aminareo va, raha manana ady amin’ny namany, sahy handeha hotsarain’ny olona tsy marina, fa tsy eo anatrehan’ny olona masina?
- 2Sa tsy fantatrareo fa ny olona masina dia hitsara izao tontolo izao? Ary raha hitsara izao tontolo izao ianareo, moa tsy miendrika hitsara izay zavatra madinika indrindra va ianareo?
- 3Tsy fantatrareo va fa hitsara anjely isika? mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao.
- 4Koa raha misy hotsarainareo ny amin’ny momba izao fiainana izao, moa izay ataon’ny fiangonana ho tsinontsinona va no tendrenareo ho mpitsara?
- 5Hampahamenatra anareo no itenenako izany. Hay! dia tsy misy olon-kendry aminareo, na dia iray akory aza, izay mahay manamboatra ny adin’ny rahalahiny?
- 6Fa ny rahalahy mandeha hiady amin’ny rahalahiny, na dia hotsarain’ny tsy mino aza.
- 7Ary ankehitriny dia kilema aminareo ny anananareo* ady amin’ny namanareo. Nahoana no tsy aleo mandefitra ny tsy rariny aza ianareo? Nahoana no tsy aleo maharitra hambakaina aza ianareo? [* Na: matiantoka mihitsy ny fanahinareo, raha manana]
- 8Kanjo ianareo indray no manao izay tsy marina ka manambaka na dia ny rahalahinareo aza.
- 9Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’olona sy ny sodomita* [* Izahao Lev.18.22]
- 10sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.
- 11Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa* ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika. [* Gr. efa nanasa tena]
- 12[Ny amin’ny fijangajangana tsy azo atao ho isan’ny zavatra tsy mampaninona, tahaka ny hanina samy hafa] Ny zavatra rehetra azoko atao, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra; ny zavatra rehetra azoko atao, nefa izaho tsy mety handevozin-javatra na inona na inona.
- 13Ny hanina dia ho an’ny kibo, ary ny kibo ho an’ny hanina; nefa samy holevonin’Andriamanitra izy roroa. Fa ny tena kosa dia tsy ho an’ny fijangajangana, fa ho an’ny Tompo; ary ny Tompo ho an’ny tena.
- 14Ary Andriamanitra efa nanangana ny Tompo sady hanangana antsika koa amin’ny heriny.
- 15Tsy fantatrareo va fa momba ny tena’i Kristy ny tenanareo? Moa hanala ny momba ny tenan’i Kristy va aho ka hanolotra izany ho momba ny tenan’ny vehivavy janga? Sanatria izany!
- 16Moa tsy fantatrareo va fa izay miray amin’ny vehivavy janga dia tena iray aminy? fa hoy Andriamanitra: Ho nofo iray ihany izy roroa (Gen. 2. 24).
- 17Fa izay miray amin’ny Tompo kosa dia fanahy iray aminy.
- 18Mandosira ny fijangajangana. Izay fahotana rehetra ataon’ny olona dia eny ivelan’ny tena ihany; fa ny mpijangajanga kosa dia manota mihatra amin’ny tenany.
- 19Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’Andriamanitra? ka tsy tompon’ny tenanareo ianareo.
- 20Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenanareo.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.