1 Korintiana
Toko 2
- 1Ary izaho koa, ry rahalahy, raha tonga tany aminareo, dia tsy tonga tamin’ny teny sy fahendrena marevaka, raha nitory taminareo ny zava-miafina izay* an’Andriamanitra. [*Na: [ny filazana]
- 2Fa ninia tsy hahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin’ny hazo fijaliana;
- 3ary izaho, raha tany aminareo, dia azon’ny fahalemena sy ny fahatahorana ary ny fangovitana be;
- 4ary ny teniko sy ny toriteniko dia tsy tamin’ny teny fahendrena mahataona, fa tamin’ny fanehoan’ny Fanahy sy ny hery,
- 5mba tsy niorenan’ny finoanareo amin’ny fahendren’ny olona, fa amin’ny herin’Andriamanitra ihany.
- 6Anefa milaza fahendrena amin’ny efa matanjaka izahay, fa tsy ny fahendren’izao tontolo izao, na ny an’ny mpanapaka izao tontolo izao, izay olona mihalevona;
- 7fa milaza ny fahendren’Andriamanitra izahay ka maneho zava-niafina, dia fahendrena izay nafenina sady voatendrin’Andriamanitra ho voninahitsika talohan’ny nanaovana izao tontolo izao;
- 8ary tsy nisy nahalala izany ny mpanapaka izao tontolo izao; fa raha nahalala izy, dia tsy nohomboany tamin’ny hazo fijaliana ny Tompon’ny voninahitra.
- 9Fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy mbola hitan’ny maso ary tsy mbola ren’ny sofina, na niditra tao am-pon’ny olona, na inona na inona no efa namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy (Isa. 64. 3),
- 10dia isika no nanambaran’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an’Andriamanitra aza.
- 11Fa iza no olona mahalala ny ao am-pon’olona, afa-tsy ny fanahin’ny olona izay ao anatiny ihany? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala ny ao am-pon’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’Andriamanitra ihany.
- 12Fa isika tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy amin’Andriamanitra, mba ho fantatsika izay zavatra nomen’Andriamanitra antsika.
- 13Izany koa no lazainay, tsy amin’ny teny ampianarin’ny fahendren’olona fa amin’ny teny ampianarin’ny Fanahy, raha milaza zava-panahy amin’izay olona* araka ny Fanahy** izahay. [ * Na: teny] [** Na: raha mampikambana zava-panahy; na mampitaha zava-panahy]
- 14Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ny Fanahin’Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany.
- 15Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy fantarin’olona.
- 16Fa iza no nahafantatra ny sain’ny Tompo mba hampianatra Azy*? (Isa. 40. 13). Fa izahay manana ny sain’i Kristy. [* Na: azy]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.