1 Korintiana
Toko 11
- 1Aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny anahafako an’i Kristy.
- 2[Ny amin’ny tokony hisaronan’ny vehivavy loha ao am-piangonana] Ary midera anareo aho, satria mahatsiaro ahy amin’ny zavatra rehetra ianareo sady mitana tsara ny fampianarana natolotra, araka ny nanolorako azy taminareo.
- 3Ary tiako ho fantatrareo fa Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no lohan’ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan’i Kristy.
- 4Ny lehilahy rehetra, raha mivavaka na maminany ka misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany.
- 5Fa ny vehivavy rehetra kosa, raha mivavaka na maminany ka tsy misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany, satria toy ny voaharatra izy.
- 6Fa raha tsy misaron-doha ny vehivavy, dia aoka hohetezana izy; fa raha mahamenatra ny vehivavy ny hohetezana na ny hoharatana, dia aoka hisaron-doha izy.
- 7Ny lehilahy dia tokony tsy hisaron-doha, satria endrika sy voninahitr’Andriamanitra izy; fa ny vehivavy kosa no voninahitry ny lehilahy.
- 8Fa tsy ny vehivavy no nihavian’ny lehilahy; fa ny lehilahy no nihavian’ny vehivavy.
- 9Fa tsy ny lehilahy no natao ho an’ny vehivavy, fa ny vehivavy no ho an’ny lehilahy.
- 10Izany no mahamety ny vehivavy hisaron-doha* noho ny amin’ny anjely. [*Gr. hanana fahefana eo amin’ny lohany]
- 11Kanefa ao amin’ny Tompo tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy.
- 12Fa toy ny nihavian’ny vehivavy avy tamin’ny lehilahy, dia toy izany koa no nihavian’ny lehilahy avy tamin’ny vehivavy; fa Andriamanitra kosa no ihavian’ny zavatra rehetra.
- 13Hevero ao am-ponareo: Mendrika va raha mivavaka amin’Andriamanitra ka tsy misaron-doha ny vehivavy?
- 14Tsy mampianatra anareo va izao fomban’ny zavatra rehetra izao fa raha lava volo ny lehilahy, dia mahafa-boninahitra azy izany?
- 15Fa raha lava volo kosa ny vehivavy, dia voninahitra ho azy izany fa ny volo no nomena azy ho fisaronana.
- 16Fa raha misy olona toa tia ady, dia tsy manana izany fanao izany isika, na ny fiangonan’Andriamanitra.
- 17[Ny amin’ny Fanasan’ny Tompo] Ary raha manao izao didy izao aho, dia tsy midera anareo tsy akory, satria tsy miangona hihatsara ianareo, fa hiharatsy.
- 18Fa voalohany indrindra, raha miangona ao am-piangonana ianareo, dia reko fa misy fisarahana eo aminareo; ary mba misy inoako ihany izany.
- 19Fa tsy maintsy misy fitokoana eo aminareo, mba haseho eo aminareo izay olona ankasitrahana.
- 20Koa raha miangona ianareo, dia tsy misy hihinanana ny Fanasan’ny Tompo akory.
- 21Fa raha mihinana ianareo, dia samy homana ny sakafony avy aloha ianareo; koa ny anankiray dia noana, fa ny anankiray kosa mamo.
- 22Moa tsy manan-trano hihinanana sy hisotroana va ianareo? Sa manao tsinontsinona ny fiangonan’Andriamanitra ka manome henatra ny tsy manana? Inona no holazaiko aminareo? Hidera anareo va aho? Tsy hidera anareo amin’izany aho.
- 23Fa izaho efa nandray tamin’ny Tompo izay natolotro anareo kosa, fa Jesosy Tompo tamin’iny alina iny izay namadihana Azy, dia nandray mofo,
- 24ary rehefa nisaotra Izy, dia novakiny, ka hoy Izy: Ity no tenako* ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. [* Ampio hoe: [izay vakina]
- 25Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin’ny rako; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro ianareo.
- 26Fa na oviana na oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo ianareo mandra-pihaviny.
- 27Koa na zovy an zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin’ny kapoaky ny Tompo amin’ny fanahy tsy mendrika, dia ho meloka ny amin’ny tena sy ny ran’ny Tompo izy.
- 28Fa aoka ny olona hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin’ny kapoaka.
- 29Fa izay rehetra mihinana sy misotro dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an’ny tenany, raha tsy mamantatra ny tena izy.
- 30Noho izany dia betsaka no marary sy marofy eo aminareo, ary maro ihany no efa nodi-mandry.
- 31Fa raha mba mamantatra ny tenantsika isika, dia tsy mba hotsaraina.
- 32Fa raha tsaraina isika, dia faizan’ny Tompo mba tsy hohelohina miaraka amin’izao tontolo izao.
- 33Koa raha miangona hihinana ianareo, ry rahalahy, dia mifampiandrasa*. [* Na: mifampizarà]
- 34Ary raha misy olona noana, aoka izy hihinana no an-tranony, mba tsy hiangonanareo ho fahamelohana. Ary ny zavatra sisa dia halahatro, rehefa tonga aho.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.