1 Korintiana
Toko 5
- 1[Anatra noho ny tsy nanesorany ilay lehilahy nanao fitondran-tena vetaveta] Efa re marina fa misy fijangajangana atỳ aminareo, eny, dia fijangajangana izay tsy misy tahaka azy na dia amin’ny jentilisa asa, fa misy anankiray manambady ny vadin-drainy.
- 2Ary ianareo indray va no mirehareha, ka tsy nampalahelo anareo akory izany, mba hesorina tsy ho ao aminareo ilay nanao izany zavatra izany?
- 3Fa izaho, na dia tsy teo aza ny tenako, nefa teo ihany ny fanahiko, dia efa nitsara sahady an’ilay nanao toy izany, tahaka ny teo ihany aho:
- 4amin’ny anaran’i Jesosy Tompontsika - rehefa tafangona ianareo sy ny fanahiko omban’ny herin’i Jesosy Tompontsika -
- 5hanolotra izany anankiray izany ho an’i Satana hanimbana ny nofo, mba hamonjena ny fanahy amin’ny andron’i Jesosy Tompo.
- 6Tsy mety ny fireharehanareo. Tsy fantatrareo va fa ny masirasira kely dia mahazo ny vongana rehetra?
- 7Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika;
- 8ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin’ny masirasira ela, na amin’ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin’ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana.
- 9Nanoratra taminareo teo amin’ny epistily aho mba tsy hiharoharoanareo amin’izay mpijangajanga;
- 10nefa tsy ny mpijangajanga rehetra amin’izao tontolo izao, na ny mpierina sy ny mpanao an-keriny, na ny mpanompo sampy; fa raha izany, dia tsy maintsy miala amin’izao tontolo izao ianareo.
- 11Fa ny nanoratako taminareo, dia ny mba tsy hiharoharoanareo aminy, raha misy atao hoe rahalahy, nefa mpijangajanga, na mpierina, na mpanompo sampy, na mpanaratsy, na mpimamo, na mpanao an-keriny, dia aza miara-mihinana akory amin’ny toy izany ianareo.
- 12Fa ahoako ny hitsara ny any ivelany? Tsy ny ao anatiny va no tsarainareo?
- 13Fa ny any ivelany dia tsarain’Andriamanitra. Esory aminareo ilay mpanao ratsy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.