1 Korintiana
Toko 3
- 1[Ny amin’ny raharahan’ny mpitoriteny, sy ny mbola hizahan-toetra azy] Ary izaho, ry rahalahy, tsy nahazo niteny taminareo tahaka ny amin’izay araka ny Fanahy, fa tahaka ny amin’izay mbola nofo, dia tahaka izay mbola zaza ihany ao amin’i Kristy.
- 2Ronono no nomeko anareo, fa tsy ventin-kanina, satria tsy mbola natanjaka ianareo; eny, mbola tsy matanjaka mandraka ankehitriny aza,
- 3fa mbola araka ny nofo ihany ianareo. Fa raha misy fialonana sy fifandirana eo aminareo, tsy araka ny nofo va ianareo ka mandeha araka ny fanaon’ny olona?
- 4Fa raha hoy ny anankiray: Izaho an’i Paoly, ary ny anankiray kosa: Izaho an’i Apolosy, moa tsy olona ihany va ianareo?
- 5Koa inona moa Apolosy, ary inona moa Paoly? Mpanompo ihany izay nahatonga anareo ho mpino ireo, dia samy araka ny nomen’ny Tompo azy avy.
- 6Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo.
- 7Ka dia tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa Andriamanitra Izay mampitombo no izy.
- 8Ary iray ihany ny mpamboly sy ny mpandena; nefa samy handray izay valim-pitiany avy araka ny fisasarany izy.
- 9Fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay; ary sahan’Andriamanitra sy trano arafitr’Andriamanitra ianareo.
- 10Araka ny fahasoavan’Andriamanitra nomena ahy, tahaka ny fanaon’ny mpità-marika mahay no nanaovako ny fanorenana, ary ny hafa mandrafitra eo amboniny; nefa aoka ny olona rehetra hitandrina izay arafiny eo amboniny.
- 11Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy.
- 12Ary raha misy mandrafitra volamena, na volafotsy, na vato tsara, na hazo, na bozaka, na mololo, eo ambonin’ny fanorenana,
- 13dia haseho avokoa ny asan’ny olona rehetra; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin’afo izany andro izany*, ka dia hozahan-toetra, amin’ny afo ny asan’ny olona rehetra. [* Na: izany]
- 14Raha maharitra ny asan’ny olona, izay narafiny teo amboniny, dia handray valim-pitia izy.
- 15Raha ho levon’ny afo ny asan’ny olona, dia ho fatiantoka izy; fa ny tenany kosa dia hovonjena, nefa toy ny avy ao amin’ny afo ihany izy.
- 16Tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra ianareo, ary ny Fanahin’Andriamanitra mitoetra no anatinareo?
- 17Raha misy manimba ny tempolin’Andriamanitra, dia mba hosimban’Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin’Andriamanitra, dia ianareo izany*. [* Na: dia masina koa ianareo]
- 18Aza misy mamita-tena. Raha misy eo aminareo manao azy ho hendry amin’izao tontolo izao, aoka ho adala izy mba ho hendry.
- 19Fa ny fahendren’izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra; fa voasoratra hoe: Ny hafetsen’ny hendry ihany no entiny misambotra azy (Joba 5. 13).
- 20Ary indray: Jehovah no mahalala ny hevitry ny hendry fa zava-poana izany (Sal. 94. 11)
- 21Ka dia aza misy manao olona ho reharehany; fa anareo ny zavatra rehetra:
- 22na Paoly, na Apolosy, na Kefasy, na izao tontolo izao, na fiainana, na fahafatesana, na ny zavatra ankehitriny, na ny zavatra ho avy; dia anareo izany rehetra izany;
- 23ary ianareo an’i Kristy ary Kristy an’Andriamanitra.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.