1 Korintiana
Toko 16
- 1[Ny amin’ny famoriam-bola ho an’ny olona malahelo tany Jerosalema. Teny farany sy fanaovam-beloma] Ary ny amin’ny famoriam-bola ho an’ny olona masina, dia mba manaova koa ianareo toy izay nasaiko nataon’ny fiangonana any Galatia.
- 2Amin’ny andro voalohany isan-kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin’inona na amin’inona no anambinana azy, mba ho vita rahateo ny famoriam-bola mandra-pahatongako.
- 3Ary rehefa tonga aho, dia izay sitrakareo no hirahiko hitondra taratasy hanatitra ny fiantranareo ho any Jerosalema.
- 4Ary raha tokony handehanako izany, dia hiaraka amiko ireo.
- 5Hankatỳ aminareo aho, rehefa namaky an’i Makedonia - fa hamaky an’i Makedonia aho -
- 6ary angamba hitoetra eo aminareo aho, na handany ny ririnina aza, mba hanateranareo ahy amin’izay halehako.
- 7Fa tsy mikasa hamangy anareo toy ny mandalo aho ankehitriny; fa manantena hitoetra elaela eo aminareo aho, raha sitrapon’ny Tompo.
- 8Nefa hitoetra any Efesosy aho mandra-pihavin’ny Pentekosta;
- 9fa varavarana lehibe no voavoha ho ahy hahazoako miasa tsara, nefa maro ny mpanohitra.
- 10Ary rehefa tonga Timoty, dia tandremo mba tsy hanan-tahotra eo aminareo izy; fa ny asan’ny Tompo no ataony, tahaka ny ataoko koa.
- 11Koa aza avela hisy olona hanao tsinontsinona azy; fa atero soa aman-tsara izy mba ho tonga atỳ amiko; fa miandry azy mbamin’ny rahalahy sasany aho.
- 12Ary ny amin’i Apolosy rahalahy, dia nangataka azy fatratra aho hiara-mandeha amin’ny rahalahy hankatỳ aminareo, saingy tsy sitrapony akory ny handeha tamin’izany*; nefa ho avy ihany izy, rehefa misy andro mahalalaka azy. [* Na: saingy tsy sitrapon’Andriamanitra ny handehanany ankehitriny]
- 13Miambena* ianareo, tomoera tsara amin’ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza. [* Gr. miareta tory]
- 14Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ny fitiavana.
- 15Fantatrareo ny ankohonan’i Stefanasy, fa voaloham-bokatr’i Akaia izy sady efa nanolo-tena ho amin’ny fanompoana ny olona masina; dia mangataka aminareo aho, ry rahalahy,
- 16mba hanaiky tsara ny olona tahaka ireny sy izay rehetra miara-miasa sy mikely aina koa ianareo.
- 17Faly aho noho ny fihavian’i Stefanasy sy Fortonato ary Akaiko; fa ireo no nahefa ny tsy vitanareo;
- 18fa namelombelona ny fanahiko sy ny anareo koa izy; ka mba ekeo ny tahaka ireny.
- 19Manao veloma anareo ny fiangonana atỳ Asia. Manao veloma anareo indrindra ao amin’ny tompo Akoila sy Prisila mbamin’ny fiangonana izay ao an-tranony.
- 20Manao veloma anareo ny rahalahy rehetra. Mifanaova veloma amin’ny fanorohana masina.
- 21Ny tanako, izaho Paoly, no anaovako veloma.
- 22Raha misy tsy tia ny Tompo, aoka ho voaozona* izy. Maran ata**. [* Gr. anatema] [** Maran ata = Avy ny Tompontsika (?)]
- 23Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompo;
- 24ny fitiavako dia ao aminareo rehetra ao amin’i Kristy Jesosy. Amena.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.