Jeremia
Toko 6
- 1[Ny fahantomotry ny loza voalaza] Hianareo, zanak’i Benjamina, mandosira faingana hiala an’i Jerosalema, ary tsofy ao Tekoa ny anjomara, ka manaova tsangan’afo* ao Beti-hakerema; Fa misy loza sy fandringanana be miposaka avy any avaratra.[Na: manangàna famantarana]
- 2Ziona zanakavavy dia ampitoviko amin’ny fiandrasan-ondry misy ahitra milenodenoka*.[Na: Aringako ilay tsara tarehy sy mihantahanta, dia Ziona zanakavavy]
- 3Ao aminy no alehan’ny mpiandry sy ny ondry; Haoriny manodidina azy ny lainy, ka samy handany ny ao akaikiny avy izy.
- 4Mitaova ianareo hanao ady masina hamelezana azy; Mitsangàna, ka andeha isika hiakatra antoandro. Lozantsika! fa lasan-davitra ny andro, ka efa mandroso ny aloky ny hariva.
- 5Mitsangàna, ka andeha isika hanao latsak’alina, ary aoka horavantsika ny trano-beny.
- 6Fa izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro; Kapao ny hazo, ary manandrata tovon-tany hamelezana an’i Jerosalema; Io ilay tanàna hovaliana, feno fampahoriana ny ao anatiny.
- 7Toy ny loharano mampiboiboika ny ranony no ampiboiboihany ny faharatsiany; An-keriny sy fandravana no re ao aminy; Eo anatrehako mandrakariva ny faharariana sy ny faharatrana.
- 8Minoa anatra ianao, ry Jerosalema, fandrao miombotra miala aminao ny fanahiko, ary fandrao hataoko tany lao ianao, dia tany tsy honenana.
- 9Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Hotsimponina fatratra toy ny fitsimpona voaloboka izay sisa amin’ny Isiraely; Avereno ho amin’ny sakeliny* ny tananao toy ny mpioty voaloboka.[Na: harona]
- 10Iza no hilazako sy hanariko mba handrenesany? Indro, ny sofiny dia tsy voafora, ka tsy mahahaino izy; He! tsatsoiny ny tenin’i Jehovah ka tsy ankamaminy.
- 11Fa ny fahatezeran’i Jehovah mahafeno ahy ka tsy zakako tsindriana intsony! Aidino amin’ny ankizy madinika eny an-dalambe sy amin’ny fiokoan’ny zatovo izany; Fa na lehilahy na vehivavy dia hosamborina avokoa, ary ny anti-panahy mbamin’ny ela niainana koa;
- 12Ary ho lasan’ny sasany ny tranony mbamin’ny sahany sy ny vehivavy koa; Fa hahinjitro amin’ny mponina amin’ny tany ny tanako, hoy Jehovah,
- 13Satria izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia samy fatra-pila harena avokoa; Na ny mpaminany na ny mpisorona dia samy mamitaka avokoa.
- 14Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran’ny oloko zanakavavy tamin’ny nanaovany hoe: Fiadanana, fiadanana; Kanjo tsy misy fiadanana tsinona!
- 15Nomenarina izy noho ny nanaovany fahavetavetana, nefa tsy mba menatra akory izy ary tsy mba valahara; Koa ho lavo ao amin’izay lavo izy, amin’ny andro hamaliako azy dia ho tafintohina izy, hoy Jehovah.
- 16Izao no lazain’i Jehovah: Mijanona eo an-dalana ianareo, ka izahao, ary anontanio izay lalana masaka hatry ny ela. Dia izay lalana mankany amin’ny tsara, ka iny no izory, dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo; Nefa hoy izy: Tsy hizotra izahay.
- 17Ary nasiako mpitily ianareo hanao hoe: Henoy ny feon’ny anjomara! Nefa hoy ianareo*: Tsy hihaino izahay.[Heb. izy]
- 18Koa henoinareo, ry jentilisa, ary aoka ho fantatrareo, ry fiangonana, ny hanjo azy.
- 19Henoy, ry tany! Indro, Izaho hahatonga loza amin’ity firenena ity, dia ny vokatry ny heviny ihany; Fa tsy nihaino ny teniko izy, ary nolaviny ny lalàko.
- 20Nahoana no itondrana ditin-kazo mani-pofona avy any Sheba Aho sy veromanitra avy any amin’ny tany lavitra? Tsy sitrako ny fanatitra doranareo, ary tsy mamiko ny zavatra vonoinareo hatao fanatitra.
- 21Koa izao no lazain’i Jehovah: Indro hasiako fahatafintohinana eo amin’ity firenena ity, ka dia samy ho tafintohina amin’izany ny ray mbamin’ny zanany; Ho faty ny olona mbamin’ny namany.
- 22Izao no lazain’i Jehovah: Indro, misy firenena avy any amin’ny tany avaratra, dia firenena lehibe mitsangana avy any amin’ny faran’ny tany;
- 23Tsipika sy lefona no entiny, lozabe sady tsy mamindra fo izy; Ny feony dia mirohondrohona toy ny ranomasina, sady mitaingin-tsoavaly izy ary voaomana tahaka ny lehilahy ho amin’ny ady, hamelezana anao, ry Ziona zanakavavy.
- 24Efa renay ny lazany, ka miraviravy tanana izahay; Fahoriana no mahazo anay, eny, fanaintainana tahaka ny vehivavy raha miteraka.
- 25Aza mivoaka ho any an-tsaha, ary aza mandeha amin’ny lalambe; Fa manan-tsabatra ny fahavalo, misy fampangorohoroana manodidina.
- 26Ry oloko zanakavavy, misikìna lamba fisaonana ianao, ary mihosena lavenona, ka manaova fisaonana toy ny fisaonana zanakalahy tokana, dia fitomaniana fatratra; Fa ho avy tampoka amintsika ny mpandringana.
- 27Ho mpizaha toetra ao amin’ny oloko no nanendreko anao, dia ho fiarovana mafy, mba ho fantatrao sy hizahanao toetra ny alehany.
- 28Tena maditra avokoa izy rehetra ka mandehandeha manaratsy, varahina sy vy izy; Samy mpanao ratsy avokoa izy rehetra.
- 29May ny tafoforana, levon’ny afo ny firaka, foana ny nandrendrehan’ny mpandrendrika, fa tsy voaisotra ny ratsy.
- 30Ataon’ny olona hoe, volafotsy tsy lany izy, satria tsy lanin’i Jehovah.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.