Jeremia
Toko 2
- 1[Ny fivadihan’ny Isiraely ampitahaina amin’ny tsi-fiovan’ny fitiavan’Andriamanitra] Ary tonga tamiko ny tenin’i Jehovah hoe:
- 2Mandehana, ka miantsoa eo anatrehan’i Jerosalema hoe: Izao no lazain’i Jehovah: Tsaroako ny niraiketan’ny fonao tamiko, fony ianao mbola tanora, sy ny fitiavanao, fony ianao vao nampakarina, dia ilay nanarahanao Ahy tany an-efitra, teny amin’ny tany tsy mbola nifafy zavatra;
- 3Masina ho an’i Jehovah ny Isiraely sady santatra amin’ny vokany; Izay rehetra nihinana azy dia nohelohina, ny loza no nanjo ireny, hoy Jehovah.
- 4Mihainoa ny tenin’i Jehovah, ry taranak’i Jakoba, sy ianareo, ry fokony rehetra amin’ny taranak’Isiraely!
- 5Izao no lazain’i Jehovah: Inona moa no tsy marina hitan’ny razanareo tamiko, no dia nanalavitra Ahy izy sady nanaraka ny zava-poana, ka dia tonga zava-poana koa izy?
- 6Ary izy tsy nanao hoe: Aiza Jehovah Izay nitondra antsika niakatra avy tany amin’ny tany Egypta sady nitarika antsika tany an-efitra, dia ilay tany foana sady be lavaka, tany karankaina sady aloky ny fahafatesana, tany izay tsy mba nalehan’olona akory na nonenan’olona?
- 7Ary nitondra anareo niditra ho any amin’ny tany mahavokatra Aho, mba hihinananareo ny vokatra sy ny zavatra tsara eo aminy; Kanjo nony tafiditra ianareo, dia nolotoinareo ny taniko, sady novetavetainareo ny lovako.
- 8Ny mpisorona tsy nanao hoe: Aiza Jehovah? Ary ny mpiadidy ny lalàna tsy nahalala Ahy; Ny mpitondra* koa nanota tamiko, ary ny mpaminany naminany tamin’ny anaran’i Bala ka nanaraka ireny tsy mahasoa.[Heb. mpiandry ondry]
- 9Koa mbola hifandahatra aminareo Aho, hoy Jehovah, sy hiady amin’ny zafinareo koa.
- 10Fa mità ho any amin’ny moron-dranomasin’i Kitima, ka izahao, ary maniraha ho any Kedara, ka diniho tsara, dia aoka ho hitanareo na mba efa nisy toy izao, na tsia:
- 11Moa nisy firenena efa nanova ny andriamaniny va? Nefa ireny dia tsy Andriamanitra akory. Fa ny oloko kosa efa nanakalo ny voninahiny tamin’ireny tsy mahasoa ireny.
- 12Talanjona amin’izany ry lanitra! Ary matahora, ka mangorohoroa indrindra, ianareo! hoy Jehovah;
- 13Fa zava-dratsy roa loha no nataon’ny oloko: Efa nahafoy Ahy, loharanon’aina, izy ka nihady lavaka famorian-drano ho an’ny tenany, nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano.
- 14Moa mpanompo va Isiraely? Ompikely va izy? Koa nahoana no voababo izy?
- 15Hamely azy no ampieronan’ny liona tanora sy amoahany feo ka mahatonga ny taniny ho lao nodorana ny tanànany, ka tsy nisy mponina.
- 16Ny mponina tao Memfisa* sy Tapanesa aza efa nampangadihady ny tampon-dohanao.[Heb. Nofa]
- 17Moa tsy ny nahafoizanao an’i Jehovah Andriamanitrao tamin’ny andro nitondrany anao teny an-dalana va no nahatonga izany taminao?
- 18Koa inona no anton’ny ankanesanao amin’ny lalana mankany Egypta Hisotro ny ranon’i Sihora*? Ary inona no anton’ny ankanesanao amin’ny lalana mankany Asyria hisotro ny rano amin’ny Ony**? [*Neily][**Eofrata]
- 19Ny haratsianao no anafaizana anao, ary ny fihodinanao no ananarana anao; Koa fantaro sy hevero fa ratsy sady mangidy ny nahafoizanao an’i Jehovah Andriamanitrao sy ny tsy nisian’ny tahotrao Ahy, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.
- 20Fa hatramin’ny ela no efa nanapahanao ny zioga taminao sy efa nanitosanao ny fatoranao, ka hoy ianao: Tsy hety hanompo aho; Nefa teny amin’ny havoana andrandraina sy teny ambanin’ny hazo maitso rehetra no nandrianao nijangajanganao.
- 21Fa Izaho namboly anao ho karazam-boaloboka tsara indrindra, dia rantsana tsara avokoa; Ka ahoana no nanjary sampany ratsy ianao ho voaloboka hafa?
- 22Fa na dia misasa sirahazo aza ianao ka maka lavenona betsaka hanadiovana anao, ny helokao dia mbola voasoratra* eo anatrehako ihany, hoy Jehovah Tompo.[Na: maloto]
- 23Ahoana no anaovanao hoe: Tsy nanao izay nahaloto ahy aho, tsy nanaraka ireo Bala aho? Hevero ny nalehanao tany amin’ilay lohasaha, fantaro izay nataonao, ry ramevavavy haingam-pandeha mivezivezy amin’ny alehany,
- 24Sy ry borikivavi-dia tamàna any an-efitra, izay manimbolo ny rivotra noho ny faniriany; Ary ny fahamaimaizany iza no mahasakana azy? Izay rehetra mitady azy dia tsy ho sasa-poana; Fa amin’ny volany no hahitany azy.
- 25Aza esorina ny kapa amin’ny tongotrao; Ary aoka tsy ho maina ny tendanao; Nefa hoy ianao: Tsy misy fanantenana; Tsia! fa ny hafa no tiako, ka dia hanaraka azy aho.
- 26Toy ny fangaihain’ny mpangalatra, raha azo, dia toy izany ny fangaihain’ny taranak’Isiraely, eny, izy sy ny mpanjakany sy ny lehibeny sy ny mpisorony ary ny mpaminaniny,
- 27Dia izay manao amin’ny tapa-kazo hoe: Raiko ianao, ary amin’ny vato hoe: Hianao no niteraka ahy; Fa efa niamboho Ahy izy ka tsy nanatrika Ahy; Nefa amin’ny andro fahoriany kosa dia vao hanao hoe izy: Mitsangàna, ka vonjeo izahay.
- 28Fa aiza ireny andriamanitrao izay nataonao ho anao? Aoka hitsangana ireny, raha mahavonjy anao amin’ny andro fahorianao fa araka ny isan’ny tanànanao, ry Joda, no isan’ny andriamanitrao.
- 29Nahoana no mifandahatra amiko ianareo? Fa samy efa niodina tamiko ianareo rehetra, hoy Jehovah.
- 30Foana ny namelezako ny zanakareo, fa tsy zaka nanarina izy; Ny sabatrareo nandringana* ny mpaminaninareo, toy ny liona mamiravira.[Heb. nihinana]
- 31Ry taranaka, dinihonareo ny tenin’i Jehovah! Moa efa nanjary tany efitra ho an’ny Isiraely va Aho, na tany maizim-pito*? Nahoana ny oloko no manao hoe: Afaka mikarenjy izahay ka tsy hankany aminao intsony?[Na: tany misy aizim-pito avy amin’i Jehovah]
- 32Hanadino ny firàvany va ny virijina, na hanadino ny fehin-kibony misy haingony va ny ampakarina? Nefa tsy hita isa ny andro nanadinoan’ny oloko Ahy.
- 33Kanto izany fandehanao hitady fitia izany, ka zarinao ho amin’ny ratsy ny dianao*![Na: Ka na dia ny vehivavy ratsy fanahy aza dia ampianarinao ny fombanao]
- 34Ary koa eo an-tsisin-dambanao no ahitana ny ran’ny olona malahelo izay tsy manan-tsiny, tsy tamin’ny tami-trano no nahazoanao azy, fa tamin’izany rehetra izany.
- 35Nefa hoy ianao: Tsy manan-tsiny aho, efa afaka amiko tokoa ny fahatezerany. Indro, hifandahatra aminao Aho noho ny anaovanao hoe: Tsy nanota aho.
- 36Nahoana ianao no maika hanova ny alehanao? Fa ho menatra noho ny amin’i Egypta koa ianao, toy ny nahamenaranao noho ny amin’i Asyria.
- 37Izany koa dia hialanao, ka hiloloha tanana ianao; Fa nolavin’i Jehovah ny tokinao, ka tsy hambinina amin’ireo ianao.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.