Jeremia
Toko 21
- 1[Ny amin’ny hahafahan’ny Kaldeana an’i Jerosalema] Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’i Jehovah, fony Zedekia mpanjaka naniraka an’i Pasora, zanak’i Malkia, sy Zefania, zanak’i Mahasela mpisorona, hankany aminy hanao hoe:
- 2Masìna ianao, manontania amin’i Jehovah ho anay; miady aminay Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, angamba Jehovah hanao aminay araka ny asany mahagaga rehetra, mba hialan’ireo aminay.
- 3Dia hoy Jeremia taminy: Lazaonareo amin’i Zedekia hoe:
- 4Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, haveriko ny fiadiana eny an-tananareo, izay entinareo miady eny ivelan’ny manda amin’ny mpanjakan’i Babylona sy amin’ny Kaldeana, izay manao fahirano anareo, ka hangoniko eto afovoan’ity tanàna ity ireo.
- 5Ary Izaho no hiady aminareo amin’ny tanana ahinjitra sy amin’ny sandry mahery ary amin’ny fahavinirana sy ny fisafoahana ary ny fahatezerana mirehitra.
- 6Ary hamely ny mponina amin’ity tanàna ity Aho, na olona, na biby: ho fatin’ny aretim-be mandringana izy.
- 7Ary rehefa afaka izany, hoy Jehovah, Zedekia, mpanjakan’ny Joda, sy ny mpanompony sy ny vahoaka ary izay sisa tsy matin’ny areti-mandringana sy ny sabatra sy ny mosary amin’ity tanàna ity dia hatolotro eo an-tànan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, sy eo an-tànan’ny fahavalony sy eo an-tànan’izay mitady ny ainy; dia hamely azy amin’ny lelan-tsabatra ireo, fa tsy hitsitsy na hiantra azy, na hamindra fo aminy.
- 8Ary ity firenena ity dia hilazanao hoe: Izao no lazain’i Jehovah: Indro, ataoko eo anoloanareo ny lalan’ny fiainana sy ny lalan’ny fahafatesana:
- 9Izay mbola mitoetra eto amin’ity tanàna ity ihany dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana izay manao fahirano anareo kosa dia ho velona, ka ny ainy no ho babony.
- 10Fa efa manandrina ity tanàna ity Aho hahatonga loza aminy, fa tsy soa, hoy Jehovah; hatolotro eo an-tànan’ny mpanjakan’i Babylona ity ka hodoroany amin’ny afo.
- 11Ary henoy ny tenin’i Jehovah ny amin’ny taranaky ny mpanjakan’ny Joda sy ny mpianakaviny.
- 12Ry taranak’i Davida, izao no lazain’i Jehovah: Mitsarà isa-maraina, afaho amin’ny tanan’ny mpampahory ny alona norobaina, fandrao mivoaka toy ny afo ny fahatezerako ary mirehitra ka tsy hisy hamono noho ny faharatsian’ny ataonareo.
- 13Indro, hohatoniko ianao, ry mponina an-dohasaha, dia eo amin’ny vatolampy amin’ny tany lemaka, hoy Jehovah, dia ianareo izay manao hoe: Iza moa no sahy hidina hamely anay? Ary iza no sahy hiditra ato amin’ny fonenanay?
- 14Fa hamaly anareo araka ny vokatry ny asanareo Aho, hoy Jehovah, ary handrehitra afo ao amin’ny alany, ka handevona ny manodidina azy rehetra izany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.