Jeremia
Toko 23
- 1[Faminaniana ny amin’ny mpiandry tsara, indrindra fa ny Rantsan’i Davida] Lozan’ireo mpiandry izay manimba sy mampihahaka ny ondry fiandriko, hoy Jehovah
- 2Koa izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin’ireo mpiandry izay miandry ny oloko: Hianareo efa nampihahaka ny ondriko sy nandronjindronjina azy, fa tsy nanolokolo azy; Koa, indro, hovaliako ianareo noho ny faharatsian’ny ataonareo, hoe Jehovah
- 3Ary Izaho hanangona ny ondriko sisa avy any amin’ny tany rehetra izay nandroahako azy ka hampodiko ho any amin’ny saha niandrasana azy, dia hitombo sy hihamaro izy
- 4Ary hanendry mpiandry ho azy Aho, ka dia hiandry azy ireo; Ka tsy hatahotra na hivadi-po intsony izy, sady tsy hisy tsy ho voavory, hoy Jehovah.
- 5Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hananganako Rantsana* marina ho an’i Davida, ka hanjaka Izy sady ho hendry ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin’ny tany.[Na: Solofo]
- 6Amin’ny androny no hamonjena ny Joda, sy handrian’ny Isiraely fahizay, ary izao no anarany izay hanononana Azy: Jehovah Fahamarinantsika.
- 7Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay tsy hanaovana intsony hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak’Isiraely niakatra avy tany amin’ny tany Egypta;
- 8Fa izao kosa: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny taranak’Isiraely niakatra sady nitarika azy avy tany amin’ny tany avaratra sy avy tany amin’ny tany rehetra izay nandroahako azy; Dia honina ao amin’ny taniny izy.
- 9[Faminaniana ny amin’ny mpaminany sandoka] Ny amin’ireo mpaminany. Montsamotsana ato anatiko ny foko, mangozohozo ny taolako rehetra, toy ny olona mamo aho, ary toy ny lehilahy leon-divay, noho ny amin’i Jehovah sy noho ny teniny masina.
- 10Fa feno mpijangajanga ny tany; Ary noho ny ozona no isaonan’ny tany, efa maina ny kijana any an-efitra; Ary efa ratsy ny fanaon*’ny olona, sady ny tsi-fahamarinana no heriny.[Heb. lalan’]
- 11Fa na mpaminany na mpisorona dia samy mpihatsaravelatsihy* avokoa; Na dia tao an-tranoko aza dia mbola hitako ihany ny haratsiany, hoy Jehovah.[Na: ratsy fanahy]
- 12Koa dia ho toy ny lala-malama amin’ny aizim-pito ny lalany; Haronjina izy, ka dia ho potraka ao; Fa hahatonga loza aminy Aho amin’ny taona hamaliana azy, hoy Jehovah.
- 13Ary tamin’ny mpaminanin’i Samaria no nahitako zavatra mahaloiloy: Naminany tamin’i Bala izy ka nampivily ny Isiraely oloko,
- 14Ary tamin’ny mpaminanin’i Jerosalema koa no nahitako zavatra mahatsiravina; Mijangajanga sy mandeha araka ny lainga izy sady mampahery ny tanan’ny mpanao ratsy, ka samy tsy miala amin’ny faharatsiany; Eny, izy rehetra dia tonga tahaka an’i Sodoma raha amiko, ary ny mponina ao dia tonga tahaka an’i Gomora.
- 15Koa izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro, ny amin’ireo mpaminany ireo: Indro, hofahanako zava-mahafaty izy sy hampisotroiko rano mangidy, satria avy tamin’ny mpaminanin’i Jerosalema no nivoahan’ny faharatsiana ho any amin’ny tany rehetra.
- 16Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Aza mihaino ny tenin’ny mpaminany izay maminany aminareo, fa manadala anareo ireo; Ny fahitana avy ao am-pony ihany no lazainy, fa tsy izay aloaky ny vavan’i Jehovah.
- 17Milaza mandrakariva amin’izay manamavo Ahy izy hoe: Jehovah nanao hoe: Hahita fiadanana ianareo, ary amin’izay rehetra mandeha araka ny ditry ny fony hoe: Tsy hisy loza hanjo anareo.
- 18Fa iza moa no efa isan’ny mpihevitra teo amin’i Jehovah ka nahita sy nandre ny teniny? Iza no nanongilana ny sofiny taminy ka nihaino ny teniny?
- 19He! ny tadion’i Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin’ny lohan’ny ratsy fanahy.
- 20Ny fahatezeran’i Jehovah tsy ho afaka ambara-panefany sy ambara-panatanterany ny hevitry ny fony; Mbola ho fantatrareo marimarina izany any am-parany.
- 21Tsy naniraka ireo mpaminany ireo Aho, kanefa nidodododo ihany izy, tsy niteny taminy Aho, kanefa naminany ihany izy.
- 22Fa raha isan’ny mpihevitra teo amiko izy, dia ho nitory ny teniko tamin’ny oloko izy ka namerina azy hiala tamin’ny lalany ratsy sy tamin’ny faharatsian’ny nataony.
- 23Moa Andriamanitra etỳ akaiky ihany va Aho? hoy Jehovah. Fa tsy Andriamanitra any lavitra any koa?
- 24Moa misy olona mahafin-tena ao amin’ny fierena va ka tsy ho hitako? hoy Jehovah. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho? hoy Jehovah.
- 25Efa reko ny nolazain’ny mpaminany, Izay naminany lainga tamin’ny anarako hoe: Nanonofy aho, nanonofy aho.
- 26Mandra-pahoviana? Moa ao am-pon’ireo mpaminany izay maminany lainga sy maminany araka ny fitaky ny fony va?
- 27Ny hampanadino ny oloko ny anarako amin’ny nofiny izay lazainy amin’ny namany avy, toy ny nanadinoan’ny razany ny anarako noho ny amin’i Bala?
- 28Ny mpaminany izay manonofy dia aoka hilaza nofy, ary izay manana ny teniko dia aoka hanambara marina ny teniko. Fa moa inona izay mololo, raha oharina amin’ny vary? hoy Jehovah.
- 29Tsy tahaka ny afo va ny teniko? hoy Jehovah, ary tsy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy va?
- 30Koa, indro, fa hasiako ny mpaminany, hoy Jehovah, izay samy mangalatra ny teniko amin’ny namany avy.
- 31Indro, hoy Jehovah, hasiako ny mpaminany, izay mampiteny ny lelany hoe: Hoy Izy.
- 32Indro, hasiako izay maminany nofy lainga, hoy Jehovah, ary milaza izany ka mampivily ny oloko amin’ny laingany sy ny fandokafany tena; Nefa Izaho tsy naniraka azy na nandidy azy tsinona, ka dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, hoy Jehovah.
- 33Ary raha manontany anao ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona, ka manao hoe: Inona no entan*’i Jehovah? Dia ataovy aminy hoe: Ny amin’ny entana hariako ianareo, hoy Jehovah.[Na: faminaniana ny loza]
- 34Ary ny mpaminany sy ny mpisorona mbamin’ny vahoaka, izay manao hoe: Ny entan’i Jehovah. Dia hovaliako izany olona izany mbamin’ny ankohonany.
- 35Samia manontany amin’ny namany sy ny rahalahiny avy ianareo hoe: Ahoana no navalin’i Jehovah? Ary ahoana no nolazain’i Jehovah?
- 36Fa ny hoe: Ny entan’i Jehovah dia tsy hotononinareo intsony; Fa ny tenin’ny olona avy ihany no ho entan’ny tenany, satria efa navadikareo ny tenin’Andriamanitra velona, dia Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitsika.
- 37Izao no hanontanianareo* amin’ny mpaminany; Ahoana no navalin’i Jehovah anao? Ary ahoana no nolazain’i Jehovah?[Heb. hanontanianao]
- 38Fa raha hoy ianareo: Entan’i Jehovah, Dia izao no lazain’i Jehovah: Noho ny nilazanareo ny teny hoe: Ny entan’i Jehovah, nefa efa nanirahako ihany ianareo nataoko hoe: Aza manao hoe: Ny entan’i Jehovah,
- 39Dia, indro, hanadino anareo tokoa Aho sady hanary anareo mbamin’ny tanàna izay nomeko anareo sy ny razanareo tsy ho eo anatrehako;
- 40Ary hataoko mihatra aminareo ny fahafaham-baraka mandrakizay sy ny fahamenarana mandrakizay izay tsy hohadinoina.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.