Jeremia
Toko 30
- 1[Ny hampodiana ny voninahitry ny Isiraely, sy ny hampijaliana izay nampahory azy] Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’i Jehovah:
- 2Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Soratinao amin’ny boky ny teny rehetra izay efa nolazaiko taminao.
- 3Fa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hampodiako ny oloko, dia ny Isiraely sy ny Joda, avy amin’ny fahababoany, hoy Jehovah; eny, hampody azy ho amin’ny tany izay efa nomeko ny razany Aho, dia ho azy izany.
- 4Ary izao no teny izay nolazain’i Jehovah ny amin’ny Isiraely sy ny Joda,
- 5eny, izao no lazain’i Jehovah: Feo mampangovitra no renay; Misy tahotra, fa tsy fiadanana.
- 6Anontanionareo ka izahao, raha mba misy lehilahy mihetsi-jaza; Koa nahoana no samy hitako manery ny valahany amin’ny tànany avy ny lehilahy rehetra hoatra ilay efa mihetsi-jaza iny, ary ny tarehy rehetra dia efa tonga hatsatra avokoa?
- 7Indrisy! fa lehibe izany andro izany, ka tsy misy tahaka azy; Andro fahoriana ho an’i Jakoba izany, nefa ho voavonjy ho afaka amin’izany ihany izy.
- 8Fa amin’izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia hotapahiko ny ziogany ho afaka amin’ny vozonao sy hotosako ny fatoranao. Ary ny firenena hafa tsy hampanompo anao* intsony; [Heb. azy]
- 9Fa ianao hanompo an’i Jehovah Andriamanitrao* sy Davida Mpanjakanao*, Izay hatsangako ho anao.[Heb. Mpanjakany]
- 10Koa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy Jehovah; Ary aza mivadi-po, ry Isiraely; Fa, indro, hovonjeko avy any lavitra ianao ary ny taranakao avy any amin’ny tany izay nahababo azy; Dia hiverina Jakoba ka hiadana sy handry fahizay, ka tsy hisy hanaitaitra azy.
- 11Fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah; Koa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nampielezako anao, Hianao tsy mba holevoniko; Nefa kosa mba hanariko araka ny antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny.
- 12Fa izao no lazain’i Jehovah: Maharary ny faharatranao, ary tsy azo sitranina ny ferinao.
- 13Tsy misy handahatra ny teninao; Tsy manana plasitera fanasitranana hapetaka amin’ny ferinao ianao*.[Na: Tsy misy mikarakara ny raharahanao hamoritana ny ferinao, Ary tsy, manana plasitera fanasitranana ianao]
- 14Ireo tia anao dia efa nanadino anao avokoa, tsy mba notadiaviny ianao; Fa famelin’ny fahavalo no namelezako anao, dia ny famaizan’ny lozabe, noho ny habetsahan’ny helokao sy ny hamaroan’ny fahotanao.
- 15Nahoana ianao no mitaraina noho ny faharatranao sy noho ny fanaintainanao izay tsy azo atsahatra? Fa noho ny habetsahan’ny helokao sy ny hamaroan’ny fahotanao no nanaovako izany taminao.
- 16Koa izay rehetra mihinana anao dia mba hohanina, ary izay rehetra mampahory anao dia ho lasan-ko babo, izay mamabo anao dia hobaboina, ary Izay rehetra mandroba anao dia hatolotro horobaina.
- 17Fa hotanterahiko ny fanasitranana anao, eny, hositraniko ny faharatranao, hoy Jehovah, noho ny nanaovany anao hoe: Ilay noroahina, sy hoe: Ziona tsy misy mpitady ity.
- 18Izao no lazain’i Jehovah: Indro, hampodiko avy amin’ny fahababoana ny lain’i Jakoba, ary ny fonenany dia hamindrako fo; ka ny tanàna dia haorina ao amin’ny havoany, ary ny lapan’andriana hitoetra ao amin’izay mahamety azy.
- 19Ary hisy fisaorana sy feon’ny mifaly avy ao; Dia hahamaro azy Aho, ka tsy ho vitsy izy, sady hanome voninahitra azy Aho, ka tsy ho ambany izy.
- 20Ny zanany koa ho tahaka ny tany aloha, ary ny fiangonany hampitoerina eo anatrehako, dia hovaliako izay rehetra mampahory azy.
- 21Ary ilay malazany dia ho avy ao aminy ihany, ary ny mpanapaka azy dia ho avy ao aminy ihany koa; Ary hampanakaiky azy Aho, ka dia hanatona Ahy izy, fa iza no sahy hanao ny ainy* ho antoka ka hanatona Ahy? hoy Jehovah.[Heb. fony]
- 22Ary ianareo ho oloko, ary Izaho ho Andriamanitrareo.
- 23He! ny tadion’i Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin’ny lohan’ny ratsy fanahy.
- 24Ny firehetan’ny fahatezeran’i Jehovah tsy ho afaka ambara-panefany sy ambara-panatanterany ny hevitry ny fony; Mbola ho fantatrareo marimarina izany any am-parany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.