Jeremia
Toko 39
- 1[Ny nanafahana an’i Jerosalema, sy ny nanjo an’i Zedekia, ary ny nanesorana an’i Jeremia tao an-davaka, sy ny teny nasain’Andriamanitra nolazainy tamin’i Ebeda-meleka] Ary rehefa afaka Jerosalema (tamin’ny volana fahafolo tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, no nahatongavan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, sy ny miaramilany rehetra hamely an’i Jerosalema ka nanao fahirano azy;
- 2ary nony tamin’ny andro fahasivy tamin’ny volana fahefatra tamin’ny taona fahiraika ambin’ny folo nanjakan’i Zedekia, dia nisy voabanga ny tanàna),
- 3dia niditra ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babylona rehetra ka nipetraka teo amin’ny vavahady ampovoany, dia Nergala-sarezera sy Samgarnebo sy Sarsekima. Raba-sarisa, sy Nergala-sarezera Raba-magy, mbamin’ny sisa rehetra amin’ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babylona.
- 4Ary rehefa nahita ireo Zedekia, mpanjakan’ny Joda, sy ny miaramila rehetra, dia nandositra izy ka lasa nandeha alina niala tao an-tanàna, nahazo ny lalana mankamin’ny sahan’ny mpanjaka, tamin’ny vavahady eo anelanelan’ny manda roa; ary lasa nivoaka nankany amin’ny lalana mankeny amin’ny tani-hay izy.
- 5Fa ny miaramilan’ny Kaldeana nanenjika azy ka nahatratra an’i Zedekia teny amin’ny tani-hay any Jeriko; ary nony azony izy, dia nentiny niakatra ho any amin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, tao Ribla tao amin’ny tany Hamata; ka dia notsarainy tao izy.
- 6Ary ny zanakalahin’i Zedekia dia novonoin’ny mpanjakan’i Babylona tao Ribla teo imason-drainy; ary ny manan-kaja rehetra tamin’ny Joda koa dia novonoin’ny mpanjakan’i Babylona.
- 7Ary nopotsiriny ny mason’i Zedekia, dia nafatony tamin’ny gadra varahina izy ho entiny any Babylona.
- 8Ary nodoran’ny Kaldeana tamin’ny afo ny tranon’ny mpanjaka sy ny tranon’ny vahoaka, ary ny mandan’i Jerosalema noravany.
- 9Ary ny olona sisa tao an-tanàna sy izay efa nanatona azy ary ny vahoaka sisa koa dia nentin’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, ho babo tany Babylona.
- 10Nefa ny olona malahelo izay tsy nanana na inona na inona kosa dia nisy ihany navelan’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, tao amin’ny tanin’ny Joda sady nomeny tanim-boaloboka sy tanimboly tamin’izany andro izany.
- 11Ary Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, nanome teny an’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, ny amin’i Jeremia nanao hoe:
- 12Ento izy, ka tandremo tsara, fa aza asian-dratsy fa araka izay lazainy aminao no ataovy aminy.
- 13Ary Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, sy Nebosazbana, Raba-sarisa, sy Nergala-sarezera, Raba-magy, ary ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babylona rehetra
- 14dia naniraka haka an’i Jeremia teo amin’ny kianjan’ny trano fiambenana, ka natolony an’i Gedalia, zanak’i Ahikama, zanak’i Safana, mba ho entiny any an-trano izy, ka dia nitoetra tao amin’ny olona.
- 15Ary tonga tamin’i Jeremia ny tenin’i Jehovah, fony izy mbola voahazona tao amin’ny kianjan’ny trano fiambenana ihany, nanao hoe:
- 16Mandehana, ka lazao amin’i Ebeda-meleka Etiopiana hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hotoviko amin’ity tanàna ity ny teniko hahatonga loza, fa tsy soa; ary ho tanteraka eo imasonao izany amin’izany andro izany.
- 17Nefa hovonjeko ianao amin’izany andro izany, hoy Jehovah, fa tsy mba hatolotra eo an-tànan’ny olona izay atahoranao.
- 18Fa hovonjeko tokoa ianao ka tsy holavon-tsabatra; eny, ny ainao no ho babonao, satria efa natoky Ahy, hoy Jehovah.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.