Jeremia
Toko 47
- 1[Faminaniana ny amin’ny Filistina] Ny tenin’i Jehovah izay tonga tamin’i Jeremia mpaminany ny amin’ny Filistina, fony Farao tsy mbola namely an’i Gaza.
- 2Izao no lazain’i Jehovah: Indro, misy rano mizotra avy any avaratra ka ho tonga ony maria manafotra ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy, dia ny tanàna mbamin’izay monina ao aminy; Ka dia hitaraina ny olona, ary hidradradradra ny mponina rehetra amin’ny tany.
- 3Noho ny fikatrokatroky ny kitron’ny soavaliny matanjaka sy ny fikorodondrodon’ny kalesiny ary ny fikotrototroky ny kodiany ny ray dia tsy miherika ny zanany, fa efa miraviravy tanana,
- 4Noho ny hihavian’ny andro handravana ny Filistina rehetra sy handringanana izay sisa rehetra amin’ny mpamonjy an’i Tyro sy Sidona; Fa horavan’i Jehovah ny Filistina, dia ny sisa avy any amin’ny nosy Kaftora.
- 5Voaharatra Gaza, ringana* Askelona mbamin’ny sisa amin’ny lohasahany; Mandra-pahoviana no mbola hitetika ny tenanao ianao? [Na: Mangina]
- 6Indrisy ry sabatr’i Jehovah! Mandra-pahoviana no tsy hitsaharanao? Midira ao amin’ny tranonao ihany; Mitsahara, ka mijanòna.
- 7Hataony* ahoana no fitsahatra. Fa Jehovah no nandidy azy, eny, hamely an’i Askelona mbamin’ny eny amoron-dranomasina no efa nanendreny azy.[Heb. Hataonao]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.