Jeremia
Toko 48
- 1[Faminaniana ny amin’i Moaba] Ny amin’i Moaba. Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Nidiran-doza Nebo, fa rava! Mangaihay Kiriataima, fa afaka; Mangaihay Misgaba* sady raiki-tahotra.[Na: ny fiarovana avo]
- 2Tsy misy ho reharehan’i Moaba intsony; Tao Hesbona no niheverany hampididoza aminy hoe: Andeha horavantsika tsy ho firenena izy. Ho ringana koa ianao, ry Madmena, Hanenjika anao ny sabatra.
- 3Injay! misy feo fitarainana ao Horonaima hoe: Fandravana sy fandringanana be!
- 4Rava Moaba, ny madinika ao dia mamoaka fitarainana.
- 5Fa miakatra mitomany lalandava eny amin’ny fiakarana Lohita izy; Ary amin’ny fidinana mankany Horonaima no andrenesana fitarainana mafy noho ny fandringanana.
- 6Mandosira, vonjeo ny ainareo. Ary aoka ho tahaka ny olona mahantra* any an-efitra ianareo.[Na: ny anjavidy]
- 7Fa noho ny nitokianao tamin’ny asanao sy ny rakitrao dia ho voasambotra koa ianao; Ary Kemosy ho lasan-ko babo, dia ny mpisorony sy ny mpanapaka rehetra.
- 8Ary ny mpandringana ho tonga ao amin’ny tanàna rehetra, ka tsy hisy tanàna tsy ho afaka; Ny lohasaha koa ho simba, ary ny tany lemaka ho rava, araka izay nolazain’i Jehovah.
- 9Omeo elatra Moaba, fa hanidina izy ka ho lasa; Ary ho lao ny tanànanay, ka tsy hisy mponina.
- 10Ho voaozona anie Izay manao tsirambina foana ny asa asain’i Jehovah atao! Eny, ho voaozona anie izay mihazona ny sabany tsy handatsa-drà!
- 11Moaba nandry fahizay hatry ny fony izy mbola kely ka niotrika tao amin’ny faikany, fa tsy naidina nafindrafindra siny, ary tsy mbola lasan-ko babo izy; koa izany no aharetan’ny tsirony ao aminy sy tsy iovan’ny fofony.
- 12Koa, indro, avy ny andro hanirahako mpanohoka ho any aminy, hoy Jehovah, Izay hanohoka azy ka hahafoana ny fitoeran-divainy sady hanorotoro ny sininy.
- 13Ary Moaba ho menatra noho ny amin’i Kemosy toy ny nahamenaran’ny taranak’Isiraely noho ny amin’i Betela tokiny.
- 14Ahoana no anaovanareo hoe: Lehilahy matanjaka sady mahery an’ady izahay?
- 15Rava Moaba, fa ny tanànany dia efa nanihina*. Ary ny zatovony voafantina efa nidina ho any amin’ny famonoana. Hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon’ny maro, no anarany.[Na: efa levon-ko setroka]
- 16Efa antomotra ny loza hanjo an’i Moaba, ary mimaona ny fahoriany.
- 17Mitomania azy, ianareo rehetra izay manodidina azy sy ianareo rehetra izay mahalala ny anarany! Eny, manaova hoe: Indrisy! tapaka ny tehina mafy sy ny tsorakazo tsara tarehy!
- 18Ry Dibona, zanakavavy mponina, midina miala amin’ny voninahitrao, ka mitoera ao amin’ny tany mangentana, fa ilay mandringana an’i Moaba dia miakatra mamely anao sady mandrava ny fiarovanao.
- 19Ry mponina any Aroera, mijanòna eny an-dalambe, ka mitazàna, ary izay mandositra, na lehilahy na vehivavy, dia anontanio hoe: Nozoin’inona ianareo?
- 20Afa-baraka Moaba, eny, raiki-tahotra izy; Midradradradra sy mitaraina, ka ambaraonareo ao Arnona fa rava Moaba.
- 21Ary ny fitsarana dia miakatra ao amin’ny tany lemaka, dia ao Holona sy Jahaza sy Mefata
- 22Sy Dibona sy Nebo sy Beti-diblataima
- 23Sy Kiriataima sy Beti-gamola sy Beti-meona
- 24Sy Keriota ary Bozra, eny, ny tanànan’i Moaba rehetra, na ny lavitra na ny akaiky.
- 25Voakapa ny tandrok’i Moaba, ary tapaka koa ny sandriny, hoy Jehovah.
- 26Ataovy leony izy, fa niavonavona tamin’i Jehovah; Moaba hihosinkosina amin’ny loany sady mba ho tonga fihomehezana kosa.
- 27Fa tsy efa nataonao ho fihomehezana va ny Isiraely? Moa hita fa naman’ny mpangalatra va izy, no dia mihifikifika ianao isaky ny milaza azy?
- 28Ry mponina any Moaba! ilaozy ny tanàna, ka mitoera ao amin’ny harambato, ary aoka ho tahaka ny voromailala izay manao ny akaniny erỳ am-pitan’ny hantsana ianao.
- 29Ffa renay ny fiavonavonan’i Moaba fatra-piavonavona loatra izy dia ny fireharehany sy ny fiavonavonany sy ny fiaingitrainginy ary ny avonavon’ny fony.
- 30Izaho mahalala ny fihoa-bavany sy ny fibedibediny foana, hoy Jehovah; Tsinontsinona ny ataony.
- 31Koa hidradradradra noho ny amin’i Moaba aho; Eny, hitomany noho ny amin’i Moaba rehetra aho, ary hitsetra noho ny amin’ny mponina ao Kira-haresa ny olona.
- 32Mihoatra noho ny fitomanian*’i Jazera no hitomaniako anao, ry voalobok’i Sibma, tafita ny ranomasina ny rantsanao ary tonga hatrany amin’ny ranomasin’i Jazera; Ny mpandripaka dia tonga handripaka ny voankazonao masaka fahavaratra sy ny voalobokao.[Na: fitomaniana an’]
- 33Ary ny hafaliana sy ny faharavoravoana nesorina tamin’ny saha nahavokatra sy tamin’ny tany Moaba, ary nataoko tankina ny divay tamin’ny vata fanantazana ranom-boaloboka, tsy hisy hihoby amin’ny fanitsakitsahana; Ny fihobiana dia tsy fihobiana akory.
- 34Ny fitarainan’i Hesbona dia re hatrany Elale sy Jahaza. Hatrany Zoara ka hatrany Horonaima sy Eglata-selisia*; Fa na dia ny ranon’i Nimrima aza dia ho ritra koa.[Na: ilay ombivavy kely telo taona]
- 35Ary hatsahatro ao Moaba koa Izay miakatra hanatitra amin’ny fitoerana avo sy izay mandoro ditin-kazo manitra ho an’ny andriamaniny, hoy Jehovah.
- 36Ary noho izany ny foko dia mitomany manao feon-tsodina noho ny amin’i Moaba, ary ny foko mitomany manao feon-tsodina noho ny amin’ny mponina ao Kira-haresa. Eny, noho izany dia levona ny harena be izay nohariny.
- 37Fa mibory ny loha rehetra. Ary voaharatra ny somotra rehetra, misy tetika amin’ny tanana rehetra sy lamba fisaonana amin’ny valahana.
- 38Eny, amin’ny tampon-trano rehetra any Moaba sy eny an-kalalahana dia misy fisaonana avokoa; Satria torotoroiko toy ny fanaka tsy mahafinaritra intsony Moaba, hoy Jehovah.
- 39Indrisy! raiki-tahotra izy! Midradradradrà! Indrisy! efa miamboho Moaba, mangaihay Izy, ka dia tonga fihomehezana sy fampitahorana ho an’izay rehetra manodidina azy.
- 40Fa izao no lazain’i Jehovah: Indro, hanidina toy ny voromahery izy ka hamelatra ny elany hipaoka an’i Moaba.
- 41Afaka ny tanàna*, ka azo ny batery fiarovana, ary amin’izany andro izany ny fon’ny lehilahy maherin’i Moaba dia ho tahaka ny fon’ny vehivavy mihetsi-jaza.[Na: keriota]
- 42Ary horavana tsy ho firenena intsony Moaba. Satria niavonavona tamin’i Jehovah izy.
- 43Tahotra sy lavaka ary fandrika no mahazo anao, ry mponina any Moaba, hoy Jehovah.
- 44Izay mandositra ny tahotra dia ho latsaka any an-davaka; Ary izay miakatra avy any an-davaka dia ho voan’ny fandrika; Fa hataoko tonga amin’i Moaba ny taona hamaliana azy, hoy Jehovah.
- 45Ao amin’ny alokalok’i Hesbona no ijanonan’ny mpandositra, satria lany hery ireny; Kanjo misy afo mivoaka avy any Hesbona, ary lelafo avy any Sihona, ka mandevona ny sisin*’i Moaba sy ny tampon-dohan’ny mpitabataba.
- 46Idiran-doza ianao, ry Moaba! Ringana ny olon’i Kemosy! Fa ho babo ny zanakao-lahy, ary ho sambotra ny zanakao-vavy.
- 47Nefa mbola hampodiko avy amin’ny fahababoana ihany Moaba any amparany, hoy Jehovah. Hatreto ny amin’ny fitsarana an’i Moaba.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.