1 Samoela
Toko 8
- 1[Ny nangatahan’ny Isiraely mpanjaka] Ary rehefa antitra Samoela, dia ny zanany no nataony mpitsara ny Isiraely.
- 2Ary Joela no anaran’ny lahimatoany, ary Abia no anaran’ny faralahiny; mpitsara tany Beri-sheba izy ireo.
- 3Nefa ny zanany tsy nanaraka ny dian-drainy, fa nivily nitady vola aman-karena ka nandray kolikoly sy nanao fitsarana miangatra.
- 4Ary ny loholon’ny Isiraely rehetra nivory tao Rama ho any amin’i Samoela
- 5ka nanao taminy hoe: Indro, efa antitra ianao, ary ny zanakao tsy manaraka ny dianao; koa manendre mpanjaka ho anay hitsara anay, tahaka ny firenena rehetra.
- 6Fa tsy sitrak’i Samoela ny nanaovan’ny olona hoe: Omeo mpanjaka izahay hitsara anay. Dia nivavaka tamin’i Jehovah Samoela.
- 7Ary hoy Jehovah tamin’i Samoela: Henoy ihany ny tenin’ny olona amin’izany rehetra lazainy aminao; fa tsy ianao no laviny, fa Izaho no laviny tsy hanjaka aminy.
- 8Araka ny asa rehetra izay nataony hatramin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany Egypta ka mandraka androany, dia ny nahafoizany Ahy sy ny nanompoany andriamani-kafa, dia toy izany koa no ataony aminao.
- 9Ary ankehitriny henoy ihany ny teniny, kanefa lazao aminy marimarina, ka asehoy azy ny ho fanaon’ny mpanjaka izay hanjaka aminy.
- 10Dia nambaran’i Samoela tamin’ny olona izay nangataka mpanjaka taminy ny teny rehetra nolazain’i Jehovah.
- 11Ary hoy izy: Izao no ho fanaon’ny mpanjaka izay hanjaka aminareo: Ny zanakareo-lahy dia halainy ka hotendreny ho amin’ny kalesiny sy ho mpitaingin-tsoavaliny ary hihazakazaka eo alohan’ny kalesiny,
- 12ary hotendreny ho mpifehy arivo sy ho mpifehy dimam-polo, ary hiasa ny taniny sy hijinja ny vokany ary hanao ny fiadiany sy ny fanaka momba ny kalesiny;
- 13ary ny zanakareo-vavy dia halainy ho mpangaroharo zava-manitra ary ho mpahandro sy mpanao mofo;
- 14ary ny tsara indrindra amin’ny sahanareo sy ny tanim-boalobokareo sy ny tanin’olivanareo dia halainy ka homeny ho an’ny mpanompony;
- 15ary ny ampahafolon’ny voan-javatrareo sy ny tanim-boalobokareo dia halainy ka homeny ho an’ny tandapany* sy ny tandonany.[Heb. ionoka]
- 16Ary ny ankizilahinareo sy ny ankizivavinareo sy ny zatovonareo tsara indrindra ary ny borikinareo dia halainy ka hampanaoviny ny asany.
- 17Ary halainy koa ny ampahafolon’ny ondry aman’osinareo; ary ny tenanareo ho tonga mpanompony.
- 18Ary hitaraina amin’izany andro izany ianareo noho ny mpanjakanareo izay nofidinareo ho anareo, fa Jehovah tsy hamaly anareo amin’izany andro izany.
- 19Kanefa tsy nety nihaino ny tenin’i Samoela ny olona, fa hoy izy: Tsia, fa aoka ihany hisy mpanjaka hanjaka aminay,
- 20mba ho tahaka ny firenena rehetra koa izahay, ka ny mpanjakanay hitsara anay sy hivoaka eo alohanay ary hitarika ny adinay.
- 21Ary ren’i Samoela ny teny rehetra nolazain’ny olona, ka dia nolazainy teo anatrehan’i Jehovah kosa.
- 22Ary hoy Jehovah tamin’i Samoela: Henoy ny teniny ka manendre mpanjaka ho azy. Dia hoy Samoela tamin’ny lehilahy amin’ny Isiraely: Samia ary mandeha ho any amin’ny tanànanareo avy ianareo rehetra.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.