1 Samoela
Toko 7
- 1Dia tonga teo ny mponina tao Kiriata-jearima ka nitondra ny fiaran’i Jehovah niakatra, dia nitondra azy ho ao an-tranon’i Abinadaba teo an-kavoana*, ary nanamasina an’i Eleazara zanany mba hitandrina ny fiaran’i Jehovah izy.[Na: Gebea]
- 2[Ny nampibebahan’i Samoela ny Isiraely, sy ny nandreseny ny Filistina, ary ny nitsaran’i Samoela ny Isiraely] Ary hatramin’izany andro izany dia nitoetra ela tany Kiriata-jearima ny fiaran’i Jehovah, dia roa-polo taona; ary ny taranak’Isiraely rehetra nalahelo an’i Jehovah*.[Na: nivory ho eo amin’i Jehovah]
- 3Ary hoy Samoela tamin’ny taranak’Isiraely rehetra: Raha miverina amin’i Jehovah amin’ny fonareo rehetra tokoa ary ianareo, dia ario hiala aminareo ny andriamani-kafa sy ireo Astarta, ka ampiomany ny fonareo ho an’i Jehovah, ary aoka Izy ihany no hotompoinareo, dia hamonjy anareo amin’ny tanan’ny Filistina Izy.
- 4Dia nanary ireo Bala sy Astarta ny Zanak’Isiraely ka nanompo an’i Jehovah irery ihany.
- 5Ary hoy Samoela: Vorio ny Isiraely rehetra ho any Mizpa, dia hivavaka amin’i Jehovah ho anareo aho.
- 6Dia nivory tany Mizpa izy ary nanovo rano ka nandraraka izany teo anatrehan’i Jehovah, sady nifady hanina tamin’izany andro izany izy ka nanao hoe: Efa nanota tamin’i Jehovah isika. Ary Samoela nitsara ny Zanak’Isiraely tany Mizpa.
- 7Ary rehefa ren’ny Filistina fa efa vory tany Mizpa ny Zanak’Isiraely, dia niakatra hamely azy ireo andrianan’ny Filistina. Ary nony nandre izany ny Zanak’Isiraely, dia raiki-tahotra izy noho ny Filistina.
- 8Dia hoy ny Zanak’Isiraely tamin’i Samoela: Aza mitsahatra mitaraina amin’i Jehovah Andriamanitsika ho anay ianao, mba hamonjeny anay amin’ny tanan’ny Filistina.
- 9Dia naka zanak’ondry mbola minono Samoela ka nanatitra azy ho fanatitra dorana ho an’i Jehovah; dia nitaraina tamin’i Jehovah ho an’ny Isiraely Samoela, ary nihaino azy Jehovah.
- 10Ary raha mbola nanatitra ny fanatitra dorana Samoela, dia nanatona ny Filistina hiady amin’ny Isiraely; fa Jehovah nampikotrokorana mafy tamin’ny Filistina tamin’izany andro izany ka nampifanaritaka azy, dia resy teo anoloan’ny Isiraely izy.
- 11Ary ny lehilahy amin’ny Isiraely niala tany Mizpa, dia nanenjika ny Filistina ka namely azy mandra-pahatongany teo ambanin’i Beti-kara.
- 12Ary Samoela naka vato ka nanorina azy teo anelanelan’i Mizpa sy Sena, ary ny anarany nataony hoe Ebenezera*; fa hoy izy: Efa novonjen’i Jehovah isika hatramin’izao.[Ebnezera = Vato famonjena]
- 13Dia resy ny Filistina ka tsy tafiditra teo anatin’ny fari-tanin’ny Isiraely intsony; ary ny tànan’i Jehovah namely ny Filistina tamin’ny andro rehetra niainan’i Samoela.
- 14Ary ny tanàna izay efa nalain’ny Filistina tamin’ny Isiraely dia azon’ny Isiraely indray, hatrany Ekrona ka hatrany Gata; ary ny faritanin’ireo dia nalain’ny Isiraely tamin’ny tanan’ny Filistina koa. Ary nihavana ny Isiraely sy ny Amorita.
- 15Ary Samoela nitsara ny Isiraely tamin’ny andro rehetra niainany.
- 16Ary nandeha isan-taona isan-taona izy nitety any Betela sy Gilgala ary Mizpa ka nitsara ny Isiraely teo amin’ireo tanàna rehetra ireo.
- 17Dia niverina ho any Rama indray izy, fa tao ny tranony; ary nitsara ny Isiraely tao izy sady nanorina alitara tao ho an’i Jehovah.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.