1 Samoela
Toko 21
- 1Dia nitsangana Davida ka lasa; fa Jonatana kosa nankany an-tanàna.
- 2[Ny nandosiran’i Davida nankany Noba, sy ny nialany tany nankany Gata] Ary Davida tonga tany Noba, tany amin’i Ahimeleka mpisorona; ary toran-kovitra Ahimeleka, raha nihaona tamin’i Davida, ka nanao taminy hoe: Nahoana no mandeha irery ianao, fa tsy misy manaraka anao?
- 3Dia hoy Davida tamin’i Ahimeleka mpisorona: Ny mpanjaka efa nanome raharaha ahy, ka hoy izy tamiko: Aoka tsy ho fantatr’olona ny raharaha nanirahako sy nandidiako anao; ka dia nasaiko nankary ny zatovoko.
- 4Koa inona no misy ato aminao? Omeo mofo dimy aho ho etỳ an-tanako, na izay misy.
- 5Ary ny mpisorona namaly an’i Davida hoe: Tsy misy mofo fihinana ato amiko, fa mofo masina ihany no ato, ka raha mba nifady vehivavy ahay mantsy ny zatovo.
- 6Ary Davida namaly ny mpisorona ka nanao taminy hoe: Eny, fa hatramin’ny hateloana efa tsy niara-nitoetra tamim-behivavy rahateo izahay; ary tamin’izaho niainga dia masina ny fanaky ny zatovo; ary na dia tsy masina aza ny lalana, dia hohamasinina anio izy noho ny fanaka.
- 7Ary ny mpisorona nanome azy mofo masina; fa tsy nisy mofo teo, afa-tsy ny mofo aseho, izay nalainy teo anatrehan’i Jehovah, mba hasiana mofo mafana tamin’ny andro nanesorana azy.
- 8(Nefa nisy anankiray tamin’ny mpanompon’i Saoly teo tamin’izany andro izany, voahazona teo anatrehan’i Jehovah, Doega Edomita no anarany; lehiben’ny mpiandrin’i Saoly izy.)
- 9Ary hoy Davida tamin’i Ahimeleka: Tsy misy lefona na sabatra va eto aminao? fa izaho tsy nitondra ny sabatro na ny fiadiako etỳ amiko, satria nahamaika ny raharahan’ny mpanjaka.
- 10Fa hoy ny mpisorona: Ny sabatr’i Goliata Filistina, ilay novonoinao tao amin’ny lohasaha Elaha, indro, fa mifono lamba ao ivohon’ny efoda izy; ka raha iny no ho entinao, dia ento; fa tsy misy afa-tsy iny eto. Ary hoy Davida: Tsy misy tahaka iny, fa omeo ahy.
- 11Ary Davida niainga nandositra tamin’izany andro izany mba tsy ho azon’i Saoly, dia nankany amin’i Akisy, mpanjakan’i Gata.
- 12Ary hoy ny mpanompon’i Akisy taminy: Tsy ity moa no Davida, mpanjakan’ny tany? Tsy izy va no nandihizany sy nifampihirany hoe: Saoly nahafaty arivoarivo, Fa Davida nahafaty alinalina?
- 13Ary dia nalatsak’i Davida tao am-pony izany teny izany, ka natahotra an’i Akisy, mpanjakan’i Gata, indrindra izy.
- 14Dia nody adala teo anatrehany izy ka nanao tahaka ny olona very saina teo aminy, fa nanoratsoratra teo amin’ny lela-vavahady izy, sady navelany hitsororoka tamin’ny somony ny iviny.
- 15Ary hoy Akisy tamin’ny mpanompony: He! hitanareo fa very saina io lehilahy io, ka nahoana no nentinareo etỳ amiko izy?
- 16Izaho moa mitady olona very saina, no nitondranareo ity olona very saina ity mba hanondrana eto anatrehako? Moa hiditra ato an-tranoko va ilehio?
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.