1 Samoela
Toko 23
- 1[Ny namonjen’i Davida an’i Keila] Ary nisy nanambara tamin’i Davida hoe: Indro, ny Filistina mamely an’i Keila ka mamabo ny ao amin’ny famoloana.
- 2Ary Davida nanontany tamin’i Jehovah hoe: Handeha hamely izao Filistina izao va aho? Ary hoy Jehovah tamin’i Davida: Mandehana, asio ny Filistina, ka vonjeo Keila.
- 3Ary hoy ny olon’i Davida taminy: He! atỳ Joda aza isika matahotra, koa mainka raha mankany Keila hiady amin’ny miaramilan’ny Filistina?
- 4Dia nanontany tamin’i Jehovah indray Davida. Ary Jehovah namaly azy hoe: Miaingà, midìna hankany Keila, fa Izaho no hanolotra ny Filistina ho eo an-tananao.
- 5Dia lasa Davida sy ny olony nankany Keila ary niady tamin’ny Filistina ka namabo ny ombiny sady nahafaty olona be dia be. Ary dia voavonjin’i Davida ny mponina tao Keila.
- 6Ary raha nandositra nankany amin’i Davida tany Keila Abiatara, zanak’i Ahimeleka, dia nitondra efoda teny an-tànany izy.
- 7Ary nambara tamin’i Saoly fa tonga tao Keila Davida. Dia hoy Saoly: Andriamanitra efa nanolotra azy ho eo an-tanako, satria efa voahidy izy izao noho ny nidirany amin’ny tanàna misy vavahady mihidy.
- 8Ary Saoly namory ny olona rehetra hidina hankany Keila hanafika ka hanao fahirano an’i Davida sy ny olony.
- 9Ary fantatr’i Davida fa Saoly namorona sain-dratsy hamelezana azy; dia hoy izy tamin’i Abiatara mpisorona: Ento etỳ ny efoda.
- 10Dia hoy Davida: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, efa ren’ny mpanomponao tokoa fa Saoly mitady hankatỳ Keila mba handrava ny tanana noho ny amiko.
- 11Ka moa ny mponina etỳ Keila hanolotra ahy ho eo an-tànany va? Hidina etỳ va Saoly toy ny efa ren’ny mpanomponao? Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, mifona aminao aho, ambarao amin’ny mpanomponao. Ary hoy Jehovah: Hidina izy.
- 12Dia hoy Davida: Ny mponina etỳ Keila hanolotra ahy sy ny oloko ho eo an-tànan’i Saoly va? Ary hoy Jehovah Hanolotra anao izy.
- 13Ary dia niainga Davida sy ny olony tokony ho enin-jato lahy ka niala tao Keila ary nandeha tamin’izay azony naleha. Ary nolazaina tamin’i Saoly fa efa nandositra niala tao Keila Davida, dia nijanona tsy nandeha izy.
- 14Ary Davida nitoetra tany an-efitra tao amin’ny batery fiarovana sy nitoetra tany amin’ny tany havoana tany an-efitr’i Zifa. Ary Saoly nitady azy isan’andro, fa Andriamanitra tsy nanolotra azy ho eo an-tànany.
- 15[Ny nitoeran’i Davida tany an-efitr’i Zifa sy Maona, ary ny hevitra nataon’ny Zifita hahazoan’i Saoly azy] Ary hitan’i Davida fa Saoly nivoaka hitady ny ainy; fa Davida dia tany an-efitr’i Zifa tany anaty ala.
- 16Ary Jonatana, zanak’i Saoly, niainga, dia nankany amin’i Davida tany an’ala ka nampahery ny tànany tamin’Andriamanitra.
- 17Ary hoy izy tamin’i Davida: Aza matahotra, fa tsy hahazo anao ny tànan’i Saoly raiko; fa ianao no ho mpanjaka amin’ny Isiraely, ary izaho no hanarakaraka anao, ary fantatr’i Saoly raiko koa izany.
- 18Ary nanao fanekena teo anatrehan’i Jehovah izy roa lahy; ary Davida dia nitoetra tany an’ala, fa Jonatana kosa nankany an-tranony.
- 19Ary niakatra nankany amin’i Saoly tany Gibea ny Zifita ka nanao hoe: Tsy miery any aminay ao amin’ny batery fiarovana any an’ala, any amin’ny havoana Hakila, izay atsimon’ny efitra, va Davida?
- 20Koa ankehitriny, ry mpanjaka, araka ny fanirian’ny fonao hidina, dia midìna ianao, fa azonay hatolotra eo an-tànan’ny mpanjaka izy.
- 21Ary hoy Saoly: Hotahin’i Jehovah anie ianareo; fa ianareo namindra fo tamiko.
- 22Masìna ianareo, mandehana, hevero indray, ka tsongoy tsara ny diany, ary fantaro izay nahita azy tany; fa manao saina lalina dia lalina, hono, izy.
- 23Koa izahao sy fantaro tsara ny fierena rehetra izay iereny, dia miverena etỳ amiko indray hilaza marimarina, ary izaho dia hiaraka aminareo; koa raha mitoetra amin’ny tany izy, dia hotadiaviko eran’ny arivon’i Joda rehetra.
- 24Dia niainga nankany Zifa ireo hialoha an’i Saoly; fa Davida sy ny olony dia tany amin’ny efitr’i Maona, tamin’ny tani-hay* atsimon’ny efitra.[Heb. Arabà]
- 25Ary nandeha Saoly sy ny mpanompony hitady azy. Ary nolazaina tamin’i Davida izany, ka dia nidina tany amin’ny harambato izy ka nitoetra tany an-efitr’i Maona. Ary nony ren’i Saoly izany, dia nanenjika an’i Davida tany an-efitr’i Maona izy.
- 26Ary Saoly nandeha tamin’ny ilan’ny tendrombohitra iray, fa Davida sy ny olony tamin’ny ilany kosa; ary niezaka mafy handositra Davida noho ny tahony an’i Saoly; fa Saoly sy ny olony saiky nahodidina an’i Davida sy ny olony hisambotra azy.
- 27Dia nisy iraka tonga tao amin’i Saoly nanao hoe: Avia haingana ianao, fa ny Filistina efa manafika ny tany.
- 28Dia niverina Saoly tamin’ny nanenjehany an’i Davida ary nandeha niady tamin’ny Filistina; ary ny anaran’izany tany izany dia nataony hoe: Sela-hamalekota*.[Sela-hamalekota = Harambato fandosirana]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.