1 Samoela
Toko 16
- 1[Ny nanosorana an’i Davida ho mpanjakan’ny Isiraely] Ary hoy Jehovah tamin’i Samoela: Mandra-pahoviana no hahalahelovanao an’i Saoly, nefa Izaho efa nandà azy tsy ho mpanjakan’ny Isiraely? fenoy diloilo ny tandrokao, ka mandehana, fa hirahiko ho any amin’i Jese Betlehemita ianao; fa efa nahita mpanjaka ho Ahy ao amin’ny zanany Aho.
- 2Fa hoy Samoela: Hataoko ahoana no fandeha; fa raha ren’i Saoly izany, moa tsy hovonoiny va aho? Ary hoy Jehovah: Mitondrà ombivavy kely ianao, ka lazao hoe: Avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’i Jehovah aho.
- 3Ary antsoy Jese mba ho any amin’ny fanatitra, ary Izaho no hampahafantatra anao izay hataonao; ka dia hohosoranao ho Ahy izay holazaiko aminao.
- 4Ary Samoela nanao izay nolazain’i Jehovah, dia tonga tao Betlehema. Ary nitsena azy amin-kovitra ny loholona teo an-tanàna ka nanao hoe: Fihavanana va no ihavianao?
- 5Ary hoy izy: Fihavanana; avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’i Jehovah aho; hamasino ny tenanareo, ary andeha hiaraka amiko ho any amin’ny fanatitra. Dia nohamasininy Jese sy ny zanany ka nasainy ho any amin’ny fanatitra.
- 6Ary nony tonga ireo, dia nijery an’i Eliaba izy ka nanao hoe: Ny voahosotr’i Jehovah tokoa ity eto anatrehany.
- 7Fa hoy Jehovah tamin’i Samoela: Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon’ny tsanganany, fa efa nolaviko izy; fa tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.
- 8Ary Jese niantso an’i Abinadaba ka nampandalo azy teo anatrehan’i Samoela. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin’i Jehovah.
- 9Ary Jese dia nampandalo an’i Sama indray. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin’i Jehovah.
- 10Ary Jese nampandalo fito lahy tamin’ny zanany teo anatrehan’i Samoela. Fa hoy Samoela tamin’i Jese: Tsy nofidin’i Jehovah ireto.
- 11Ary hoy Samoela tamin’i Jese: Tapitra eto avokoa va ny zanakao-lahy rehetra? Dia hoy izy: Ny faralahy no sisa, fa miandry ondry izy. Ary hoy Samoela tamin’i Jese: Maniraha haka azy, fa tsy hipetraka hihinana isika ambara-pahatongany eto.
- 12Dia naniraka izy ka nitondra azy hiditra. Ary mena volo* izy sady bary maso no tsara tarehy. Ary hoy Jehovah: Mitsangàna, hosory izy, fa io no izy.[Na: tendron-tava]
- 13Ary Samoela nandray ny tandroka feno diloilo ka nanosotra azy teo amin’ny rahalahiny; ary ny Fanahin’i Jehovah dia nilatsaka tamin’i Davida hatramin’iny andro iny. Dia nitsangana Samoela ka nankany Rama.
- 14Fa ny Fanahin’i Jehovah efa niala tamin’i Saoly, ary nisy fanahy ratsy avy tany amin’i Jehovah nampahatahotra azy.
- 15Ary hoy ny mpanompon’i Saoly taminy: Indro, ankehitriny misy fanahy ratsy avy any amin’Andriamanitra mampahatahotra anao.
- 16Aoka ny tomponay ankehitriny handidy anay mpanomponao izay eto anatrehanao, dia hitady olona mahay mitendry lokanga izahay; ary rehefa misy fanahy ratsy avy any amin’Andriamanitra tonga aminao, dia hitendry amin’ny tànany izy, ka dia ho tsara ihany ianao.
- 17Ary hoy Saoly tamin’ny mpanompony: Mizahà ary olona izay mahay mitendry tsara, ka ento etỳ amiko.
- 18Dia namaly ny anankiray amin’ny zatovony ka nanao hoe: Indro, ny anankiray amin’ny zanak’i Jese Betlehemita no hitako mahay mitendry, sady lehilahy mahery sy mpanafika izy ary mahay mandaha-teny sy lehilahy tsara tarehy, ary Jehovah momba azy.
- 19Ary Saoly dia naniraka tany amin’i Jese ka nanao hoe: Iraho hankatỳ amiko Davida zanakao izay miandry ondry.
- 20Ary Jese naka mofo tokony ho zakan’ny boriky iray sy divay iray siny hoditra sy zanak’osy, ka nampitondrainy an’i Davida zanany ho an’i Saoly ireo.
- 21Ary Davida tonga tany amin’i Saoly ka nitoetra teo anatrehany; ary tiany indrindra izy, ka dia tonga mpitondra ny fiadiany.
- 22Ary Saoly naniraka tany amin’i Jese nanao hoe: Masìna ianao, avelao Davida hitoetra eo anatrehako, fa efa mahita fitia amiko izy.
- 23Ary raha nisy fanahy avy tany amin’Andriamanitra tonga tao amin’i Saoly, dia noraisin’i Davida ny lokanga ka notendren’ny tànany; ka dia velombelona sady nanaritra Saoly, ary ny fanahy ratsy niala taminy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.