1 Samoela
Toko 3
- 1[Ny niantsoana an’i Samoela ho mpaminanin’Jehovah] Ary Samoela zaza nanao fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah teo anatrehan’i Ely. Ary tamin’izany andro izany efa nahàlana ny tenin’i Jehovah: tsy nisy fahitana niseho loatra.
- 2Ary tamin’izany andro izany, raha nandry tao amin’ny fandriany Ely (efa pahina ny masony, ka tsy nahita izy),
- 3sady tsy mbola maty ny jiron’Andriamanitra, ary Samoela efa nandry tao amin’ny tempolin’i Jehovah, izay nisy ny fiaran’Andriamanitra,
- 4dia niantso an’i Samoela Jehovah, ary izy namaly hoe: Inty aho.
- 5Dia nihazakazaka nankeo amin’i Ely izy ka nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Fa hoy Ely: Tsy niantso aho, andeha mandry ihany. Dia lasa nandry izy.
- 6Ary Jehovah niantso azy indray hoe: Ry Samoela! Dia nifoha Samoela ka nankao amin’i Ely ary nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Fa hoy izy: Tsy niantso aho, anaka; andeha mandry ihany.
- 7Ary Samoela tsy mbola nahalala an’i Jehovah, sady tsy mbola nanehoana ny tenin’i Jehovah izy.
- 8Ary Jehovah niantso an’i Samoela indray fanintelony. Dia nifoha izy ka nankao amin’i Ely ary nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Dia fantatr’i Ely fa Jehovah no niantso ny zaza.
- 9Ary hoy Ely tamin’i Samoela: Andeha mandry ihany; ary raha tàhiny miantso anao Izy, dia valio hoe: Mitenena, Jehovah ô; fa mihaino ny mpanomponao. Dia lasa Samoela nandry tao amin’ny fandriany.
- 10Ary avy Jehovah, dia nitsangana ka niantso toy ny teo ihany hoe: Ry Samoela, ry Samoela ô! Dia namaly Samoela hoe: Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao.
- 11Ary hoy Jehovah tamin’i Samoela: Indro, Izaho hanao zavatra eo amin’ny Isiraely, ka izay rehetra mandre izany, dia hangintsingintsina ny sofiny roa.
- 12Amin’izany andro izany dia hotanterahiko amin’i Ely izay zavatra rehetra voalazako ny amin’ny taranany: hatomboko izany, ka dia hotanterahiko.
- 13Fa efa nambarako taminy fa hotsaraiko mandrakizay ny taranany noho ny heloka izay fantany, satria ny zanany nahatonga ozona ho an’ny tenany, nefa tsy nosakanany.
- 14Koa izany no nianianako ny amin’ny taranak’i Ely fa tsy hisy fanatitra hahafaka ny helony mandrakizay.
- 15Ary nandry Samoela mandra-pahamarain’ny andro, dia namoha ny varavaran’ny tranon’i Jehovah izy. Ary Samoela natahotra hilaza ny fahitana tamin’i Ely.
- 16Fa Ely niantso an’i Samoela ka nanao hoe: Ry Samoela, zanako! Dia hoy izy: Inty aho.
- 17Ary hoy izy: Inona no zavatra nolazain’i Jehovah taminao? masìna ianao, aza afeninao ahy; hataon’Andriamanitra aminao anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha nisy afeninao ahy ny zavatra rehetra nolazainy taminao.
- 18Dia nambaran’i Samoela azy avokoa ny zavatra rehetra, ka tsy nisy nafeniny azy. Dia hoy Ely: Izy no Jehovah, aoka Izy hanao izay sitraky ny fony.
- 19Ary nitombo Samoela, sady nomba azy Jehovah, ka tsy nisy navelany ho raraka an-tany ny teniny.
- 20Ary ny Isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba nahalala fa efa mpaminanin’i Jehovah tokoa Samoela.
- 21Dia niseho tao Silo indray Jehovah; fa niseho tamin’i Samoela tao Silo Jehovah tamin’ny teniny.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.